film gasy hono

1. felanawil ( 04/03/2006 20:41)
Efa nataonareo ve ny nanao film t@ kamesikopy dia atao montazy @ odinatera, ireny no ataondry zareo dia avy eo atolotra ny olana hoe "film" ka ilaharana eny @ salle de cine, ny tantara @ izany dia aoka fotsiny fa dia fampisehoana ny fambaniantsaina mihintsy, fa angaha dia tena tsy ain'ireny olona ireny mihintsy ny dikan'izany hoe "culture" izany eh!, fa dia tena tsy misy cineaste, tena cineaste mihintsy ve eto antoerana no dia ireny zavatra tsisy dikany ireny no itaizana sy angalana vola ny ankizy malagasy eh!
novalian'i sipagasy ny 22/05/2006 19:33
2. hery ( 04/03/2006 21:20)
tsy ny film gasy rehetra kosa angamba kah. Sa inona sy inona avy izany resahanao izany?
3. ikalakintina ( 04/03/2006 22:21)
ie azavao tokoa e!, nefa anie misy film gasy mba tsar ihany nade mbola tsy tena anona be aza fa tsara ihany!fa azavao zany film zany we
4. lapino ( 04/03/2006 23:10)
Tairo aloha arovana ny artista gasy izay mahavita ezaka fa tsss:

>>> Efa nataonareo ve ny nanao film t@ kamesikopy dia atao montazy @ odinatera,
Mino aloha aho fa mahay maka sary amin'ny kamesikopy ianao miresaka (cadrage, reglages, filalaovana zoom, fisafidianana ny angle de prise de vue), ary koa mahay montazy @ ordinatera (karazana effets, transitions, sns ...). Raha izay dia afaka manana fomba fijery kritika ianao momba ny nanatontosana an'ilay film ka hitsara marina fa tsy bontolo be fotsiny.

>>> ny tantara @ izany dia aoka fotsiny fa dia fampisehoana ny fambaniantsaina mihintsy,
Mino koa aho fa ambony saina ianao. Tsoriko aloha fa raha izaho tsy mahaforona tantara antsasa-pejy akory e. Ka tsy haiko hoe ohatra ny ahoana ny lentan'ny tantara tadiavinao.

>>> fa angaha dia tena tsy ain'ireny olona ireny mihintsy ny dikan'izany hoe "culture" izany eh!
Mba hazavao hoe fa izaho koa tsy mahafantatra ny tena dikan'io teny io exact. Sao dia mba hanampy an-dry zareo hanatsara ny sangan'asany koa raha hazavaina ilay izy.

>>> dia ireny zavatra tsisy dikany ireny no itaizana sy angalana vola ny ankizy malagasy eh!
Ozizy i Samoela izay hoe: "Ny zanakao no tsy voataizanao ve dia ny hirako no tadiavinao hitaiza azy?" :)
5. lapino ( 04/03/2006 23:18)
Ny mety ho olana amin'i felanawil angamba, mety miandry film mitovy lenta amin'ny Star war na Le seigneur des anneaux amin'ny film gasy. Kanefa ozizy izay dokam-barotra fandreko matetika izay hoe:

"Tsy ny namanao no ifaninananao fa ny tsara vitanao omaly"

Nahita film gasy izay aho tany amin'ny namanay iray izay, ilay film kiadiady ireny, fa dia niaiky aho aloha hoe efa mivoatra mihatsara ny film gasy e! Na tsy hijery afa-tsy ny fomba fangalana sary aza dia hitanao fa nasiana kanto ilay izy.

Ary na atao hoe tena ambany lenta aza ny film gasy izay resahan'i felanawil, dia mbola ozizy ah hoe tsy ny tsy fahatongavana lafatra mihitsy no tokony hisakana tsy hanaovan-javatra (sy tsy hanaovana bizinesy). Raha misy mahavita tsara kokoa, ko tsy 'ndeh àry?! :wink::)
6. sipagasy ( 05/03/2006 06:13)
felanawil:

Efa nataonareo ve ny nanao film t@ kamesikopy dia atao montazy @ odinatera, ireny no ataondry zareo dia avy eo atolotra ny olana hoe "film" ka ilaharana eny @ salle de cine, ny tantara @ izany dia aoka fotsiny fa dia fampisehoana ny fambaniantsaina mihintsy, fa angaha dia tena tsy ain'ireny olona ireny mihintsy ny dikan'izany hoe "culture" izany eh!, fa dia tena tsy misy cineaste, tena cineaste mihintsy ve eto antoerana no dia ireny zavatra tsisy dikany ireny no itaizana sy angalana vola ny ankizy malagasy eh!



oadray marina izany vava be e!!!! mmmhhh dia ny tena ny menatra e!!!!! mba manaova hoe ianao mba ho hitanay??? ary ataovy mibaribary ny PS na ny anaranao @ izay annnn dia ho hitanay eo raha miady @ piesinay na tsia koa tsssss mmhhh:^)
7. diamondra27 ( 05/03/2006 06:28)
afaka manao an'io daholo na particulier aza ange e!
enao ihany de afaka maka film ny fiainanao sy ny fiaraha-monina manodidina anao, de atao ny montage sur ordi, misy logiciel eto @ net azo hanaovana azy tsara, de azo fantenana ze tiana avoaka.

Raha tiana asiana fond musik koa de mety!

raha ny tsikera indray de samy manana ny attente-ny, tsara aminao mety ho ratsy @ hafa.

Fa de miandry anao marina 'zahay zany sady ilaina eto koa zany film 'zany e! hojeren'ny namana
8. Fiffi ( 05/03/2006 07:03)
Fa de miandry anao marina 'zahay zany sady ilaina eto koa zany film 'zany e! hojeren'ny namana
dia miandry zany zahay eh!!
9. majakely ( 06/03/2006 06:50)
de efa bravo sahady zany ny anao ry felanawill kou ,,hihihihihi ,,, sady hilay be ny film ,, wéééé,,,gasy mahay zay kou ,, zah klo faly e,,hihihi
10. onjah ( 06/03/2006 11:52)
Felanawil >
E e e
E e e
E e e, Zahay indray aloha dia tena faly rehefa mahita hoe misy mahavita film ny malagasy eh.

Na dia lazain'i felanawill aza hoe tsy misy dikany, rehefa teo aloha ny fahavononana nahavita zavatra dia efa milay izay, izay aloha no zava-dehibe. Avy eo ny manatsara izay zava-bita no imasoana.

Sady raha tsy manao koa anie tsy ho hita hoe inona no lesoka tokony harenina e.

Fanamarihana : Izay film gasy rehetra hitako kosa aloha hatramin'izao dia nahafapo ahy daholo e.

Mba omeo ohatra amin'izany film lazainao izany hoe.
11. sipagasy ( 06/03/2006 20:31)
miandry ilay film izahay ry felana annn
12. diamondra27 ( 07/03/2006 19:13)
13. ambivotra ( 14/03/2006 13:30)
Tsy tonga dia ho lafatra ka hitovy an'i Hollywood kosa ny films gasy fa tsy maintsy mandady aloha izay vao mitsangana eh !!! Tsy lavina koa fa misy ireo be kôkô mitetika ny any am pôsin'ny sasany amin'ny fomba tsy mendrika. Ny tena faniriana dia ny hananan'ny cineastes gasy professionnalisme amin'ny asany!!!!!!!!
14. Veloo ( 15/03/2006 19:57)
zany mihitsy wa lesy ry ambivotra a:wink:
15. sipagasy ( 18/03/2006 16:51)
tsy mbola nahita ilay film an'i felanawil ihany izahay e!!!
ary @ izay tsy hita intsony sa niova ps injay tsssss
16. Veloo ( 19/03/2006 04:12)
mety niova ka:wink:
17. sipagasy ( 24/03/2006 15:24)
marina koa izay, tssssssssssssssssssssssss
18. xxx ( 24/03/2006 19:36)
ka le filme gasy kosa ne matetika le miady de mamono ol de mangalatra zany fona e fa maninona ra reny tantarandreny mpiasampanjakana tara fidirana sy manao tsolotra sy mampifilafila reny no hamoronana tantara e amizay waina tsara
19. sipagasy ( 22/05/2006 19:33)
tss ka tsy aleo ve i ra xxx mihintsy ny hanao ilay film e!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5725