développement durable

1. mandrindra ( 17/05/2006 09:27)
resabe esty sy eroa ny mikasika azy ao tato ho ato; inn marina io tantara io ry zareo? ny tanjona, ny fampiharana azy ny fiatraikany?
novalian'i prime ny 22/06/2006 10:24
2. tangalamaitso ( 17/05/2006 09:44)
Fampandrosoana maharitra e!
Raha ny fahazoako azy bado be ity aloha dia hoe: ilay fampandrosoana izay hatao, dia hitondra voka-tsoa maharitra sy mijery ladidavitra kokoa mitaha @ fampandrosoana tsotra (izany hoe tsy misy ilay teny hoe "maharitra" ao aorinany. Azonareo ve aloha izany lazaiko izany ?:):):) Mety hisy mantsy fampandrosoana tsy mitsinjo lavitra ary mety hitondra voka-dratsy mihitsy aza. Misy fifamatorany @ resaka tontolo iainan'ny olona ihany koa io resaka fampandrosoana maharitra io. Misy fampandrosoana mety hiteraka fahasimban'ny tontolo iainana, hany ka tsy haharitra loatra. Izay aloha fa sao mavesatra be e! Alefao indray ny avy any aminareo
3. lemenakely ( 17/05/2006 09:49)
Tsara daholo anie izay programme nisy hatrizay e fa ny fanatanterahana no baraingo lehibe.Lasa discours entre sourd et muet ilay izy.Resak'adala izay tanety sy ala raha tsy misy dràla ...hoy ilay mpanankato iray izay!!!
4. toovs ( 17/05/2006 10:38)
mila mamokatra am fomba tsy mandreraka koa ange vao miy ny fandrosoantsika e. Ra angady sy angadin'omby ohatra iray am fambolena dia tsy hitondra antsika mankaiza fa de tsy hahavita tena ara-tsakafo sady no manafatra vary avy any ivelany foana de miakatra foana koa ny devizy e.
5. ratahx ( 17/05/2006 10:57)
Développement durable hoe!!!!! Izy io anie ry zalahy efa ela no nipetraka fa ny fomba fiteny azy fotsiny no novaina kely foana eh! Efa nanomboka tany amin'ny Protocole de Kyoto tany izy io, nandalo ny Conférence de Rio ary nitohy tamin'iny tany Johanesburg iny: Sommet mondiale pour le développement durable na ny S.M.D.D. Tamin'iny nolazaina hoe hampitomboina 6 million d'héctare ny velaran'ny ala ho arovana. Marina fa mety sy teti-kasa tsara ny miaro ny tontolo hiainana fa izao kosa eh taha tiana haharitra izy dia mba asiana "mesures d'accompagnement" izay vao durable le zavatra. Misy mantsy ny olona miaro ny tontolo iainana de ireo izay mijery avy eny ambony birao fotsiny fa tsy mahafantatra ny olana misy eny amin'ny terrain. Milaza ry zalahy hoe aza dorana ny ala ohatra? nefa ireo olona ireo hatramin'ny razambe-ny nanao charbon daholo ary manana tany misy Eucalyptus maniry izy. Tsy maninona raha tsy dorana ny ala, tsara izany, fa mba jerena ihany koa hoe inona no mampaharitra ny fiarovana azy sy hoe inona no mba hiveloman'ny olona mipetraka manodidina eo.
Fantantsika fa nisy ireny PAE ireny, tao anatiny nisy ny programme Gelose ohatra. Tsara daholo anie ireny eh! fa rehefa jerena ny tokony hampaharitra ilay teti-kasa de aleo mba jerena koa hoe inona no hataon'ireo olona ireo hamelomany ny ankohonany.
Tsarovy fa tsy misy développement raha tsy misy consérvation, ary tsy misy consérvation raha tsy misy développement. Tsy afa misaraka ireo roa ireo.
Tsarovy koa anie fa io ala hipetrahantsika io anie de lova ho an'ny taranatsika eh!ary izy ireo no mampindrana izany amintsika izao.
Dikan'izany mila ny toe-tsain'ny tsirairay avy aloha no mila fiovana sy fanampiana zay vao mandeha io.
Ty resaka ity tsy ho vita raha halalinina fa amin'ny manaraka indray eh!
6. arson ( 17/05/2006 11:47)
oay!dissertation anay teny an-katso io.t@ izany fotoana izany.
:-D:-D:-D:-D
7. arson ( 17/05/2006 11:48)
oay!dissertation anay teny an-katso io.t@ izany fotoana izany.
:-D:-D:-D:-D
8. Fiffi ( 17/05/2006 13:38)
zany an ?
9. ratahx ( 18/05/2006 05:02)
Zany nanao dissertation an'io zany zao no tena be ambara amin'io loha-hevitra io.
10. tangalamaitso ( 18/05/2006 08:37)
Alefaso tokoa hoe ilay "dissertation" hojerena. Sao mba any no isintonana ny tena fanazavàna ity "développement durable ity". Aleo ifampizaràna izany "dissertation"-nareo izany fa sao mahasoa e! Misaotra mialoha.
11. rasah ( 19/05/2006 11:25)
ny "développement durable" amiko dia fampandrosoana mijery akaiky ny fikajiana ny tontolo ianaina mba tsy ho lanilaniana fahantany na trandrahana @ gaboraraka , mitsinjo ny hoavin'ireo taranaka any afara
12. mandrindra ( 19/05/2006 11:36)
toa tsy ny tontolo iainana ihany anie no tsinjovina amin'izy io e. toa ao koa ny demografia, ny ekonomia, ny sosialy ...
13. ratahx ( 20/05/2006 03:39)
Aiza le dissertation eh!
14. prime ( 24/05/2006 05:30)
Dissert - Dissert - Dissert!!!! :lol:
Efa voavaly kosa angamba ilay fanontaniana e!
Ny anitsiako kely ny kôzin'i mandrindra "toa tsy ny tontolo iainana ihany anie no tsinjovina amin'izy io e. toa ao koa ny demografia, ny ekonomia, ny sosialy ..." dia ny tontolo iainana dia tsy ny zavaboahary loatra amin'ny ankapobeny no tiana tsinjovina fa ny "olombelona sy ny hoaviny". Ka raha vao miresaka tontolo iainana dia voakasika ao daholo na ara-demografia, na ara-ekonomika, na ara-politika na ara-kolontsaina satria mandrindra ny fiainan'ny olombelona sy ny hoaviny daholo izany. Ny zavaboahary dia fitaovana fotsiny ilain'ny olombelona hahatsara ny fiainany sy ny fari-piainany.
Na ny baiboly aza anie mamaritra izany fa isika no mpanjakan'ny zavaboahary e!
Fa ny manahirana amin'ny maha "durable" azy dia ny fitsinjovana ny hoavin'ny taranaka. Voalazan'i rasah ao ambony ao. Satria sarotra mihitsy ny mikajy fitrandrahana ankehitriny ilaina izao dia izao sy itsinjovana ihany koa ny ny an'ny taranaka. Ilay ilain'ny taranaka mantsy tsy fantatra hoe hatraiza, inona marina sns... izany hoe mila mahay maminany mihitsy izay mpitrandraka ny zavaboahary ankehitriny. Ka na tsara tantana aza tsy fantatra hoe ilain'ny taranaka ve izany??? Tena katro-doha mihitsin'ny manam-pahaizana ankehitriny io.
15. LazaRandri ( 25/05/2006 00:58)
hafiriana aloha ilay hoe "durable" ry mandrindra? Amiko mantsy dia tsy misy "durable" izany afa-tsy ny Eternel ihany.
Amen? :)
16. kolokanto ( 25/05/2006 22:21)
Ny hevitra entin'ny développement durable dia efa nisy tany @ andro fahagola fa saingy taty @ tapaky ny taon-jato faha XX izy vao nanomboka niseho lany. Izany hoe t@ taona faha 60 tany ho any. Ny fahatsapan'ny olombelona fa miha simba ny tontolo iainana vokatry ny zavatra ataontsika zanak'olombelona ihany no nivoahan'ny hevitra hoe andao arovana ny tontolo iainana. Maro ireo conférence natao momba izany fiarovana tontolo iainana izany fa t@ 1987 tao aorian'ny fivorian'ny manampahaizana eran-tany maromaro no nivoaka t@ "rapport Brundtland" ny teny hoe développement durable. Izany hoe "fampandrosoana mamaly ny fitadiavan'ny (besoin) ankehitriny anefa tsy manimba ny fahafahan'ny taranaka any aoriana miantoka fitadiavany". Izy io dia tsy resaka tontolo iainana ihany fa hatr@ sosialy ary ekonomika (nisy namana iray nilaza teo fa ny tontolo iainana dia mahafehy ireo marina izany saingy mba hampazava azy @ olona dia ilaina ny mampiavaka azy). Ny olona tsirairay na dia ny faran'ny mahantra indrindra aza dia afaka mampihatra io fampandrosoana maharitra io @ fiainany.
Ohatra tsotra raha nanapaka hazo iray ianao any ambanivohitra anaovana kitay, dia mambole hazo 5 na 10 aza hanonerana izany. Fomba sy fihetsika tsotsotra ohatra fanariana fako any @ fanariam-pako ...Tsy mitady zavatra goavana be izy io fa mikasika antsika rehetra ary vitantsika rehetra raha misy ny finiavana.
17. prime ( 02/06/2006 12:14)
Ny tena manahirana indrindra amin'izy io anie, marina fa miainga tokoa amin'ny finiavana, fa ny mamaly ny fanontaniana hoe : moa ilay hazo folo novoleko iny ilain'ny taranako hiaina amin'ny taon-jato faha 30 ohatra??? fa mety ho gaga ry zareo hoe mba adala koa ny razam-bentsika izany dia izany no namakiany loha nefa ny an'ny amerikana efa ny hanao fitsangatsanganana eny amin'ny planeta marsa no niriany dia tanteraka, ka na simba aza ny tany mbola misy toerana hafa azo iainana tsara...:-P
18. Herimiafina ( 02/06/2006 14:39)
Rha manahira ity developpement durabla ity ry zareo an! Utopique.
19. Fiffi ( 03/06/2006 11:20)
heu...
20. prime ( 22/06/2006 10:24)
Fiffi> heu... quoi????!!!:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5448