Antsa tononkalo DOX ao amin’ny FIAP amin’ny 8 ora alina

1. Oully ( 22/05/2006 13:01)
Antsa tononkalo DOX ao amin’ny FIAP amin’ny 8 ora alina



Amin’ny 27 mey 2006 amin’ny 8 ora alina dia hisy antsan-tononkalo
hotanterahin’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa ao amin’ny FIAP, ao anatin’ny
„TAONA DOX” izay hahatsiarovana ny mpanoratra sy hanangonana ny
hoenti-manana amin’ny fanatanterahana ny tsangambatony eo Andohalo, any
Madagasikara. Izany dia fiaraha-miasa amin’ireo Taranaky ny Mpanoratra sy
ny mpanatanteraka ny hetsika Taona DOX.

Ny tapany voalohany amin'ny fotoana dia natokana ho an'ny olona rehetra te
hiantsa ny tononkalon'i Dox na iza na iza.

Tongava maro,


novalian'i soanja ny 10/06/2006 05:26
2. Oully ( 22/05/2006 15:29)
Adiresy:
FIAP JEAN MONNET - 30 rue Cabanis 75014 Paris - FRANCE - Métro: Glacière
3. era ( 23/05/2006 19:20)
dia ohatrinona kay ny vidim-pidirana amin'izany? misaotra
4. hasiniony ( 25/05/2006 06:02)
. . .
Raha maty aho ry lahy, ka ny iarafofonaiko
Ho saindain'ny rangolahy
Dia ho vovoka tokoa, ny hifoha indray: tsy haiko?
Fa hisy anefa pitik'afo, mety hahatsiarovana AHY!
. . .
5. dadabe ( 28/05/2006 10:54)
hummm!!:D
6. bichette ( 01/06/2006 06:03)
oully > nanaoa hono ny tany ? tantarao aminay :-*
7. soanja ( 10/06/2006 05:26)
Oully:

Antsa tononkalo DOX ao amin’ny FIAP amin’ny 8 ora alina



Amin’ny 27 mey 2006 amin’ny 8 ora alina dia hisy antsan-tononkalo
hotanterahin’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa ao amin’ny FIAP, ao anatin’ny
„TAONA DOX” izay hahatsiarovana ny mpanoratra sy hanangonana ny
hoenti-manana amin’ny fanatanterahana ny tsangambatony eo Andohalo, any
Madagasikara. Izany dia fiaraha-miasa amin’ireo Taranaky ny Mpanoratra sy
ny mpanatanteraka ny hetsika Taona DOX.

Ny tapany voalohany amin'ny fotoana dia natokana ho an'ny olona rehetra te
hiantsa ny tononkalon'i Dox na iza na iza.

Tongava maro,




Sao mba misy CD amidy any na DVD tamin'io Antsan'i Dox io azafady. Misaotra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2201