Piesy halatra natao tamin'ny fiara.

1. Herimiafina ( 03/03/2006 17:14)
Somary gaga sy talanjona ny tenako naheno ny nanjo izay tovolahy iray izay.

Nividy fiara occasion izy, US$18,000 misy taratasy mazava, ary vita controle technique tsara satria fiara avy nanao accident de remis en état. Tena tafaverina tsara be ilay fiara ka de novidian'ileiry. Mazava tsara ny taratasy rehetra.

Kinanjo telo volana taty aoriana dia tonga ny polisy naka ilay fiara fa hoe misy piesy halatra be dia be amin'ialy fiara.

Teo vao hita fa kay ny atsasak'ilay fiara dia numero de serie hafa ary ny tapany aloha no tena numero de serie misoratra anaty taratasy rehetra.

Niakatra fitsarana ileio ary tao no nahitany ilay tompon'ilay tapany ambany amin'ny fiarany, izay nitaky US$6,000 taminy (vidiny) raha tsy izany dia migadra i nedala satria nividy halatra.

Izay vao avoakan'ny fitsarana ny fiarany.

Ankehitriny dia mila mitandrina raha hividy fiara occasion ka efa accidenté, sao sendra toe-javatra toa izany indray! 8)
novalian'i ambivotra ny 14/03/2006 14:21
2. Fiffi ( 03/03/2006 20:58)
be dia be ny garage efa tratra @ io fangalarana fiara io dia atao pièces detachées de hanamboarana fiara hafa dia amidy avy eo. Misy trafic na réseau mihintsy io.Ny tsara jerena angamba dia rehefa ny vidin'ilay fiara amidin'ny olona mora aleo mitandrina fa ao raha...
3. lapino ( 03/03/2006 23:04)
Fiffi, ka raha daba efa tsy manjary mbola amidiny lafo aminao ve, dia tsy voatery ho ao raha ...?
US$18000 izany ange raha daba okaz tsy tena hoe mora e! Sady izay daba avy voan'ny askidà!
4. Fiffi ( 04/03/2006 05:49)
dia mba adala kosa izany ilay olona nividy an'io raha izany , mahagaga koa izany an!
5. fijo ( 04/03/2006 18:18)
raha garazy no nividianana azy,tsy misy olana io,fa raha olona tsotra vao mihantra ilay hoe nividy halatra
6. Fiffi ( 05/03/2006 06:55)
wadrayyy ry fijo: betsaka anie ny garazy tratra manao an'io eh! fa misy koa aloha garazy rehefa mahita ry zareo hoe misy pièce hafahafa dia miantso pilisy aloha hanaovana verification rehefa ireny ho hentina ny fiara hatao contrôle technika ireny.
7. zandrikely ( 05/03/2006 18:51)
aleo ihany ry reto mividy vam any @ olontsotra a , ireo garazy koa anie efa be trafika lotra e
8. Fiffi ( 05/03/2006 21:24)
f'ita wa ry zandrikely eh!
9. Herimiafina ( 09/03/2006 16:04)
Ny mahagaga dia tsy nahitan-dresaka momba ilay olona nivarotra ilay fiara mihintsy tamin'ity resaka ity kanefa amin'ny fikirakirana ny taratasy rehetra dia mety nisy ny anarany avokoa. Ao raha!

Ankoatr'izay dia mirongatra ny halatra fiara, ary matetika misy firaisana tsikombakomba amin'ny société d'assurance foana, piesy maromaro mitovy numéro de serie. sns.
10. ambivotra ( 14/03/2006 14:21)
F'angaha tsy garage ara dalàna ilay nivarotra? Satria mantsy raha en bonne et due forme ilay garage, no sady $18,000 no vidin'ilay fiara izay efa accidenté dia tokony hampiahiahy an'ilay mpividy ve izany? Ny acte de vente sns.... inoako fa natao ara dalana avokoa.Dia ahoana ny responsabilité n'ilay garage teo amin'ny fitsarana ? Tena tsy mazava mihitsy izany tantara izany !!!Ny tena azo antoka aloha dia tena tsy rariny ilay izy eh !Mailo ihany fa ndrao ny an'ny tena ihany no ahitana loza !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2064