VOLAM-PIANGONANA AVY DIA MISY MANODINA!!!!

1. xxx ( 25/04/2006 11:43)
Mahavariana mihintsy ny fisainan'ireo olona sasany @ izao fotoana izao noho ny hamafisan'ny fiainana!!zava-niseho ary scandale en pleine messe herintaona lasa izay tao @ fiangonana KATOLIKA iray tao AMBOHIMANARINA,nandritra ny vaovaom-piangonana !!ary nivoaka gazety mihintsy moa ny alatsinainy marain'iny ihany .Nisy olona maromaro voatonona anarana mpanodikodina ny volam-piangonana sy ireo fanampiana (aides,dons)avy any ivelany :toy ny fripperies,ny vola,fanafody...àry ny nahatsikaiky dia hatramin'ilay mpitandrina tao koa..

IZAY ATAONAREO @ MAHANTRA DIA ATAONAREO AHY ao @ baiboly no misy an'izany !!!ary ao anatin'ny didy 10 koa ny hoe AZA MANGALATRA !!nefa mahagaga fa tsy izany no misy ...dia ho gaga ve isika raha mahazo vahana ny atao hoe SECTES eto MADAGASIKARA !!trafon-kéna ome-mahery tompokolahy sy tompokovavy am-bava homana am-po mieritreritra.
novalian'i niryna ny 09/12/2006 04:24
2. sonwin ( 25/04/2006 12:24)
ié sady any amin'ny secte ny vola tsy misy mihodina fa any ampaosin'ilay pasitera mpitarika daholo :°).
3. cutie ( 25/04/2006 12:26)
VOLAM-PIANGONANA AVY DIA MISY MANODINA!!!!

zao ve vo arakao zany 8O
4. xxx ( 25/04/2006 12:26)
izay mihintsy aleloia ! marian ny anao ry fréra sonwin
5. Herimiafina ( 25/04/2006 13:11)
Ka tsy Olo-masina anei na Anjely no mpiangona ao fa olona mbola beazina daholo e! Normale be amiko raha hita any izany toetran'olombelona izany.

Ny Fiangonana mantsy tsy an'ny Anjely na olo-marina fotsiny na ny efa voavonjy, ao foana ny mpanota. Andriamanitra dia tsy azo tarafana eny amin,ny ataon'ireo mpiangona.

Ka na aiza ianao na aiza rehefa mbola eto antany dia tsy ilaozan'izany zavatra izany! :@
6. vale ( 25/04/2006 20:19)
sonwin>:-D
7. xxx ( 26/04/2006 04:12)
sw> ny any amin'ny secte ange izany mba tonga a destination e! Tsy voafitaka ny olona nanome ilay vola amin'izay!
8. xxx ( 26/04/2006 05:30)
1 - Io efa tenenin'i Herimiafina io ry xxx an!

2 - Tsy ny zavatra tsy mety nataon'ny mpitantana ny fiangonana koa no atao fialana tsiny na hitenenana hoe dia ho gaga ve isika raha mahazo vahana ny atao hoe SECTES eto MADAGASIKARA. Rehefa tsy nifantoka tamin'ny finoana narahiny ny olona mantsy matetika, dia tadiaviny daholo ny tsinin'ny mpitondra fivavahana na mpitantana ny fiangonana, hanadiovana ny eritreritra sy aparitaka atao excuses. Dia averina indray fa tsy anjely ireo mpitantana ireo, ka sao ho lany andro hiova fiangonana sy hanome tsiny olona fa tsy hifototra amin'ny tena finoana!

3 - Amin'ny lafiny iray koa, amin'ny ankapobeny, rehefa malaza ianao, na miseho ho tsy azo ozongozonina, na mafy orina ... dia mifantoka aminao kokoa ny haino aman-jery. Mety misy mijery ny tsara ao aminao, tsy vitsy koa nefa no faly mikororoka izay tsiny kely anananao.
9. hery ( 26/04/2006 09:15)
Dia maninona koa anefa raha mandeha any amin'ny sekta? Mandehana any daholo raha izay no mahafalifaly :-)

Ny ahy raha olona tsy ilazàna no mety ho voka-dratsin'ny sekta no lasa any dia mampalahelo ahy satria mety ho manipulés fotsiny. Fa raha olona tonga saina tsara, efa ilazana ny izao sy izao, efa aseho azy daholo ny olana, ary misy ireo ex-adeptes efa milaza ny nanjo azy tany kanefa mbola mandeha any amin'ny sectes ihany dia soava tsarà... raisinay ihany rehefa miverina avy any :-) (Sitra-po manahirana)

Marina fa betsaka ny zavatra tsy mety (eo anivon'ny fiangonana isanisany) fa tsy izany no hanaovana menace isanandro izao hoe ho any @ sekta izahay e, tsy hivavaka izahay e... ohatran'ny hoe misy manery hoe mivavaha. Tombon-tsoa io. Raha mahita tombony mivavaka sy miandry tombony any aoriana vokatry ny fivavahana sy finoana... dia tohizo. Raha tsy mahita sy mahasahy ny hizaka ny vokany (na tsara na ratsy) dia aza mivavaka :-)
10. cutie ( 26/04/2006 10:56)
Mpandefa : sonwin [ Valio ] 25-04-2006 17:24:02
Lohateny : Re : VOLAM-PIANGONANA AVY DIA MISY MANODINA!!!!
ié sady any amin'ny secte ny vola tsy misy mihodina fa any ampaosin'ilay pasitera mpitarika daholo .
tsy efa mihodina ihany ve zany :-D
11. ari.malala ( 26/04/2006 11:53)
voalaza fa fiangonana katolika le izy nefa tô misy resaka mpitandrina, aiza ihanyary zany!
12. petsambava ( 26/04/2006 14:25)
mon pére re mpitandrina ihany a!!
13. pissoa ( 27/04/2006 06:20)
Dia ny mpitandrina koa ve mopera ihany? :-w:-w
14. methode ( 27/04/2006 06:56)
Toa tsy mahafantatra momba ny firafitry ny fiangonana katolika ilay mpitantara raha io resaka mpitandrina io no lazaina ko! Satria sady tsy izany no fiantsoana ny mopera no tsy mitam-bolam-piangonana izy ka fomba ahoana no hanodikodinany volam-piangonana? Misy mpitam-bola, lahika tsotra amin'ny fiangonana tsirairay avy ary misy maromaro ny mpanamarina ny kaonty.
Izy ity koa tokony resaka vita tao amin'ilay fiangonana raha ny tena marina satria fianakaviana iray ny fiangonana. Ireo nitantara tany ivelany amiko dia mahatsapa tsy ho isan'ny fianakaviana.
15. cutie ( 27/04/2006 09:35)
ka nga tsy nivoaka gazety zany io 8O
16. Herimiafina ( 27/04/2006 13:56)
pissoa:

Dia ny mpitandrina koa ve mopera ihany? :-w:-w


Fakafakao tsara aloha ny dikan,ny Teny hoe Mpitandrina.


17. pissoa ( 28/04/2006 05:38)
Ka efa hoe mopera ihany ve izany? :-w:-w
18. methode ( 29/04/2006 14:05)
cutie: Matoa nivoaka gazety ilay izy dia tsy maintsy olona avy ao amin'ilay fiangonana ihany izany no namoaka azy raha nisy marina ilay izy.
pissoa: Tsy haiko satria tsy vocabulaire fampiasa ao amin'ny fiangonana katolika ny hoe: Mpitandrina, fa ny hoe Pasteur amin'ny teny frantsay ao amin'ny fiangonana katolika dia ilazana ny Eveka matetika. Avaka manome fanazavana izay mahalala kokoa fa tsy feno ny fahalalako!
19. cutie ( 29/04/2006 14:24)
methode de refa nivoaka gazety zany de marina le zavatra nitranga tao sa tsy zany :oops:
20. methode ( 29/04/2006 17:09)
cutie: Tsy voatery ho marina na nivoaka gazety aza! Firifiry ny zavatra lainga sy resaka ampitomboina amin'ny gazety! Resaka commerce io amin'izay be mpividy ny gazety. Avy eo mody miala tsiny kely fotsiny de vita! hihihihi!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3659