pasitera fjkm "naminany"

1. jentilisa ( 10/03/2006 06:33)
Tsy hoe pasitra tsy dia fantatra fa ny filohan'ny fjkm teo aloha mihitsy ity naminany ity. Hitanareo moa ity eny an-dalana rehefa mahita lohatenin-gazety dia tsy tsaroana mbamin'ny gazety namoaka azy fa ny votoatin'ny lohateny aza no hita dia toa ampy haminavinana ny lahatsoratra ao anatiny. Ka inona ary ny "faminaniana" nataony?
Nolazainy ary fa tsy ho lany intsony ny filoha Ravalomanana amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Ahoana ary ny hevitrao amin'izany? Mety ve ny fahasahiana niteny nananany. Tena tsy manan-kevitra mihitsy aho aloha eto fa mandinika lalina.
novalian'i Fiffi ny 11/03/2006 11:13
2. Fiffi ( 10/03/2006 07:10)
jentilisa: ny olona rehetra dia afaka maminany avokoa , fa tsy hoe pasitera izy ka maminany dia ho marina avokoa izay heritreretiny na ny faminaniny.
Aleo rehefa tonga ny valin'ny fifidianana ka marina izany dia ho hita eo hoe hay tena mahay sy marina ny faminanian'ilay pasitera. Ary nahoana aloha no tsy maintsy pasitera maminany dia ekena fa marina ? satria ve izy pasitera ? Tsy misy afatry ny fiandrasana ny fahamarinan'ny faminanihana izay vao afaka mitsara!
3. diamondra27 ( 10/03/2006 07:19)
za kosa aloha tsy momba izany hoe: afaka maminany daholo ny olona rehetra e!

zarazaraina ny fanomezam-pahasoavana , ny sasany haminany, ny sasany manasitrana, ny sasany miteny @ fiteny tsy fantatra , etc...

Fa ny metimety kokoa angamba de hoe:tsy faminaniana fa mety ho intuition

avis-ko manokana io
4. jentilisa ( 10/03/2006 07:22)
hoy ny teny hoe tsy ho lany Ravalomanana, hoy ny pasitera Edmond Razafimahefa. Famiananiana izany sa tsoa-kevitra? ( ne sera pas élu)
5. Fiffi ( 10/03/2006 07:39)
diamondra: ka na izany aza hoy aho an! aleo aloha hita ny vailin'ny zavatra nisian'ny faminanihana izay vao afaka mitsara hoe "tena marina tokoa ilay izy" arakin'ny voalazandry io hoe betsaka ny mpisandoka , sns.....
6. dadabe ( 10/03/2006 08:15)
: jentilisa [ Valio ] 10-03-2006 11:22:35
Lohateny : Re : pasitera fjkm
hoy ny teny hoe tsy ho lany Ravalomanana, hoy ny pasitera Edmond Razafimahefa. Famiananiana izany sa tsoa-kevitra? ( ne sera pas élu)

ny faminaniana anie ra jentl dia tsy efan'ny fisainan'olombelona e, donk tsy hainao izany raha tsy efa tonga ilay fotoana , de eoianao vao manao hoe faminaniana sandoka na tena avy amin'Andriaminitra
7. sonwin ( 10/03/2006 08:15)
Ny fandraisako azy io dia tsy "maminany" araka ny fiheveratsika kristianina azy no nataon'ilay Pasitera, fa vinavina sy kajikajy ny amin'ny zavatra mety hisy.ilay teny hoe maminany mantsy, azo heverina hoe : manao vinavina (midika hoe..mety ho..)

Izao mantsy ny teny nataon'i Pasitera io raha teny frantsay noraisina:

* Je ne pense pas qu’il puisse faire grand-chose. D’ailleurs, les bailleurs n’iront jamais aider des pays dont les dirigeants n’en font qu’à leur tête, Il ne lui sera pas facile de briguer un autre mandat. Mathématiquement, il ne sera pas réélu. La plupart de ceux qui l’avaient soutenu en 2002 ont tous changé de camp.
8. pissoa ( 10/03/2006 08:25)
Hihihi, prônôstika izany ry zareo fa tsy ilay faminaniana eritreretinareo an :-*:-*
9. Fiffi ( 10/03/2006 08:48)
hoy sonwin:
nataon'ilay Pasitera, fa vinavina sy kajikajy ny amin'ny zavatra mety hisy.ilay teny hoe maminany mantsy, azo heverina hoe : manao vinavina (midika hoe..mety ho..)
ka izay indrindra manko hoy aho an! arakin'ny filazan'i pissoa hoe "pronostika" satria nahita izany ilay pasitera fa nivadika ny mpanohitra an'i Ra8 dia arakarak'io no hilazany hoe "raha" toy izao ny fandehany dia tsy ho lany izy!
10. Fiffi ( 10/03/2006 08:53)
sonwin: ilay pasitera ve no nilaza an'io ? nefa dia nilaza jentilisa hoe ny titra fotsiny no novakiany ary io zany no navaliny ? ka ahoana moa no tokony hilazana azy fa "mpaminany" izy ?
11. sonwin ( 10/03/2006 09:19)
Fiffi: ie io no nolazain'ilay Pasitera, tsy niteny nge jentilisa oe mpaminany izy e, fa nanao faminaniana, ny momba ny teny hoe faminaniana efa nolazaiko etsy ambony ny mety ho heviny fa tsy vaotery ilay heveritsika kristianina.
12. Fiffi ( 10/03/2006 09:44)
migafy kosa rangaha io pub io fa mba nisy valiny izay mb tiana nolazaina dia io no mivandravandra be eto dia very indray ilay hevitra pffffffffff !!!:evil::evil::evil::evil:
13. Fiffi ( 10/03/2006 09:45)
sonwin! ok! misaotra anao fa tena very ny hevitra saika nolazaiko noho io pub io !!
14. jentilisa ( 10/03/2006 10:06)
Izaho aloha dia manamarika tokoa fa tsy mbola namaky ny votoaty tao anatiny tao. Fa na izany aza ny fifidianana anie tsy matematika e! Ry zalahy tsy nahazo seza no mihataka fa tsy hoe izay dia nihataka tokoa ny vahoaka! ny fifidianana ihany no ahalalana ny marina e!

ary aza matahotra pub e!
15. bigy ( 10/03/2006 10:33)
pmu io ry havana a! miankina amin'ny étude ihany io, de miampy chance kely, fa ny tena marina de le Rangah ao ambony ihany no tena mahalala an'io e!
16. jentilisa ( 10/03/2006 13:10)
ka ny pmu misy ny favori moa misy koa ny outsider ka aiza ary no misy ilay rangahy aminaniana hoe lany sa tsy lany?
17. Achia ( 10/03/2006 20:02)
Io ra araka ny hevitro de zao ny fifidiana ty efa akaiky ka de ho hita eo ny valiny na tena mpaminany izy na ahoana fa matoa izy sahy mamoaka izany angazety de matoky ze nolazainy izy
18. fijo ( 10/03/2006 20:22)
ny tsy azoko tamin'io rangahy io dia izao,fony izy mbola filohan'ny fiangonana tsy niala fa nanohana an dravalo,vao tsy tao intsony nefa dia nivadika,ka tena inona marina kay no tanjona fa tsy mazava
19. Fiffi ( 10/03/2006 20:37)
fijo: eny tokoa wa eh ? mahagaga tokoa izany 8O
20. jentilisa ( 11/03/2006 05:15)
izany hoe mety ho nisy saosy ihany tao ambadika tao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1238