Fitaovana mamaky heritreritra.

1. Herimiafina ( 09/03/2006 16:22)
Ilaina ny antsoina hoe reflexe eo amin'ny fitondrana fiara indraindray, avy amin'ny fahazarana no mety hahitana izany.

Ny zava-mitranga mantsy dia rehefa misy obstacle tampoka eny an-dalana eny dia miasa ny saina ary dia ampitainy any amin'ny tanana izany ary ny tanana avu eo no manodina ny volana, na ny tongotra manitsaka ny frein.

Raha jerena anefa dia misy fotoana lany eo anelanelan'izay, mandrapahatongan'ny information avy amin'ny saina ho any amin'ny tanana sy tongotra, ka eo isika no miteny hoe: ny tampoka tsy mahalehilahy ka tojo accident.

Ny fikarohana ankehitriny anefa dia efa lasa lavitra tokoa (na dia mbola any amin'ny resaka fitaovampiadiana aza) ka efa hain'ny zanak'olombelona ny mamaky heritreritra avy amin'ny alalan'ny captage d'éléctrons cérébrales, hita any amin'ireo fiaramanidina mpiady izany, izay mihodina ho azy ohatra ary baikon'ny heritreritra raha sendra tara ny tanana sy tongotra hamily azy.

Maninona moa raha hitarina any amin'ny fiara izany fikarohana izany, amin'izay tonga dia ny saina no mamily azy raha sendra obstacle tampoka.8)
novalian'i Fiffi ny 13/03/2006 19:35
2. Fiffi ( 09/03/2006 18:15)
ka miankina @ iza anefa no hanaovana sy ny fanatanterahana an'izany ? Raha jerena koa izao ady rehetra sy hevitra hatao mba tsy hiasian'ny lozam-piarakodia io , toa mety tokoa izany hevitrao izany ka mahagaga ny tsy misy mpiandraikitra manao an'io fa dia ireny radar ireny no fenohina hatraiza hatraiza mba tsy andehanana mafy nefa raha vao nandalo io radar io dia iny fa mitritritra hiany !
3. pissoa ( 10/03/2006 15:50)
Hihihi, izaho mahita hoe raha ny maso no ampiasaina mety ho interessant kokoa. Mety vitsy kokoa ny isan'ny informations tsy ampitaina etsy sy eroa. Tonga dia batain'ny maso fotsiny ny daba :roll: Sa ahoana tsara moa ny fiasan'ny maso? Toa tsy haiko tampoka :oops:
4. lapino ( 10/03/2006 15:52)
pissoa:
Sa ahoana tsara moa ny fiasan'ny maso?

miherika rehefa misy sipa! :-D:-D
5. pissoa ( 10/03/2006 15:53)
Inn marina no tsy tao an-tsaiko kle. Aoka tampoka fa ringana voadona eo daholo ny sipa milay eny an-dalana :-D:-D:-D
6. Herimiafina ( 10/03/2006 19:48)
Ka ny maso mihintsy no recepteur d'information voalohany makany amin'ny atidoha kah.
Manana organe de sens 5 ny olombelona dia mifandray amin'ny atidoha jiaby izy dimy ireo, amin'ny alalan'ny antsoina hoe ARC REFLEXE SIMPLE:

Izany hoe: mahita ny maso, mandre ny sofina, ary alefany makany amin'ny atidoha, avy eo ny atidoha vao mampita ny fihetsika ilaina hatao.

Eo ampitondrana fiara anefa dia lasa mihitatra ny fotoana hahatongavan'ny baikon'ny atidoha any amin'ny fiara satria misy traitement d'information anakiroa be izao: ilay olona mitondra (tongony sy tanany) ary ny atidohan'ilay olona.

Any amin'ny fiaramanidina mpiady dia casque hanaovan'ilay piloty no amaky ilay heritreritra ka ny zavatra hitan'ny mazo dia voavaky au niveau ny nerf optique eo amin'ny fihirifana. Izany hoe ilaina be ny maso izany.
7. Fiffi ( 10/03/2006 20:06)
Herimiafina: Izany hoe: mahita ny maso, mandre ny sofina, ary alefany makany amin'ny atidoha, avy eo ny atidoha vao mampita ny fihetsika ilaina hatao.
tena misy mpampianatra tsara be kosa aloha eto an! =D=D=D=D sady mahay! fa vazi2 ny ahy fa marina tokoa izany an! na dia somary mampiheritreritra hiany aza aloha !
8. pissoa ( 11/03/2006 12:21)
Herimiafina, ka io maha recepteur d'informations voalohany ny maso io mihitsy no mahatonga miteny hoe mety ho interessant raha ny maso mihitsy no trandrahana. Saingy ny maso toa tsy misaina e :roll::roll:

Fiffi, betsaka mahay ato kah, dia misy koa mitoraka voninkazo :°):-D:-D:-D:-D
9. Fiffi ( 11/03/2006 13:16)
pissoa: mariazy ve zany ? :-D:fa tena misy mahay tokoa an!
10. Herimiafina ( 11/03/2006 17:05)
Ny maso no recepteur: INPUT.
Traiter-n'ny atidoha ny information de avy eo avoakany : OUTPUT. Manaraka ny nerf optique daholo izany rehetra izany.

Mifandray amin'ny faritra iray eo amin'ny atidoha (eo amin'ny cortex cerebral) izany information izany, dia eo ilay izy no azo vakiana (nerf optique).


11. Fiffi ( 11/03/2006 17:36)
dia mbola manaraka tsara ny lesona aloha zao :)
12. lapino ( 12/03/2006 12:55)
Herimiafina:
Maninona moa raha hitarina any amin'ny fiara izany fikarohana izany, amin'izay tonga dia ny saina no mamily azy raha sendra obstacle tampoka.8)

Tsy fantatro ny fisian'io teknolojia io, fa zavatra efa avo lenta marina izy izany. Fa ny mety ho olana tsy ametrahana azy amin'ny fiara angamba dia hoe:
- tena ilaina marina ve ?
- mahaleo ny sarany ve ny vidiny ? Na hisy mpividy ve ?
- ary eo amin'ny lafiny pratika, tsy maintsy hanao satro-by toy ny mpanamory fiaramanidina mpiady ve izany ny mpamily ?

Amin'ny lafiny iray koa, arakaraka ny maha-complexe an'ilay systeme no maha instable an'azy. Resaka regulateur de vitesse fotsiny aza izay, efa firy ny accident nateraky ny fiara Renault?
13. pissoa ( 13/03/2006 14:55)
lapino:
ary eo amin'ny lafiny pratika, tsy maintsy hanao satro-by toy ny mpanamory fiaramanidina mpiady ve izany ny mpamily ?
Aza matawatsa an, http://www.art-africain.com/masque_africain/masque_mali/masque_africain_lapin_dogon_ck.jpg ny satro-by an'lah :-*:-*:-D:-D:-D:-D
14. Herimiafina ( 13/03/2006 14:58)
lapino:

Herimiafina:
Maninona moa raha hitarina any amin'ny fiara izany fikarohana izany, amin'izay tonga dia ny saina no mamily azy raha sendra obstacle tampoka.8)

Tsy fantatro ny fisian'io teknolojia io, fa zavatra efa avo lenta marina izy izany. Fa ny mety ho olana tsy ametrahana azy amin'ny fiara angamba dia hoe:
- tena ilaina marina ve ?
- mahaleo ny sarany ve ny vidiny ? Na hisy mpividy ve ?
- ary eo amin'ny lafiny pratika, tsy maintsy hanao satro-by toy ny mpanamory fiaramanidina mpiady ve izany ny mpamily ?

Amin'ny lafiny iray koa, arakaraka ny maha-complexe an'ilay systeme no maha instable an'azy. Resaka regulateur de vitesse fotsiny aza izay, efa firy ny accident nateraky ny fiara Renault?


Heritreritra ny ho amin'ny mety hoavin'ny teknolojia fiara any aoriana any izy io.
Ny fahalalako azy amin'ny fiaramanidina mpiady aloha dia mifandanja tsara ny saina sy ny ratsambatana. Izay tsy voahitsin,ny ratsambatana dia voahitsin'ny heritreritra.
Ny mety ho olana angamaba dia ny fiara-manidina mpiady manana espace malalaka be kokoa noho ny fiarakodia tsotra ka raha misy erreur dia mety voahitsy haingana ihany arakaraky ny altitude saingy ny fiara dia tsy manana an'izay marge de manoeuvre izay.

Amin'ny maha-probleme azy toy izay indrindra no maha-interressant azy. Ary maha-betsaka ny fikarohana tokony mbola hatao.

15. Fiffi ( 13/03/2006 19:35)
tena mahay kosa aloha io mpampianatra Herimiafina io an! :*:*:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2067