Fanolanana zaza tsy ampy taona

1. Fiffi ( 26/02/2006 10:28)
Inona no tsy voavidim-bola ?
"Tsy azo anaovana raharaham-pihavanana"

Mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fanolanana zaza tsy ampy taona, araka ny efa nitareran-tsika azy teto ombieny ombieny. Ary ny tena mampalahelo dia hatramin’ny zaza efa-taona avy dia iharan’ny filan-dratsin’ny tovolahy na raim-pianakaviana sasany. Saiky isan’andro moa dia misy fitarainana voarain’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Anosy sy Tsaralalàna.
Ankoatr’izay dia maro ihany koa ny fitarainana voarain’ny tompon’andraikitra ao amin’ny foibe MIFOHAZA (Malagasy Ifanoroan’ny olona hay zo sy adidy) eny Ampandrana, izay manampy ny olona iharan’ny fanosihosena ny zon’olombelona. Sady manoro hevitra moa no manabe ity foibe ity mba hanampiana ireo olona sahirana , tsy mahafantatra ny tokony ataony ka manjary araraotin’ny sasany.
Fitarainana maro moa no voarain’ny foibe MIFOHAZA ka anisan’izany ny mikasika fanolanana zazavavy tsy ampy taona. Araka ny nambaran-dRtoa Rabary Mathilde, mpandrindra ankapobeny ny asan’io foibe io dia 30%-n’ny fitarainana voarain-dry zareo no mahakasika herisetra mahazo ny vehivavy na zaza tsy ampy taona. Ny zava-misy matetika dia manao raharaham-pihavanana amin’ny ray aman-drenin’ny zaza voaolana ilay olona nahavanon-doza, izay tsy tokony ekena mihitsy. Mety hifototra any amin’ny ray aman-drenin’ny zaza indray mantsy izany avy eo, na mety hiala maina fotsiny ry zareo.
Vao tsy ela akory izay, araka ny nambaran-dRtoa Rabary Mathilde, dia nisy zazavavy 14 taona naolan’ny raim-pianakaviana iray. Nitory ny ray aman-drenin’ilay zaza, saingy nangataka raharaham-pihavanana ilay toriana. Nifanarahan’ny roa tonta fa tsy entina any amin’ny fitsarana ny raharaha fa ilay raim-pianakaviana nanolana ilay zazavavy no hiantoka ny saram-pianaran’ilay zaza sy ny zavatra ilainy mandra-pahatonga azy feno 18 taona. Nanaiky ny ray aman-drenin’ilay zaza, kinanjo ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza indray avy eo no nitory tany amin’ny fampanoavana, satria hoe nitaky volabe taminy ny ray aman-drenin’ilay zaza.
Niala maila fotsiny ny ray aman-drenin’ilay zaza. Toy ny tsy nisy ny zava-niseho tamin’ny zanany vavy, ary tsy afaka mitory intsony izy satria tsy nisy porofo azo aseho in-tsony.
Manoloana izany toe-javatra mampalahelo izany indrindra no mahatonga ny tompon’andraikitra ao amin’ny Foibe MIFOHAZA izay miaro ny zon’olombelona fa tsy tokony ekena ny raharaham-pihavanana amin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Heloka bevava rahateo izany ka tsy tokony ho voarebirebin’ny volabe onitra fotsiny ny ray aman-dreny.
Nalaina avy amin'ny gazety Madagascar Tribune
Mpanoratra: Nivo
novalian'i Fiffi ny 27/02/2006 15:46
2. Fiffi ( 26/02/2006 10:31)
tsy tokony ho voarebirebin’ny volabe onitra fotsiny ny ray aman-dreny.
Mampalahelo tokoa izao zava-miseho izao. Tokony mba hiheritreritra ny ho avin'ny zanany ireo ray aman-dreny manao an'izany! :evil::evil:
3. booboo ( 26/02/2006 19:01)
Fa tokony ho inona no ataon'ny RAD araka ny hevitrao ara ? Ny onitra nangatahin'ireo RAD ireo ange dia ny hoe hiantohan'ilay tsy vanona ny fianaran-janany mandra-paha feno 18 taona azy. Efa endrika fieritreretana ny ho avin'ny zanany zany amiko. Sa ve hoe satria vola no resahina dia matim-bola aby reo RAD reo ?
Ny anà tsy tokony ho onitra ara-bola ihany fa mbaka ny fanan'ilay tsy vanona rehetra no nangatahina ho onitra, na ekeko sy tsapako tsara aza hoe tsy hahafoana raha nosimbainy t@ ilay zaza mihitsy ireo.
4. Fiffi ( 26/02/2006 19:26)
booboo a!
"Tsy azo anaovana raharaham-pihavanana"
ka ny fahazahoako ilay izy koa dia misy koa ireo RAD manaiky ny ahazo vola be dia adaboko any ve ny fanenjehana ireny olona ireny ?Toa nahita mihintsy aho hoe voavidim-bola ny RAd dia nalana ny fitoriana:(:(
5. jentilisa ( 27/02/2006 05:06)
izay indrindra ilay hoe aleo izay ataon'ny fitsarana any ho henoina fa rhefa manaiky amin'ny zavatra tsy tokony ekena dia ifoteran'ny rambony!
6. Fiffi ( 27/02/2006 06:03)
mampalahelo ny toe-javatra tahak'izao:(
7. booboo ( 27/02/2006 12:41)
alao an-tsaina kosa ny raha tsy maintsy hiaretany raha hiandry ny fitsarana ara zareo : ela velona sady tsy hay na hanakory ny valiny, ny bla bla bla-n'ny manodidina mandeha ihany ( ho zakan'ilay ankizy ve ny tondro-molotry ny namany nefa tsy izy aza no victime ? sns), tsy misy na kely ny raha mety hanampy ilay zaza sy ny rad @ fihatrehana ny raha mafy lalovan-dreo ( rehefa ela ny ela ho reraka ihany vatana sy ny saina satria miady irery )sns. Ahoana moa no tsy hanaiky ny onitra ara-bola ny ankamaroan-dreo ?

Sady koa firy @ fianakaviana niharan'ny fanolanana any M/car no mahafantatra ny zony sy ny tokony atao ( ankoatra ny manatona dokotera ) rehefa sendra ny tranga ôtra io ? Vitsy dia vitsy !
8. Fiffi ( 27/02/2006 15:46)
booboo: marina daholo izany an! fa mampalahelo eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1331