Mety ny ataon'ingahy DE HAULMES !....

1. 4mimananelatra ( 11/05/2006 12:25)
Ho antsika izay mandalo ka mahita ny réserve privén'ingahy DE HAULMES ao Tuléar angamba dia mbà tonga saina ihany .Ingahy DE HAULMES moa dia voanjo ary niori-ponenana eto Madagasikara ary mbola manohy ny asa taloha toy ny fanondrànana taretra sy ny voly samihafa ...
Manana réserves misy biby maro be tokoa rangahy io àry lafo dia lafo ny manao visite ao presque vazaha daholo no clients- ny.Raha nanontaniana moa izy dia ny antony dia mampalahelo ahy hoy izy ny mahita ny malagasy mandoro ala lava izao hany ka maty ireo biby tsy manan-tsiny.Ka dieny mbola tsy tara dia aleo aho hanorina parc privé sao tara loatra.
Maro ireo biby sy zava-maniry tsy fahita eto MADAGASIKARA no potika sy may noho ny doro tanety ataon'ireo tsivanona,misy koa ny exportation-na biby izay misy manao ary mihamihèna ireo harenan'ny firenéna.

Tompony hangataka atiny isika mianakavy raha izao no mitohy ka na ireo taranaka any aoriana aza dia hampalahelo fa raha te hijery ireo biby dia tsy hahita intsony fa lafo be raha hahita ary.
novalian'i prime ny 18/07/2006 12:48
2. Optik ( 13/05/2006 17:00)
mba manova koa ôtr'azy e!
3. tangalamaitso ( 15/05/2006 08:46)
I optik aloha dia isan'ireo olona mpamporisika fotsiny e! Sa ahoana ry 4mimananelatra! Hi! hi! hi!
Fa inona tokoa aloha izao no azontsika hatao e! Dia ahoana no hanaovansika azy? Sao dia mba misy soso-kevitra any amin'i Optik?
4. ratahx ( 17/05/2006 11:09)
Mamporisika anao aho mba jereo koa ny consession an'io rangahy io ao Kirindy Morondava de ho hitanao eo. Manana toerana fambolena taretra, voanjo izy ao. Misy toerana fiompiana sokatra raha tsy hiteny afa-tsy ny Pixis arachnoides sy ny Pixis planicauda izay tsy fahita raha tsy amin'iny toerana iny.
Raha jerenao anefa de tafiditra ao anatin'ny ala tokony harovana ny toerana misy azy. Satria raha mijery saritany dia hita fa eo afovoan'ny ala mihitsy: Kirindy sy ny any Tsimafana any, iny amin'ny lalana mankany Belo sur Tsiribihina any iny. Ny tsara amin'ny zavatra nataony fotsiny de izy manome asa ny mponina manodidina.
Marina ny anao hoe tompony mangataka atiny isika satria nahoana: isika Malagasy anie tsy manana ny vola ho enti-manana hanokafana valan-java boary manokana izany raha tsy hoe misy mpanohana avy any ivelany eh!
Ny fahaizana misy, fa ny fitaovana sy ny vola tsy eo. Ahoana moa no tsy ny vazaha no hanao azy. Isik
5. arson ( 17/05/2006 11:36)
marina mihitsy izany.avalao hanao izay manao fa ny hetra anie miditra hoantsika ihany e!
6. ratahx ( 18/05/2006 05:06)
Raha raisina resaka hetra lesy le izy de lasa fitiavam-bola fotsiny ah! De tonga amin'iza rehefa avy eo hoe profiteurs isika Malagasy. Fa aleo aloha ny fikajiana ny tontolo iainana no jerena voalohany. Eo ihany koa ny fiainan'ireo olona manodidina ireo. Lay hetra aloha ve anefa koa tonga tanteraka any amin'ny population locale sa nivily lalana teny ampanidinana teny. Saintsaino sy dinidiniho fa aza maka rirany be sahala amin'izany.
7. tangalamaitso ( 18/05/2006 08:31)
Tsy misy maha ratsy ny maka tahaka raha toa ka tsara ilay zavatra alaina tahaka. Tandremo ihankoa anefa fa sao io DE HAULMES no halaza fa tsy ilay asa fikajiana ny tontolo iainana. Aleo mba indraindraina koa ny Malagasy satria efa maro ireo fikambanana mijoro miaro izany tontolo iainana izany, eny fa na dia mbola tsy ohatry ny vitan'i De Haulmes aza. Misy an'izay Association MADSONW (Madagascar Save Our atural Wealth)izay izao any fantatro fa miezaka mafy @ fanabeazana ny tanora malagasy hirona any @ fanomezan-danja sy fikolokoloana ny tontolo iainana. Manamora ny fahafahan'ireo tanora ireo mandeha mitsidika ireny toerana manan-tantara sy valan-javaboary voaaro ireny ry zareo. Ao aorinan'ireny fitsidihana ireny, dia lasa hahatsapa ny maha zava-dehibe ny tontolo iainana ilay tanora, dia ho tia io tontolo iainana io, ary avy eo dia ho saro-piaro tanteraka. Rehefa any aorina ka manan-katao izy, dia inoako marina fa hanao asa hiarovana izany tontolo iainana izany. Na dia izay fotsina aza aloha dia efa zava-dehibe.
8. ratahx ( 18/05/2006 10:22)
Mba hampahafantaro anay izany association'nareo izany eh! Sao dia mba misy afaka hanapianay azy. Satria ity resaka fiarovana ny tontolo iainana ity anie misandrahaka be eh!
9. tangalamaitso ( 19/05/2006 09:37)
Ny vaovao fantatro farany izao mikasika ny hetsika ataon'io MADSONW io, dia vao avy nitsidika ny faritr'Ankaratra (Ambatolampy - Ankaratra - Tsinjoarivo) ry zalahy. Any @ voalohandohan'ny volana Aogositra any, dia mikasa ny hitondra tanora malagasy hitsidika ny faritra avaratra indray ry zareo. Inty ny adiresy mailakan'ny Filohan'io Madsonw io (Njaka no anarany) dia aza misalasala mifanoratra aminy manontany izay tian'i ratahx ho fantatra fa bandy tanora tena tia mifanerasera aman'olona io Filoha io. Inty ilay adiresy: badada1103@yahoo.fr. Izaho koa hiezaka hitrandraka vaovao fanampiny dia omeko ihany i ratahx.
10. ratahx ( 20/05/2006 03:41)
OK lesy misaotra betsaka eh!
11. Solitikabe ( 15/07/2006 00:35)
Ary tsy hitan'i 4mimananelatra angaha hoe efa firy ha ny ala naripak'i De Haulmes tamin'ny fambolena taretra nataony hatramin'izay?
Toerana roa lehibe no efa lasa ngazana tsy azo ambolena na inona na inona intsony: Any Morondava ny iray, ary eo Antongobory ny iray. Ny fahatelo kay eo atsimon'Amboasary ihany. Saingy tsy tadidiko ny anarany.
Tsy haiko na ny fanagadrana ny fokontany Tandroy eo Berenty, sy ny fakana ny taniny no ataonao hoe fahombiazana amin'ny fizahantany na ahoana? Fa ireny nasehony ireny dia fanakonana fotsiny. Ndriantany moa ny anarany gasy fa tsy Dehaulmes intsony.
12. prime ( 18/07/2006 12:48)
:{:{
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1281