Vazaha « nanalika » Gasy

1. Fiffi ( 01/03/2006 05:43)
Teny an’avona, fanaovana tsinontsinona ary fanalikana: izany no nahazo ity mpizaha tany malagasy nipetraka tao amin’ny Hotely iray tany an-tampon-tanànan’i Mahajanga, tamin’ny tapaky ny volana febroary lasa teo.
Tsy fantatra mazava moa izay nahatonga ireo vazaha roa lahy (tompon’ny Hotely, sy mpitantana Trano fandihizana) nisafoaka fa teo imason’ny olona tao amin’ilay Trano fandraisam-bahiny no nanalikan’ireo vazaha roa lahy ity lehilahy gasy iray. Nisy lehilahy iray, malagasy fa mizaka ny zom-pirenena alemana sendra nandalo tao amin’io Hotely io, tamin’izay fotoana izay no nahita izany fanambaniana izany, ka tezitra ary nivoaka avy hatrany ny Hotely sao dia mahazo “teny vazaha” mahery eo koa. Nahita izany fihetsika izany ireo vazaha roa lahy dia nanaovan’izy ireo herisetra ilay gasy mizaka ny zom-pirenena alemana, izay manao vakansy eto Madagasikara, ka natosin’izy ireo ary nianjera tamin’ny tany.
Nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy niharan’ny herisetra. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo vazaha roa lahy. Nahazo fahafahana vonjy maika moa izy ireo, tao amin’ny fampanoavana ary tamin’ny 23 febroary lasa teo no nandalo fitsarana. Ilay vazaha tompo-na Hotely moa dia afaka madiodio ary sazy mihantona iray volana kosa no azon’ilay mpitantana Trano Fandihizana.
Madagascar Tribune
Mpanoratra: Nivo T .
novalian'i benito ny 05/06/2006 00:07
2. Fiffi ( 01/03/2006 07:13)
:evil:
3. sipagasy ( 01/03/2006 09:05)
mmhhhh ka no tsy akatona any ny hotelindry zareo rehafa tsy azo idirana kleeee mmmhhh gggrrr
4. Fiffi ( 01/03/2006 09:15)
fa mba ratsy saina kosa aloha roe vazaha ireo zany eh!:evil:
5. ponina ( 01/03/2006 09:38)
ny vazah misy ratsy saina fa ny gasy koa raha vao anasisihana vola kely dia tampona ny maso jereo zany we afaka madiodio , izay le we aza miady @manana :cry:::cry::cry:
6. bandykely ( 01/03/2006 11:54)
Tairo indray ny OPV ary e
7. Fiffi ( 01/03/2006 15:53)
Tairo indray ny OPV ary e
8O8O8O
8. fijo ( 01/03/2006 19:38)
ka isika gasy tsy tokony hanaiky atao an'izany intsony e?antsika ny any,fa tsy azy.miala izy rehefa tsy tamana
9. vale ( 02/03/2006 11:15)
hita wa ry Fijo, izy any an-tanin'olona indray ve no tsy mahay mitondra tena, ntssss:evil:
10. yonikafopl ( 02/03/2006 16:30)
ra za de tsy manaiky za fa ampakariko ambonimbony kokoa ny fitarainako kleeeeeeeeee tsssssssssssssssss
11. Fiffi ( 02/03/2006 18:19)
andao hatao rodobe dia halantsika any fa sady tsy tompon-toerana akory nefa manjakazaka
12. yonikafopl ( 02/03/2006 18:38)
inn le Hotely fa handehanako any mihintsy de hanaovako toeran-tsy zaka, ampiasako lohan-gasy, le tena gasy aminy, :wink:
13. Fiffi ( 02/03/2006 20:03)
andraso fa hiaraka @ ndry aho
14. Herimiafina ( 02/03/2006 20:18)
Vazaha moa frantsay ry zareo o? Sa fotsy hoditra?
Taloha mantsy dia fomba filaza ny hoe "misy vazaha iray sy anglisy iray tonga tamin,ny sambo tao Toamasina", midika fa frantsay iray sy anglisy iray, fa tsy hoe vazaha roa!

Donky vazaha izany = frantsay, sa tsy izany?

Ka noho izany: :twisted::twisted::twisted::twisted:
15. fijo ( 02/03/2006 20:25)
hotely inona tokoa izany le?ao mahajanga ,za hafaka mikarakara azy raha ao ka
16. Fiffi ( 03/03/2006 05:30)
Herimiafina: ny ahy aloha hatramin'izay ka hatramin'izao dia raha vao miteny hoe vazaha dia frantsay zany , ary ireo vahiny hafa dia samy tononina avokoa hoe inona ry zareo!
fijo: mandehana ry fijo ah! fa tsy lasa rariny kosa aloha zao eh!
17. Solitikabe ( 03/03/2006 05:47)
Marina io ry FIFFI.
Saingy ny Gasy tsy manalika vazaha fa manompo vazaha.
18. Fiffi ( 03/03/2006 06:43)
Silitikabe: zany ve , tonga dia hoe manompo ?
19. fijo ( 03/03/2006 19:27)
eo mihintsy no olana,misy gasy zatra manompo vahiny loatra,hany ka mahazo vahana foana ireo vahiny
20. Fiffi ( 04/03/2006 06:44)
misy aloha hoe ry zareo mba manome asa dia afaka manao izay tiany na dia fijaliana aza no vokany nefa moa inona no mba azon'ny olona hatao raha mba io no ahitany fomba hivelomana ny fianakaviany ? marina koa fa be ny tsy rariny!!! tafahoatra loatra koa!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2539