CHIKUNGUNYA

1. Fiffi ( 08/03/2006 04:57)
Ny vahoaka foana no gisant: Ela ny ela ka niaiky ihany ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny ministry ny fahasalamana, fa tena « chikungunya » tokoa io mamely ao amin’ny faritra atsinanana ao io.

Fanenjehana tsy nisy toa izany no nahazo anay tato amin’ny
« La Gazette » raha nanambara an’izany, 13 andro lasa izay. Tsy nampaninona anefa izany satria noheverina ho adidy ny nilaza ny marina koa dia tsy maintsy natao.
Tsy niteniteny foana anefa izahay raha nanambara azy iny, na sanatria koa « mpanakorontana ny saim-bahoaka » araka ny filazan’ny sasany azy, satria dia vaovao marim-pototra no navoaka. Mpandraharaha iray tao Toamasina tao, nony tratr’io tazo hafahafa io, no nandeha nitsabotena tany Frantsa tany, ary ny vokatry ny fitiliana natao taminy no nahafantarana fa tena ilay tazo
« chikungunya » toy ny mandripaka ao amin’ny nosy La Réunion no io mahazo azy io koa.
Ny fanontaniana dia ny hoe inona àry moa no antony nanafenana izany ka tsy nilazana azy tamin’ny vahoaka ê ? Efa maro ihany no niahiahy tamin’ny
nahatongavan’ireo miaramila frantsay hiady amin’ny moka ireo ? Efa betsaka ihany koa ny narary tany Toamasina no
nitsoaka niakatra taty an-drenivohitra, sy ny sisa… kanefa dia mbola namboamboarina ihany ny filazana azy ka natao hoe izany « arbovirose » izany, dia navadika ho « dengue » 1 sy 2 indray… ary ny sabotsy teo vao vaky ny resaka. Niandrasana ny Tale jeneralin’ny OMS ve ?... Dia mba ahoana ny malagasy amin’izany ê ? Atao tompon-trano mihono hatrany ?
Ny vahoaka foana no gisitra, izany hoe no mahalala farany indrindra isaka ny misy zava-mitranga eto amin’ity firenena ity. Fa nahoana ê ?...
Nisy ireny volabe natao
« réquisitions » ireny, dia tsy nampahalalaina ny vahoaka ; nisy ny mosary tany Vangaindrano, dia nafenina ihany koa ; efa misy pesta sy haromontana mamely any ho any, dia tsy lazalazaina. Izao indray, na efa natao aza ny fitiliana tany amin’ny labôratoara tany ivelany, dia niandrasana ny vahiny avy any ivelany aloha no nampahalalaina azy izay vao ny tompon-tany. Malaina ny hamoaka vola ho amin’ny fiarovana amin’izany ve sa mbola miandry azy hihanaka mba hahazoana fanampiana avy any ivelany ?... Hafahafa ihany mantsy ny fandehany satria miaramila avy any Frantsa no nampisahanina ny ady amin’ny moka eto an-toerana. Fa angaha tsy vitan’ny miaramila gasy izany ? Ny an’ny olona koa tonga dia namoahana vola 76 tapitrisa euros, hampiasaina hiadiana amin’ny aretina, na dia nosy kely madinika tahaka an’io La Réunion io aza, fa ny antsika kosa mbola navadibadika aloha ny fiantsoana azy vao niaiky ihany tamin’ny farany. Dia tsy tokony mba ho nilazana mialoha ve ny olona, mba ho niomana sy ho nandray izay fepetra tokony ho noraisiny izay afaka nanao izany, farafaharatsiny ?
Ny zava-mitranga tahaka izao, amin’ny maha loza voajanahary azy, no tokony hamoahana an’izany volabe izany,

raha misy marina, sa ve mbola


« manahirana » ihany koa ny mampiasa azy izany, raha


ho amin’ny fahasalamam-bahoaka ? Mahagaga anefa fa toa tsy nisy ny olana rehefa nividy ombivavy be ronono, izay tsy fantatra izay nahazo azy no niafarany, sy nanaovana « vitrine » izay tsy fantatra koa na ho an’iza na ho an’iza ny vokatra.

Ny vahoaka foana, hoy izahay no gisitra amin’izany rehetra izany : tsy misy tonga any aminy izay mamy rehetra misy eto amin’ity firenena ity. Sa kosa ve ny lalana 100 kilaometatra hany mba voarakotra tara no sandan’izany rehetra izany ?... Tsy maintsy mbola hisy ny fanontaniana mahery vaika any aoriana any koa dieny izao dia samia mandinika ê.
La Gazette de la Grande Ile
Mpandrindra: Alain R.
novalian'i Fiffi ny 01/04/2006 08:28
2. Fiffi ( 08/03/2006 05:25)
Ny fanontaniana dia ny hoe inona àry moa no antony nanafenana izany ka tsy nilazana azy tamin’ny vahoaka ê ?
nefa na ho ela na ho aingana dia tsy maintsy hipohitra eo hiany ny marina.
mbola namboamboarina ihany ny filazana azy ka natao hoe izany « arbovirose » izany, dia navadika ho « dengue » 1 sy 2 indray… ary ny sabotsy teo vao vaky ny resaka. Niandrasana ny Tale jeneralin’ny OMS ve ?... Dia mba ahoana ny malagasy amin’izany ê ? Atao tompon-trano mihono hatrany ?
3. dadabe ( 08/03/2006 06:52)
lava be lotra ry fifi a
4. Fiffi ( 08/03/2006 08:20)
O ry dadabe ahhh!!! ka nalaina avy @ gazety anie io eh!! ary tsy azo fitinina fa efa izao no voalaza dia tsy anjarako indray no hifintina azy ka maha-voatery ahy handefa azy tahak'izao eh!
5. naritsimba ( 08/03/2006 08:29)
Efa manomboka ny propagandy ka saika hanaona an'izany no tsy nilazana ny marina e!
6. Fiffi ( 08/03/2006 08:34)
naritsimba: nefa nie ka ny marina marina hiany ary tsy azo hafenina fa tsy maintsy hipohitra na ho ela na ho aingana hoy aho an!
7. routa ( 08/03/2006 10:06)
tena mahafaty anie ry reto le aretina fa de tokony andray fepetra haingana hiany ny fanjakana e!!!
8. xxx ( 08/03/2006 11:49)
eny hoa ry reto ka inona ary alo ny fepetra tokony horaisin'ny tsirairay mandrapahatongan'ny fandraisan'ny fanjakana fepetra e?
9. Fiffi ( 08/03/2006 16:23)
dia tsy fantatra mihintsy aloha @ izao fotoana izao an!
10. Achia ( 10/03/2006 20:25)
LE chik aloa de tena artina afa kely e fa ny mahagaga de hoe nahoana no miaramila nomanao ny asa rehet ra na ny fitsaboana na ny famonoamoka ,le famonoamok a aloa de fanafody ambony takopery e aiza no ahafatesana moka amanaliny fanapenana maso fotsiny reny fa aleo miaro tena de mangina
11. rog ( 14/03/2006 07:14)
marina izany e , ny ataon'ny tompon'andraikitra de ny mampadry adrisa fontsiny izany hoe manao izay tsy hilazana @ olona ny tena fotot'aretina marina , ary izaho mino fa tsy moka izany no mitondra azy io satria ny fomba fisehony dia tena hafa araka ny voalazanao .
12. Fiffi ( 14/03/2006 07:31)
fa inona ary ry rog ? avy @ inona io haretina io ?
13. Fiffi ( 01/04/2006 08:28)
Hatramin’izao dia mbola mitohy ny fanahian’ireo mponina any Toamasina noho ilay aretina “chikungunya”.

Raha ny ao amin’ny hôpitaly be fotsiny, ohatra, dia voalazan’ireo dokotera tomponandraikitra, misahana manokana ny fitsaboana azy io, fa mihamitombo isa hatrany ireo olona mararin’izany aretina izany. Tsy azo iadian-kevitra intsony izany izao ny fisian’io aretina io eto amintsika. “Ny fisehoan’ny aretina amin’ireo marary no ahafantaranay mpitsabo fa voa ny olona iray”, hoy ihany ilay dokotera. Satria tokoa ny laboratoara eto amintsika dia mbola tsy ahafahana mitily loatra izany. “Ireo mararin’ny dengue kosa dia somary mihena kely amin’izao fotoana izao”, araka ny fanazavana nomeny.
Miverimberina ny aretina
Na ny mpitsabo na ireo marary ao Toamasina, dia samy mbola mandalo fotoan-tsarotra amin’izao fotoana izao. Satria izay voan’io aretina io dia tsy afa-bela fa mbola iverimberenany ihany avy eo. Marary iray, ohatra, dia mety ho voa in-telo na in’efatra mihitsy aza. Dia azo sary an-tsaina avy hatrany ny fahiazan’izay tràny. Eo amin’ireo dokotera manokana aloha, dia mbola betsaka ireo mandamaka, hany ka mihena be ny isan’ireo
mpitsabo an’ity aretina “chinkungunya” ity ao amin’ny hôpitaly ben’i Toamasina ao. Ireo efi-trano lehibe fiandry ao amin’io hôpitaly io kosa, dia nosokafana mba handraisana marary.
Maimaimpoana ny fanafody
Hatramin’izay nisian’io aretina “dengue” sy “chikungunya” io, dia vao andro vitsivitsy izao no maimaimpoana ny fanafody omena ireo marary. Ny fikambanamben’ireo mpandraharaha ara-toekarena ao Toamasina (GEPAT) no tompo-marika tamin’izany. Talohan’izay, nandany hatrany amin’ny iray hetsy ariary ny marary iray vao sitrana . Midika mazava izany fa izay nanam-bola ihany no afaka nitsabo tena tao amin’ny hôpitaly be tao.
Maloto ny tanàna
Aty an-tanàna indray, mihanaka tanteraka ny loto. Feno zaoridira avokoa ny moron-dalana, indrindra eny amin’ny manakaiky ny tsena. Etsy andanin’izay, miangona amin’ireo lavadavaky ny arabe ny rano maloto. Any amin’ny ela-kela-trano any indray, zary ilàna lakana mihitsy, hoe fanoharana, vao afaka mandeha ny olona. Dobo rano tokoa ireo tanàna ambany ao Toamasina ao, noho ny oram-be farany teo. Ahiana hampirongatra ity valan’aretina ity izany rehetra izany.
La Gazette de la Grande Ile
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.174