Tafajoro ny Mutuelle de Madagasikara any Frantsa

1. Fiffi ( 02/03/2006 09:00)
Sahirana tanteraka ankehitriny ireo malagasy monina any ivelany raha sanatria ka maty any antanin'olona ireo mpiray tanindrazana amintsika amin'ny saran'ny fampodiana ny razana. Ny antony dia lafo dia lafo ny saran'ny fitanterana ny razana aty Madagasikara, ka noho io antony io dia tafajoro ankehitriny ny fikambanana antsoina hoe « Mutuelle de Madagasikara » any Frantsa.
Zava-dehibe eo amin'ny soa toavina malagasy tokoa ny tsy famelana ny havany ho very faty any an-tanin'olona izany, ka eo indrindra no nanaovana ezaka lehibe ny hijoroan'ny fikambanana tahaka izao. Anio hariva ao amin'ny fandaharana (Tia sy Nday) ao amin'ny TVM tontosain'ny namana mpanao gazety Johary Ravaojanahary no hanazavan'izy ireo misimisy kokoa ny momba ny hetsika izay hataony hiarahany amin'ny Dera Ramandraivonona filohan'ity fikambanana ity.
Madagascar Tribune
Mpandrindra: Penjy
novalian'i Fiffi ny 04/03/2006 14:09
2. Fiffi ( 02/03/2006 09:07)
mahagaga ahy ity lahatsoratra ity satria efa naheno aho fa nisy foana ny fety isan-taona karakarain'ny io mutuelle io. Iza no mahafantatra ny momba an'io ?
3. annie ( 02/03/2006 09:58)
re
afaka omena eto ve ny adresse?
4. Ralay ( 02/03/2006 10:03)
Efa amantaonany no nisian'io mutuelle io fa fampahatsiahivana na fampahafantarana angamba no ataony amin'io.:lol:
5. Fiffi ( 02/03/2006 10:18)
dia tafajoro ankehitriny ny fikambanana antsoina hoe « Mutuelle de Madagasikara » any Frantsa.
nefa ange ry Ralay io no voalaza ka izay no mahagaga ahy eh!
annie: angaha tsy azo hatao ? dia jerena @ hoe "jereo eto" sa tsy mety ?
6. Rafotsy ( 02/03/2006 10:22)
Manao ahoana daholo !
Mba hafahafa amiko ilay titre hoe " TAFAJORO" satria efa ela mihintsy izy io no nijoro ary tena tsy lafo marina ny prime satria - de 17euros / an ho any jeunes de - de 30 ans .
Misy fety isan -taona karakarainy ary mahazo invitation ny adhérents rehetra ka ny volana Octobre na Novembre eo angamba izy izay ! Fetim -pianakaviana ilay izy ka afaka mandray anjara , tsy maintsy manatrika ny réunions de préparation fotsiny ! Inty ny téléphone : 01 40 64 86 86 .
Izaho dia tsy mpiasan'ny Mutuelle de Madagascar fa adhérente tsotra fotsiny ary miala tsiny raha misy diso fa dia mba rectifier izay mahalala kokoa !
Ralay : toa lasa nisy firesahana indrindra momba ilay fianakavina maty tany Avignon , ary ny Mutuelle no nikarakara satria adhérents tao izy efa mianaka
7. vale ( 02/03/2006 11:12)
Misaotra an'i Fiffi namoaka ny lahatsoratra eto mba halalana zavatra, dia misaotra an'i Rafotsy koa tamin'ny n° phone.
8. Fiffi ( 02/03/2006 18:17)
vale: :) :-*:-* hisaorana an'i Rafotsy eh! :-*:-*
9. fijo ( 02/03/2006 20:23)
efa nisy efa ela io,ka ,fa diso filazany vaovao
10. Fiffi ( 03/03/2006 05:27)
fijo: ka io indrindra no nahagaga ahy , sao ve hoe ho an'ny olona any Dago no nolazaina an'io ? ho an'izay mikasa ny ho avy hitoetra aty ?
11. Solitikabe ( 03/03/2006 05:49)
Nga miandry maty vo mody eh. TSY FANARIANA NY MAIMBO I MADAGASIKARA. Ka aleo ianao hihinana ny ampangono any
12. Fiffi ( 03/03/2006 06:41)
hoy Solitikabe:
TSY FANARIANA NY MAIMBO I MADAGASIKARA. Ka aleo ianao hihinana ny ampangono any
:-w:-w:-w:-w :-@:-@:-@:-@
13. booboo ( 03/03/2006 09:23)
Isaka ny novembre ilay fetin'ny Mutuelle. Efa mihoatra ny 10 taona ny Mutuelle k'ty !

Solitikabe > Hafa ihany r'ingahy zany hoe tsy very faty fa milevina am-pasandrazana zany ho an'ny Malagasy a ! Ary aza manimbazimba ny efa maty fa tsy fahendrena zany. Ingahy indray ve no ampianarina an'izany lé !!! tssssssss.
14. fijo ( 03/03/2006 19:24)
ny olana ry boboo dia ao paris foana no manao fety an
15. Fiffi ( 04/03/2006 14:09)
ny olana ry boboo dia ao paris foana no manao fety an
manao fety ahoana ry lapino ? za manko eto paris fa tsy azoko fa mba azavao hoe ? :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1052