bonzai

1. soanja ( 10/06/2006 05:24)
Sao mba misy afaka hanome ahy torohevitra ny fanamboarana bonzai azafady. Misaotra mialoha. Voasary no tiako raha mety.
novalian'i Fiffi ny 08/10/2006 21:16
2. Fiffi ( 10/06/2006 06:09)
http://artbonsai.free.fr/especes/index.html
3. Fiffi ( 10/06/2006 06:14)
soanja: ny zava-maniry rehetra de azo hatao bonzai daholo , heu... hazo io an !
Raha efa manana voasary maniry ndry , de tsy avela hitombo hatrany le izy fa taillena foana .
http://artbonsai.free.fr/ http://www.monbonsai.com/fr/creation.htm
4. Herimiafina ( 10/06/2006 12:14)
Ny fanamboarana azy dai tsotra, vao kely iny ilay izy dia mila enchevetrer-na ny fakany.
Misandrahaka mantsy ny fakan'izy ireny ka ny fanaovana azy dai tailler-na aloha (affranchissement), avy eo dai alolankolana ho fohy kely izay vao atao ao anaty pot.
Aza adino ny mividy hormnone mampivoaka ireo zana-pakany toy ny rooton-F sy ny sisa.

Ny principe-ny mantsy dia tadidio fa arakaraka ny zava-maniry dia tokony hifandanja foana ny velarany aty ambonin'ny tany sy ny ao ambanin'ny tany. (Rapport C/N) ny C=rivotra (ravina), ny N=zezika (faka).

Ka raha voasary dia arbres fruitiers tokony hanome rapport C/N ambany vao mamoha, iznay hoe be dia be ny N (zezika), na kely ny C (tailler-na na tsoahina ny ravina).

Dia arakarak'izay. Somary sarotra le mahazo ilay C/N fa tadiavo anaty internet fa cours iray taona mantsy io. :-*
5. soanja ( 11/06/2006 01:38)
Misaotra Fiffi sy Herimiafina a. Aleo fa jereko izany ireo dia lazaiko eto ihnay raha haiko na tsia. Toa sarotra ihany ny fahitako azy nefa ny zaho tsy dia manana fotoana firy loatra hikarakarana voninkazo. Andao fa ataoko tanjona io amin'ity taona ity. Ampitivana hatrany:-*:-*:-*:-*:-*:-*
6. Herimiafina ( 12/06/2006 17:32)
tsy misy fisaorana retsy ry soanja fa andrakandramo ao fa experiansa amin,ny fanaovana azy no tena mikaonty fa efa ireo ny règle general izany e!

Ny ahy indray izao ny tena tiako hatao ilay manalava faka fa te hamboly karazana anana sy vary aho ao amin'ilay renirano izay e.
Mety koa io na piscine efa tsy miasa intsony aza.
Toy ny any japon mantsy efa mamboly vary mitsikafona ambony rano izao. 6m ny halalain'ny fakany.
7. soanja ( 13/06/2006 01:23)
Marina ve ry Herimiafina? Mba lazao anay ao ny tohiny izany. Misaotra mialoha. Soanja
8. Fiffi ( 01/08/2006 09:20)
ny anandrano no efa nandramako nambolena :-D:-D fa tebna naniry an! fa tsy maintsy hafangaro ny ranon'orana sy robinet raha tsy zany tsy maniry.
soanja: de nanao ahoana akia zay ny bonzâi ?
9. soanja ( 10/08/2006 03:11)
Fiffi> Ny bonzai-ko tena tsy nety mihitsy aloha fa hadinon'ny tato an-trano no nikarakara azy moa zah lava tongotra. Fa rehefa hivers indray aho hamerina hanamboatra iray. Misaotra nanontany.
10. malalatinasoa ( 13/08/2006 03:53)
Ny ahy ndray tongolo no nandramako nambolena t@ rano fa nety, sady nitsiry faka be ilay izy. Isaky ny mila tongolomaintso aho dia eo fotsiny no maka.

Ny voninkazo no tena betsaka ambolena @ rano aty, fa ny vary mbola eny an-tanimbary ihany aloha no ankabetsahany hatramin'izao.

Ny bonzai mbola tsy nandramako, fa ande haka sopapa ngamba atsy ho atsy.
11. Herimiafina ( 13/08/2006 16:36)
Antsay! :-*
Mamboly tongolo an! :-*
12. Herimiafina ( 13/08/2006 22:13)
Bambou koa atao fa bambou tsara be. :wink:
13. malalatinasoa ( 14/08/2006 00:01)
Herimiafina:

Bambou koa atao fa bambou tsara be. :wink:

Manjary feno ny trano, aleo le kelikely reny ihany, he he
14. malalatinasoa ( 14/08/2006 02:26)
Herimiafina:

Antsay! :-*
Mamboly tongolo an! :-*



Ieuh, misy hohanina tsara @ zay, maimbomaimbo ery ny vava lol
15. andry08 ( 17/08/2006 11:35)
Tena resaka fa nahazo bambou maintso ao anaty gel aho ary mbola maniry ilay izy. Inona no hatao mba tsy hahamaina azy io?
Ilay bonzai dia efa hitako ny hatao fa misaotra:)
16. Herimiafina ( 17/08/2006 18:26)
Karakarao tsara fotsiny e! Mila rano kely ireny, juste mandomando, somary omeo hazavana sao mivadika mavomavo ny raviny, ataovy manakaiky varavarankely izany dia izay.
Inona no natioran'ilay gel haniriany? :roll:
17. andry08 ( 18/08/2006 09:02)
Tsy fantatro fa maintsomaintso ilay gel ary novidian-drizareo teny @ fleuriste izy io ka tsy haiko fa hitako fotsiny ny fakany mbola maniry ao anaty vazy transparent.:)
18. soanja ( 02/10/2006 04:03)
Nidoroboka be tsy hita atao ahoana re ny bonzaiko. Asa re ka nanao ahoana loatra! Ampio haingana raha mba misy afaka manampy. Azo tapahina ve ireny ravina tsy ilaiko ireny.
19. Fiffi ( 02/10/2006 20:49)
soanja: ka raha tsy tapahindry ange ireny ravina ireny tsy ho lasa bonzaï mihintsy le izy an! Tailléna daholo ireny ravina ireny ! aza misalasala mihintsy mi-tailler azy !
20. soanja ( 02/10/2006 20:54)
Ok Fiffi. Iay kay le izy. Zah mantsy nihevitra fa maniry miadana le plante fa tys hoe midoroboka be de tapatahina eo. Fa mba hoe hakana isaky ny misy maniry kely. Ilay izy saika lasa hazo midoroboka mihitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2379