NY FIFAMOIVOZANA ETO ANTANANARIVO MILA HENTITRA!..

1. xxx ( 15/04/2006 08:06)
Ekena fa efa misy fanatsaràna ny làlana fa na eo aza izany mbola misy faritra maro ahitàna fitohànana noho ny tsy fanaran-dalàna maro ...

jereo ohatra ny ataon'ny sarety
http://www.01madagascar.net/images/news/gf/012P9170020.jpg
ao koa ny tsy firaharahiana tsotra izao jereo ny ataon'ity 4l sady efa miban-dàlana no manao fatra-tsaonjo
http://www.01madagascar.net/images/news/gf/012P9170030.jpg
na jereo koa ny ataon'ity posiposy
http://www.madanight.com/madagascar-photo-17734.htm
misy koa hadisoana ataon'ireo mpitondra fiara mbola tsy misy auto-route anie any dago e!!
http://www.01madagascar.net/images/news/gf/018-route-05.jpg
novalian'i booboo ny 10/05/2006 10:36
2. Fiffi ( 15/04/2006 08:57)
ra jerena tsara aloha izy ireo dia ny 1er: tsy hitako izay olana satria ilay sarety maninona nefa io zao ? ka @ fomba ahoana aza no andeha hitanterany ireo hazo ireo ? sady tsy hoe feno be mihoatran'ny tsy hita maso!
Ny faha 2 kosa aloha dia io 4l io dia tsy lasa satria tena ahazahoan-doza mihintsy izao a,
Ny faha 3 kosa io posiposy io aloha dia tena gravy be eh! tena tsy miheritreritra mihintsy ilay olona fa dia gravy io eh!
Ny faha 4 kosa dia tsy hitako izay hidiran'ny autoroute @ io ! ok ! hoe mi-depasse izy fa hita aloha fa tsy misy fiara mihinsy eo @ ho avy an!
Na izany na tsy izany anefa dia tokony hasiana fitandremana mihintsy izao zavatra hita izao.
3. xxx ( 21/04/2006 12:02)
ka manginy fotsiny reo fa ao ny olona eny amin ny arabe fa tsy trottoir intsony , raha klaxoner nao izy de ompa no avaliny hoe aza miseho milay raha mitondra vam
ao ny manapaka amin zay tiany , ny bisikileta amin ny alina tsy misy deflecteur akory , reo posy hitanao feno entana io amin ny hariva mandeha tsy misy lanterne na deflecteur
ny sasany miova couloir na mianga tsy manisy clignotant akory fa mihodina tampoka fotsiny amin zao
ny sasany efa embouteillage mbola mahita hisongona manapaka ligne continue de avy eo misika mise rabattre fotsiny zao .

ary mahagaga fa ny eto antananarivo ihany no misy an io hoe samy te ho be saina daholo ny rehetra no tsy matahotra accident na fiara zany fa ny any amin ny province mba samy mitandrina kely ihany daholo.
4. Herimiafina ( 21/04/2006 22:38)
Misy reglementation momba ny sarety anie e! Arreté communale sns izay mandrara ny fandehanan'ny sarety eo ampovoantanana fa mamela kosa ny fizoran'izy ireny amin'ny làlana voatokana hafa. :@
5. diamondra27 ( 22/04/2006 06:00)
reglement misy foana fa ny fanatanterhana azy no sarotra

io ange le lazaiko tery an'efitra oe: gaga mihitsy aho resaka fifamoivoizana fa samy mande samy mitady eny ny olona fa de rare ny accident, efa zatra ry zareo

misaotra anao nandefa sary kely fa manimanina ny any aminay za zany
6. Fiffi ( 22/04/2006 07:14)
diamondra: ndryyyyy , tsy ndry rery akia no manina rehefa mba mahita an'ireny sary ireny an! andao akia hiaraka ho any isika eh! :-*:-*
7. MOORE007 ( 03/05/2006 07:22)
Ekena fa misy ny olana aterak'ireo mpamily, eo koa ny sarety sy ny posiposy na borety koa aza. Izany rehetra izany anefa dia mbola natao handeha amin'ny lalana daholo fa ny fandrindrana no tokony hatao. Fa misy kosa ny tena mpanelingelina fotsiny tsotra izao, izay tsy tokony ho eny amin'ny lalana mihitsy dia tsy iza izany fa ireo mpivarotra. Raha mijery anefa izahay dia misy tsena, mbola foana tanteraka, eto Antananarivo ohatra ny eny Tanjombato sy ireo izay lalovan'ny boulevard de l'Europe.Moa ve tsy tokony ampidirina ao amin'ny toerrana tokony hisy azy ireo mpivarotra ireo dia raràna tanteraka amin'izay ny varotra amoron-dalana. Asa izay hevitry ny tompon'andraikitra.
8. Fiffi ( 03/05/2006 08:25)
hummm ! miainga any ny 007 :-D:-D:-D
9. MOORE007 ( 07/05/2006 08:10)
Andramo kely ny mitaingina bisikileta eny amin'ny piste cyclable vaovao eny Anosibe. Tsy afaka handeha eo akory ianao fa feno mpivarotra ny piste. Ianao anefa efa ara-dalàna satria efa misy vignette izao ny knaka. Dia ho faty antoka foana ve izay manara-dalàna? Momba io 4L io dia hita fa tsy antonona azy ny entana entiny, maninona raha nitady fiara lehibe kokoa?
10. booboo ( 10/05/2006 10:36)
xxx faharoa> f'inona hôa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1264