Tazo any Toamasina , mahatratra 16 no maty

1. Fiffi ( 27/02/2006 05:48)
Be midina, ny zoma teo, no nentin’ny manam-pahefana nanehoana fa mandray an-tanana ilay resaka “dengue” any Toamasina izy. Tazo nampisy resabe tokoa, taorian’ny nahenoana fa misy koa izany “chikungunya” izany any La Réunion ka niheverana fa tratra koa i Madagasikara.
Nahazo aina ny rehetra nony nandre fa “dengue 1” no ao Toamasina. Tazo izy io, ary tsy mahafaty.
Dengue… tazomoka
Samy hafa ny dengue sy ny tazomoka, na bemangovitra.
Izany moka “aedes” izany no mitondra ny dengue 1. Tsy manaikitra afa-tsy ny antoandro izy, ary ny ankizy latsaky ny 15 taona no tena lasibany.
Ny “anophèle” kosa no manome ny tazomoka. Efa za-dratsy ihany ny Malagasy aminy, ary fantatra fa tsy manaikitra izy raha tsy amin’ny alina ihany. Mahafaty kosa ny tazomoka raha tsy voatsabo tsara ary tsy mifidy ny asiana.
Ireo tazo roa ireo dia samy azo sitranina tsara. Fa nandritra ny fifanakalozan-kevitra sy valan-dresaka niarahan’ny manam-pahefana isan-tokony (nanomboka tany amin’ny praiminisitra hatrany amin’ny sefo kartie), ny mpitsabo sy ireo manam-pahefana avy any La Réunion, no nandraisana ny vaovao isan-karazany sy nanolorana ihany koa ny fomba na fepetra noraisina iadiana tsaratsara kokoa amin’ny tazo amin’ny ankapobeny.
Ankoatra ny fanalana ny loto, ny lobolobo, ny rano miandrona, dia napetraka ny komity isan-tsokajiny hifanome tanana amin’ny isan-tokantrano.
Be hazo tsy fihinam-boa ...
Nanaitra kosa ny filazan’ity filohan’ny fokontanin’Analankinina ity. “Ao aminay misy maty 16. Voan’ny tazo daholo.” Dia nampiany hoe : “Ahoana, andriamatoa praiministra ny hatao, fa ao aminay be hazo tsy fihinam-boa; kanefa tsy manaiky ny hanapahana azy ny tompony ?”
Somary maizimaizina ny manodidina noho ireo hazo mijaridina marobe, ary toerana mando lava i Toamasina.
Rehefa nohadihadiana tsotsotra anefa, dia sady tsotra no mampalahelo ny valiny. Fianakaviana sahirana ny ankamaroan’ny mponina ary tsy taitra ny hamonjy toeram-pitsaboana noho izay tazo lazaina fa mahazatra izay.
Tsy “dengue“ akory na "chikungunya" velively. Tazo tsy voatsabo ara-dalàna, no niteraka ireto fahafatesana ireto. Mbola manaitra ny rehetra ny fanjakana amin’ny fitandroana ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra.
Nalaina avy amin'ny gazety Madagascar Tribune
Mpanoratra: Volana
novalian'i fijo ny 28/02/2006 21:27
2. vegas ( 27/02/2006 06:25)
Misaotra nanome vaovao!
:wink:
3. Fiffi ( 27/02/2006 08:21)
vegas: :) fa mampalahelo ny zava-miseho an :(:(
4. Fiffi ( 27/02/2006 20:49)
inoa hiany aza izao haretina miseho zao nefa ny eo aza tsy ahitana fanafodiny:(
5. Maheriloha ( 28/02/2006 13:33)
aza manody ny goavy manta e
6. Fiffi ( 28/02/2006 19:50)
aza manody ny goavy manta e
ahoana indray kay zany ? tsy azoko loatra eh! 8O
7. fijo ( 28/02/2006 21:27)
fiffi,ndry koa;goavy manta maha mafy tay,izay no niavian'io teny io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9042