Fandikana Tononkalo Ny Eja fiteny frantsay

1. nyeja ( 01/04/2006 10:00)
Miarahaba antsika rehetra
Ny tenako dia mitady poety malagasy mahafehy sy manana talenta amin'ny fanoratana teny malagasy sy frantsay handika ireo tononkalo ao amin'ny boky "ilay fitia" ho amin'ny fiteny frantsay.
Hisy ny loka manokana miaraka amin'ny boky ilay fitia sy fahatsiarovana maro homaniko ho an'izay tena mahavoaka ny sangan'asa araky ny ilain'ny mpanoratra, ny sangan'asa dia hotsarain'ireo akademisiana malagasy ary hisy ny fanoratana ny anaran'ireo mpandika amin'ny boky "ilay fitia " voadika amin'ny fiteny frantsay.
Ny farany fandraisana ireo tononkalo hofantenana dia ny 31 volana jiona izao.Ny mpanoratra mahazo ny loka voalohany dia hahazo loka manokana sy mendrika.
Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia azonao atao ny miantso ahy amin'ny finday:0330507173 na koa ny mailaka:ilayfitia@yahoo.fr .


2. dangereux ( 01/04/2006 21:56)
asiana rima koa zany lé izy o!
ary raha tsy manana an lé boky dé tsy afaka mandika azy sa afaka omenao tsirairay ve ny sombiny sa mila mividy an lé boky mihitsy?
Misaotra
3. Fiffi ( 02/04/2006 06:00)
eny tokoa ?
4. fiaritiana ( 02/04/2006 18:07)
miandry valiny koa zà e!
5. nyeja ( 04/04/2006 05:37)
Manao ahoana i dangereux, fiaritiana ;fiffi
Ny sangan'asa "ilay fitia" dia mirakitra ireo tononkaloko miisa 84 eo ho eo ho anareo eto madagasikara dia hivoaka tsy ho ela ny boky edisiona faharoa ary ho anareo any frantsa dia mbola misy vitsivitsy any ka azonareo atao ny manoratra amin'ny anadahiko solomamp@yahoo.fr manao ny famandrihana,
marihina anefa fa ny 1/3 tononkalo ao anaty 'ilay fitia ' dia efa azo jerena eto amin'ny serasera avokoa satria dia nampidiriko eto ka jereo ao amin'ireo tononkaloko ao, ny daty nanoratako azy no manamarina azy satria ny tononkalo alohan'ny 2004 dia efa ao anaty ilayfitia avokoa fa ny taty aoriana no tsy izy .
Izay no valin'ny fanontaniana , afaka manao fandikana tononkalo vitsivitsy ny mpanoratra fa tsy voatery izy rehetra akory.
Ny mpandray anjara rehetra dia hahazo fahatsiarovana amiko avokoa, mahafaly ahy raha mandika mihoatra ny 4 ny mpanoratra iray.
Mazotoa ary e
6. fiaritiana ( 04/04/2006 09:50)
misaotra betsaka @ fanazavana!
ay tsy voatery mandinika azy rehetra rehetra zany o! fa ataontsika hoe 4 izany minimum
dé ny tononaklo alohan ny 2004 zany no anisan lé ao anaty boky!

misaotra betsaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1197