Voalaza fa nahazo loka

1. nyzo ( 02/03/2006 11:07)
Izaho dia naharay e-mail tamin'ny herinandro lasa fa nahazo loka tamin'ny fisarihana iray izay natao tamin'ny 30 janvier 2006. Noheveriko ho sangisangy izy io tamin'ny voalohany nefa na izany aza dia novaliako ihany. dia namaly ny e-mail nalefako ihany koa ireo mpikarakara io lalao io. Nasain'izy ireo nameno taratasy maromaro aho ary avy eo dia nasainy nalefako e-mail izany. Rehefa nohamarinina dia voaporofo fa tena izaho no ilay nahazo.Nandefa e-mail indray izy ireo ka nilaza tamiko fa tokony handoa vola ho an'ny tribunal any an-toerana aho (izaho eto Madagasikara no mipetraka fa ilay izy any ivelany) ny vola asainy halefako amin'io compte-n'io tribunal io dia 556 Euros; tsy ananako anefa io vola io hainareo ihany ny lanjam-bolantsika . Ny montant-n'ilay vola voalaza fa hoe azoko anefa 667 248,26Euros . Tsy mety hanao ny transfert-n'io vola io ao @ compte-ko anefa izy ireo raha tsy vitako ny transfert-n'io 556 Euros io ao amin'ny compte izay efa nomeny ahy.
Inona no ataoko ary iza no afaka hanampy ahy ?
novalian'i betty ny 03/03/2006 10:22
2. jefra ( 02/03/2006 11:49)
Filokokiana efa fahita izany. Fadio ny manome/mandefa vola ho azy. Ampanantenaina lanitra ianao, dia isintonana vola dosie/tribunal/formalites, d tsy hitanao intsony izy rehefa azony ny vola. Tandremo an!
3. lapino ( 02/03/2006 11:56)
ny zo: karazana phishing iray koa io, voajono ianao izay!!! Soa ihany tsy anananao ilay vola, raha tsy izany efa verinao ohatra an'izay.

Amin'ny fomba ahoana moa no hahazoanao loka amina fisarihana tsy nandraisanao anjara akory? :-w
4. ari.malala ( 02/03/2006 13:20)
Tena fitaka be vava aky io ry NyZo! Firifiry akory ny voafitaka @ izany? Aza mandefa vola any izany fa very vola be eo zato ianao! Ny lazainy fa azonao tsy homeny anao zany akory moa ny volanao lasany, hanenina @zany enao!
5. Fiffi ( 02/03/2006 15:12)
Amin'ny fomba ahoana moa no hahazoanao loka amina fisarihana tsy nandraisanao anjara akory
au pif angambany , misy koa manko ny lisitry ny telefonina no alaindry zareo . Misy koa manko commerce io , fomba iray izay hatao hanitona anao andeha hamangy ny magazay ohatra mba hiviadananao entana ao dia misy ny miantso an-telefonina hoe nahaza an'izao loka izao inao , ao koa ny mandefa taratasy mihintsy , firy firy akory no efa voan'io ?
6. rurik ( 02/03/2006 17:44)
nyzo tena filokinana daholo zany mahaiza mitandrina fa tena maro izy amizao , aza alaimpanahy @hena miraviravy.vao omaly koa aho nahazo mail we misy olona manana vola be ka mila hamoaka io vola io izy ka raha afaka mifanampy dia zaraina . tandremo fa tena maro ny soloky amizao.
7. zandrikely ( 03/03/2006 09:56)
tay be ko zany MISOLOKY ZANY FA IALAO , tandremo , aiza ko enao no ampandohaviny vola vao arotsany ny vola be , RA VAO MANOME VOLA ENAO dia veloma a , 500 euros zany anie
8. betty ( 03/03/2006 10:22)
Nyzo : Raha nahazo loka marina ianao dia tsy tokony handoa na 1 centime aza, fa kosa tokony hanamarina fa ianao marina io @ alalan'ny taratasy isankarazany.
Fadio ny manome vola na 10 euros aza!!!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3087