The Da Vinci Code: Hijery sa tsy hijery?

1. hery ( 21/05/2006 09:38)
Nivoaka teto Italie nanomboka tamin'ny zoma teto ny Codice Da Vinci, izay film anisan'ny be mpiresaka indrindra amin'izao fotoana izao. Miakatra anefa ny polemika momba an'io film io satria betsaka ireo kristianina no tsy manaiky ny sary omena an'i Jesoa ao anatin'ilay film... nanambady sy niteraka sns. Ary indrindra ilay resaka hoe afenin'ny Fiangonana izany fa fantany.

Miala bala mafy ry Ron Howard, mpanatontosa ny sarimihetsika, sy Tom Hanks, izay mpilalao ao anatiny, hoe tantara noforonina (fiction) fotsiny io fa tsy resaka fivavahana mihitsy ka tsy tokony hisy olana (raha misy olana tokoa mantsy dia tsy tafaverina ny vola be nolaniana). Dia hoy aho hoe, raha nanao tantaran'i Mahomet ry zalahy (inoako fa tsy ho sahy mihitsy), ka ohatra hoe Mahomet natao pedophile fotsiny (mety mitovitovy lanja amin'ny hoe Jesoa manambady angamba izany) dia hanaiky mora foana ve ny silamo raha lazaina hoe "tantara foronina fotsiny io fa aza tafitohina ianareo"? Inoako fa efa ady lehibe fahatelo no nipoaka

Koa hijery aho ve sa tsy hijery? Hijery aho fa tsy handoa vola any amin'ny Cinema. Rahampitso ihany aho dia hitady an'ireny DVD entin'ny mpanao pirates ireny dia hividy... 5 euros dia mahazo. Dia miaraka mijery eto izahay au lieu de mandany 15 euros any amin'ny salle. Eto Italia rahateo dia malaza io resaka io, tsy maintsy tonga eny amin'ny trottoir io film io satria misy mitondra camera any amin'ny salle manao copie (lafiny iray maha pays du tiers-monde an'i Italie io). Rehefa mahita aho dia ho ripper-ko dia hapetrako amin'ny eMule... inoako fa efa any ho any rahateo io. Raha misy mila dia hanaovako copies betsaka mihitsy. Izaho indray tsy hanao izay hampanankarena andry zalahy amina resaka polemika. Raha misy mila dia alefako paositra.

NB: Fiction fotsiny io paragraphe farany io fa sao dia gaga ny FBI an :-)

Nalaina tao amin'ny http://hery.blaogy.com/post/4/983

2. Fanja1 ( 21/05/2006 10:51)
za ndray aloha de tsy hijery fa miandry ilay izy mivoka canal+ raha avokanjy zareo ds 1 an e:)
3. Fiffi ( 21/05/2006 11:03)
mbola tsy ho ampy 1 taona de hivoaka io kah! zah koh taloha miheritreritra hoe handrasana 1 taona nefa mivoaka aloha hiany ! :)
4. Fanja1 ( 21/05/2006 11:07)
de aleo akia miandry an'izay Fiffi an!:D
5. Fiffi ( 21/05/2006 11:58)
fanja: ie ! asa raha nandinika ndry fa ao @ C+ HI-TECH no tena hahitana ny film malaza be ireny !:):-*
6. Fanja1 ( 21/05/2006 12:15)
Fiffi, ie ka C+ no aloha vola kou :):-*
7. soanja ( 21/05/2006 12:30)
hery:

Nivoaka teto Italie nanomboka tamin'ny zoma teto ny Codice Da Vinci, izay film anisan'ny be mpiresaka indrindra amin'izao fotoana izao. Miakatra anefa ny polemika momba an'io film io satria betsaka ireo kristianina no tsy manaiky ny sary omena an'i Jesoa ao anatin'ilay film... nanambady sy niteraka sns. Ary indrindra ilay resaka hoe afenin'ny Fiangonana izany fa fantany.

Miala bala mafy ry Ron Howard, mpanatontosa ny sarimihetsika, sy Tom Hanks, izay mpilalao ao anatiny, hoe tantara noforonina (fiction) fotsiny io fa tsy resaka fivavahana mihitsy ka tsy tokony hisy olana (raha misy olana tokoa mantsy dia tsy tafaverina ny vola be nolaniana). Dia hoy aho hoe, raha nanao tantaran'i Mahomet ry zalahy (inoako fa tsy ho sahy mihitsy), ka ohatra hoe Mahomet natao pedophile fotsiny (mety mitovitovy lanja amin'ny hoe Jesoa manambady angamba izany) dia hanaiky mora foana ve ny silamo raha lazaina hoe "tantara foronina fotsiny io fa aza tafitohina ianareo"? Inoako fa efa ady lehibe fahatelo no nipoaka

Koa hijery aho ve sa tsy hijery? Hijery aho fa tsy handoa vola any amin'ny Cinema. Rahampitso ihany aho dia hitady an'ireny DVD entin'ny mpanao pirates ireny dia hividy... 5 euros dia mahazo. Dia miaraka mijery eto izahay au lieu de mandany 15 euros any amin'ny salle. Eto Italia rahateo dia malaza io resaka io, tsy maintsy tonga eny amin'ny trottoir io film io satria misy mitondra camera any amin'ny salle manao copie (lafiny iray maha pays du tiers-monde an'i Italie io). Rehefa mahita aho dia ho ripper-ko dia hapetrako amin'ny eMule... inoako fa efa any ho any rahateo io. Raha misy mila dia hanaovako copies betsaka mihitsy. Izaho indray tsy hanao izay hampanankarena andry zalahy amina resaka polemika. Raha misy mila dia alefako paositra.

NB: Fiction fotsiny io paragraphe farany io fa sao dia gaga ny FBI an :-)

Nalaina tao amin'ny http://hery.blaogy.com/post/4/983




Efa nijery an'ilay Film aho sady efa namaky an'ilay boky (izay tsara lavitra noho ilay film) fa tsy mampiontsona ny finoako akory. Eritreretiko fotsiny resaka ka atao. Fa dia variana tokoa aloha aho saingy tsy mahazo ny volako izy; nindramiko daholo ireo boky sy ny film.


8. dadabe ( 21/05/2006 12:37)
efa hitako t@ NATIONAL GEOGRAPHIC CHANNEL io le
9. Fiffi ( 21/05/2006 12:45)
extrait fotsiny ny tao koh!
10. Simpona ( 21/05/2006 13:00)
Ny Da Vinci Code dia efa nalaza B tam vao nivoaka boky (tam taon-dasa raha tsy diso aho), saingy mety mbola tsy tsikaritry ny Cinéphile loatra de tsy nisy polémique. Efa namaky boky iray nosoratan'i Dan Brown (auteur de Da Vinci Code) taorian'io Da Vinci Code io za (Angels and Demons no titre)ary tena mahaliana B ny fomba fanoratany tantara.
Raha ny filazany tamin'ny boky dia niresaka ary nahazo alalana tam Papa Jean Paul II izy tamin'ny fanoratana ny boky (Angels and Demons).
Ho ahy manokana aloha dia tiako ho vakiana ilay boky Da Vinci Code zay vao mijery film saingy tsy mba hitako eto dago io Boky io ary mino aho fa ny film no tonga aloha.
Izaho manokana dia liana B amin'ny asa soratr'i Dan Brown
11. sipagasy ( 21/05/2006 13:10)
izaho koa namaky ilay boky ary nijery ilay film fa tsara lavitra ny boky hihihi nohon'ny film, fa tsy mampiova ahy eo @ finoako aloha ilay izy e! hihihih
12. vancleef ( 21/05/2006 14:35)
Izaho aloha dia tsy hijery azy any @ salle sady efa tsy nividy an'ilay boky. Ny antony ? Tsy te hampanan'karena bebe kokoa an'i zareo aho. Sady tsy mila mividy azy 5€ zany hampanan'karena ny pirates koa, amin'izay efa mivoaka amin'ny .torrent ilay izy amin'ny eny anglisy, rainimboto sy ny sisa.
Miakatra anefa ny polemika momba an'io film io satria betsaka ireo kristianina no tsy manaiky ny sary omena an'i Jesoa ao anatin'ilay film... nanambady sy niteraka sns. Ary indrindra ilay resaka hoe afenin'ny Fiangonana izany fa fantany.

Momban'ny polemika kosa aho aloha dia manjay anjara fa tsy amin'ny Da Vinci Code ihany fa ohatra i Jacques rahalahan'i Jesosy sy nanana mpiraitampo ve i Jesosy izay tsy ekeny i Roma sy zavatra maro hafa. Zavatra lalina be laotra izany ary resaka an'ilay film Da Vinci Code fotsiny eto dia tsy te hanao polemika be aho

13. Fiffi ( 21/05/2006 16:27)
zah koa aloha de tsy hanao polemika @ io eh! ny finoako iray zay hiany no hamafisiko de ampy ahy! :)
14. vale ( 21/05/2006 16:38)
lay izy koa mody sarontsaromana an'io hoe film fotsiny sns, fa naninona ary no nasiana émission spécial mihintsy izy io (tao @ M6) asa ianareo raha nahita iny ,efa t@ herintaona(vao nanomboka nivoaka ilay boky), dia aseho eo daholo ny porofo isan-karazany fa niaraka i maria magdalena sy jesoa, santionany io, izany hoe t@ tompo nanome ny kalisy talohan'ny hanombohana azy izany dia teo anilany koa i maria magdalena fa "hono" nafenina izany!!ary dia nasehondry zareo teo mihintsy ilay sary,misy an'i maria magdalena miankin-doha t@ jesoa!:x

Fanaovana lavage de cerveau io resaka da vinci code io na boky io na ciné, fa zah ko aloha dia tsy voatarika hino izay voalaza izany e.

ankoatr'izay kosa dia lina aho hijery ilay film aho ahitako tsara izay mba tena "tantara" ao anatin'ilay izy!
fa mbola hamafisiko fa ilay émission hitako izay aloha dia tena mampiseho toerana, olona manao vavolombelona, fikarohana sns, ny fahamarinan'ilay hoe ny tompo nanambady eh! dia hita koa fa te handresy lahatra mafy ny mpijery ry zareo t@ izay!
15. zandikely ( 21/05/2006 21:04)
Vale: ka io resaka porofo io indrindra no tsy misy.

Zaho mba liana ihany namaky ilay izy fa kivy aho rehefa nijery ny sources nampiasainy Dan Brown. Dia boly telo ihany no mba sources nampiasainy:

-L'Énigme Sacrée de Michae Baigent, Richard et Henry Lincoln
-La Révélation des Templiers, de Lynn Picknett et Clive Prince
-La Femme à la Jarre d'Albâtre, de Margaret Starbird

Io boky telo tahaka io ve dia hahafahana manohitra zavatra manantara mihoatrin'ny 2000 taona. Dia hoy aho hoe tena fiction tokoa ilay.
Misy moa milaza fa nanao plagiat tamin'io boky 3 io mihitsy i Dan Brown na dia nafahany tribunal britanique ihany moa izy tamin'izany fiampangana izany.
Mety resaka fitadiavam-bola no tena betsaka amin'ilay izy, satria malaza be ilay satria miteny zavatra mifanohitra amin'ny zavatra ampianarin'ny Eglise, soa ihany fa tsy tahaka ny silamo sasany ireo kristianina, ka miaina amim-pilaminana ihany i Dan Brown.
16. Herimiafina ( 21/05/2006 21:20)
Ary toa malaza be hoa ity film ity n'aiza n'aiza e!
Aleoko manaraka ny OD ihany klé! Raha afaka mijery de mijery fa tsy hanova ny finoako sanatria! :-*
17. diamondra27 ( 21/05/2006 22:41)
ary tsy narahinareo angaha le tao @ M6 sy arte ary La 5; nisy fanazavana be ange momnba an'io e!

alefao ary ny debat ao @ le hoe: jésus est-il marié e!

fa mandrapa aloha dia aleo hijery film koa dia hitohy ny lanonana eto
18. cutie ( 22/05/2006 00:13)
nivoka t@ ty WE ty fa za tsy handeha hijery handany vola any :-D:-D:-D:-D
19. tovolahy007 ( 22/05/2006 01:10)
manaoana e!
Za vao omaly no nijery an'io film io ,tany @ salle,mahaliana iany le izy ary tsy araky ny nampoiziko koa fa saingy tsss toa tantara iany marina ka tantara,satria dia hoe ao Paris ao no mipetraka ny vatan'i Marie Magdalene,dia misy sipa 1 izay zany no hoe taranaka iray sisa tavela izay taranaky Jesoa.Mitovy ny film ny Indiana Jones no fahitako azy e.
20. vale ( 22/05/2006 13:45)
diamondra>:-* avelao akia ry zareo hanazava izay tiany any fa za indray aloha an, dia tsy mba ho voan'ny lavage de cerveau andreo zany,,,,ho an'izay tsy mino an'andriamanitra nge zarany aza nisy an'iny film iny hanararaotana eh:wink:

marina fa film = tantara noforonina,,,,fa maninona no hanaovana émission manokana mihintsy? >> tsy ny film no hadihadiany @ izany fa dia manao fikarohana tsotr'izao,:-w

dia ny mahasosotra ahy koa ilay teny ao anatin'ilay film io hoe: "oubliez ce que vous avez lu(hoe ny baiboly zany io), ne croyez pas ce que vous avez entendu":x
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2548