Ivato : Ady tany amin’ny tera-tany vahiny

1. yonikafopl ( 03/03/2006 14:09)
Trano 120 tafo no ho trongisina

Mafana dia mafana ny ady tany eny amin’ny faritra Ivato eny amin’izao fotoana izao. Nifoha indray angamba no marimarina kokoa satria araka ny vaovao mandeha azo avy amin’ireo fokonolona voakasiky ny ady tany dia ho avy rahampitso ny fandravana ny tanàna.
Ny fonenan’ireo vahoaka miisa 700 hatramin’ny 800, monina amin’ny trano 120 tafo ao Antanambao Antananimarina, kartie V, faritra atsimo anatin’ny kaominina Ivato seranana no fantatra fa ho trongisina rahampitso.
Taitra noho izany ireo vahoaka izay voalaza fa nanajary sy nanamaintimolaly ny tany nandritra ny 20 taona mahery (1998). Nangataka zo hizaka ny tany ireo mponina saingy nolavin’ny fitsarana noho ny fahafantarany fa efa an’olona tamin’ny alalan’ny famindrana lova tamin’ny taona 1985 io tany io. Hiady ny zony tamin’ny nanajariany ny tany ireo mponina ka hiaro izany fandravana izany. Somary maizina amin’izy ireo mantsy ity raharaha ity satria toa novidian’ny karana ilay tany mitondra ny titra 752 H, 1128H sy 706 H. Fantatr’ireo mponina anefa fa vazaha mpanjanan-tany avokoa no nisoratra tamin’ny tany, saingy samy tsy nisy niraharaha ny tany nandritra ny taona maro satria efa nody any ivelany, ary izao misy tompony tampoka izao. Te hifanatrika amin’izay nitonona ho tompon’ny tany ireo mponina saingy ady an-taratasy any amin’ny fitsarana hatrany no iainana ka izao miafara amin’ny fandravana izao. Mbola tsy misy aloha filazana hafa mihoatra ny fandravana, ka raha misy tokoa izany dia vahoaka an-jatony no tsy hanan-kialofana sady ho tompony mangataka atiny.
Miantso ny fitondram-panjakana moa ireo vahoaka mba hijery akaiky ity olana ity. Efa nisy rahateo ny taratasy nalefa ho an’ny filoham-pirenena mahakasika azy io.
Ahiana arak’izany ny hafanampo hisy eo amin’ireo vahoaka izay hiaro ny zony sy ireo mpitandro ny filaminana hanatanteraka ny baiko avy amin’ny didim-pitsarana handrava ny trano.


.: Imprimer
03/03/06 - Hery A.

dia ahoana indray ny hanjo ireo gasy mahonena ???
novalian'i Fiffi ny 06/03/2006 10:10
2. booboo ( 03/03/2006 14:44)
k'raha ty ara voaporofo antsakany sy andavany fa ara-dalàna aby ny taratasy nasehon'ilay soit-disant tompon'io tany io, dia tsy rariny ve raha mitaky ny taniny izy ? sa ny marina sy ny rariny araka ny inona sy araka an'iza no tokony hampiarina ?
3. Fiffi ( 03/03/2006 15:17)
Nangataka zo hizaka ny tany ireo mponina saingy nolavin’ny fitsarana noho ny fahafantarany fa efa an’olona tamin’ny alalan’ny famindrana lova tamin’ny taona 1985 io tany io.
ka izay mihintsy no tena olana satria raha tena misy porofo araky ny lazain'i booboo io dia toa ho sarotra tokoa ho an'ny mponina nefa tsy maintsy miala. Efa nisy koa toerana izay nandravana ny tranon'ny olona tahak'izao izay toe hoe nanorenana fiangonana ka nahatratra 2000 ny isan'ny tsy nanan-kalofana.
4. Fiffi ( 03/03/2006 15:23)

Misamboaravoara indray ny tontolom-piarahamonina ao amin’ny faritry ny kaominin’Ivato Seranana (Aéroport) ao ankehitriny.

Ny antony dia hanomboka rahampitso sabotsy ny fanaisorana sy fandravana ny tranon’ireo mponina ao amin’ny fokontany Antanambao Antanimarina, faritra na kartie fahadimy. Misy trano miisa 122 tafo no harodana manomboka rahampitso satria lasan’ny teratany karana iray ny tany, araka ny fampahafantarana nataon’ireo mponina raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly.
Ara-tantara dia tanin’ny vahiny (colon) io faritra io tany aloha tany. Taty aoriana dia nisy olona nangataka titra vonjy maika tamin’ny fanjakana ka
nahazo, saingy tsy nanamaintimolaly ny tany izy io fa lasa any ampitan’ny ranomasina nanorim-ponenana. Zary lasa lobolobo sy fieren’ny jiolahy, fitondrana vehivavy mbamin’ny filokana fotsiny io toerana io. Nanomboka tamin’ny 1960 dia niditra an-tsehatra nanajary ny tany ny fokonolona. Misy karazany telo ny titra amin’izy io, ka ny iray dia mirefy 752 ara, ny faharoa 1126 ara ary ny fahatelo 706 ara.
Tamin’ny taona 1998 no nanomboka nikarakara ny antontan-taratasy mba hahazoana titra ara-dalàna ireo nanajary azy. Tamin’izany koa no efa nampandoavina hetra ireo nonina teo.
Taty aoriana anefa, tampoka dia tampoka ny nahenoan’ny mponina fa novidin’ny teratany karana mitentina 174 tapitrisa fmg izy io. Tsy fantatra mazava ny hoe “iza no nividianan’io karana io an’ilay tany?” Ny fanjakana ve satria tsy karazan’ny niverina tamin’ny fanjakana ilay tany ? Ary inona no mba tombon-jo ho an’ireo efa nikolo azy io ampolon-taonany maro ?
Tsy nipetra-potsiny ny mponina taorian’ny nahafantarana an’izay nahalasanan’ny karana ny tany izay, fa nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Akory koa anefa ny hagagan’ny rehetra fa nihazakazaka be tsy toy ny fahita ny fandehan’ny raharaha teny, ka na nandalo an’ireo dingana isan’ambaratongany isan-karazany aza dia zary tsy nahazo rariny mihitsy ny fokonolona efa nonina teo amin’io tany io. Ny faha-13 septambra teo no nivoaka izany ny didy farany avy amin’ny fitsarana izay nanome rariny an’ilay mpividy.
Izay no nahatonga ity
teratany vahiny ity hiroso amin’ny fanaisorana an’ireo mponina manomboka rahampitso.
Tsy hanaiky lembenana amin’izany trangan-javatra miendrika fandrobana sy tsikombakomba hafahafa izany anefa ny mponina ka nifamory, ary nanapa-kevitra fa hijoro hatramin’ny farany mba hiaro ny zon’izy ireo, ary hanohitra ny fandravana ny trano.
Izay no mahatonga ny ahiahy fa tena hitrangana gidragidra rahampitso eny Ivato Seranana. Azo antoka mantsy fa tsy maintsy hitondra manam-pahefana (vadin-tany) sy mpitandro ny filaminana ilay karana, ary tsy hanaiky hopotehim-pananana fotsiny amin’izao koa ireo mponina.
La Gazette de la Grande Ile
Mpandrindra: Ralay

5. yonikafopl ( 03/03/2006 18:11)
ho lasan'ny karana sy sinoa i Gasikara atsy ho atsy eeeeeee
6. fijo ( 03/03/2006 19:07)
karana indray io,ataovy masaka wa ireo
7. Fiffi ( 03/03/2006 21:07)
dia aiza hono no mba toeran'ny gouvernementa @ izao ?
8. yonikafopl ( 04/03/2006 16:52)
nanao ahoana ihany izay androany, ???
9. fijo ( 04/03/2006 19:09)
mbola mifampiandry ao e
10. Fiffi ( 06/03/2006 10:10)
Ady tany eny Ivato Aéroport
Tsy mbola rava ny trano, tsy nihetsika ny tafika
Na dia efa vory lanona aza ny vahoaka teny amin’ny kaominina Ivato Aéroport ny sabotsy lasa teo mba hiaro ny fananany, dia tsy mbola rava aloha hatreto ny trano miisa 122 tafo, satria mbola tsy nihetsika ireo tafika maro efa tonga teny an-toerana.
Faritra ao amin’ny KS antsoina hoe Antambao Antanimarina ity iadiana ity, satria voalaza fa tanin’ny «Colons» izy io taloha, ka nisy olona nahazo « titre provisoire » tany aloha be, kanefa dia tsy nisy fanajariana ny faritra nataon’io olona io tamin’izany fotoana izany. Ny taona 1972 no nohajarian’ny fokonolona io tany io, ka izao taona diavintsika izao vao tonga ny olana. Voalaza fa novidian’ny karana amin’ny vola 174 8200 Fmg ireo faritra ireo ka ny trano lehibe iray miorina eo aza tsy voavidin’io vola io, nefa nahoana no natao varoboba amin’ny karana tahaka izao ny tanindrazana ?
Mbola hitohy anio moa ny fivorian’ireto fokonolona ireto ary fantatra fa efa nangataka fihaonana amin’ireo ambaratongam-pahefana isan-karazany ny vahoaka.
Tonga teny an-toerana io sabotsy io ny lehiben’ny Distrikan’Ambohidratrimo, Ramahavokatra Andriamanan
Io no vaoavao azo farany .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1779