Tonga ny nandrasana

1. Fiffi ( 23/02/2006 05:42)
Tapitra hatreo ny resabe izay nataon’ireo milaza azy ho mpanohitra ny fitondrana ankehitriny. Niantso ny mpanao gazety ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ny anton’io fihaonana io dia ny hanehoana ireo zava-bita nandritra ny 4 taona sy ny tetik’asa maro izay tsy maintsy ho tanterahana satria efa nifanomezana toky tamin’ny vahoaka Malagasy ny fanatanterahana ny asa hahatonga an’i Madagasikara ho firenem-banona sy matanjaka.
Filoham-pirenena miezaka ny hampiarina an’i Madagasikara no hita. Filoham-pirenena izay manandratra hatrany ny maha firenena mahaleo tena tsy azo ozongozonina ny firenena Malagasy, sady ihany koa tsy azon’iza na iza ho baikoina amin’ny tetikasa ho fampandrosoana ity firenena ity no hita taratra.
Firenena manana ny maha izy azy no tsy maintsy hatsangana fa SANATRIAVINA izay hiandry baiko avy amin’ireo mitady hanindry (1) lava izao ity firenena manana ny maha izy azy ity.
Tsy maintsy haverina ny fifampatokisana nisy, 4 taona lasa izay satria tsy mandrimandry ireo « mpanoharina » (2). Ireo mpanoharina izay miezaka hatrany ny tsy hananan’ity firenena malalantsika ity fahaleovantena marina.
Nijoro ny kolonely Ratsimandrava izay nitady làlana hialana amin’ireo mpamingana ny firenena Malagasy, saingy... nalavon’ireo tsy tia ny firenena hiarina ny tenany sy ny fitiavan-tanidrazana niredareda tao aminy. Ankehitriny, Filoham-pirenena manana finiavana hanarina marina ny firenena no « sahy mijoro » (3) ka manambara manoloana ny mpanao gazety fa « tsy naman’ireo izay mihemotra ny tenany », koa zovy indray ireo « tsy maty voalavo an-kibo » (4) sahy hijoro hanohitra ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy nandritra izay 46 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena Malagasy izay ? Aoka hazava, fa manana ireo zanany mahamay ity Nosintsika ity ka tsy matahotra izay « hangoro vitsika ». Ampio hery izy ireo amin’izany fa aoka kosa isika tsy ho tafiditra amin’ny famendrofendroana izay ataon’ireo tsy maty voalavo an-kibo miezaka hatrany ny hahakivy antsika. Koa sahia isika mianakavy sahy ho saro-piaro sy hanambara ary handray andraikitra fa : tonga ny fotoana sy ilay nandrasana hatrin’ny ela hamerina amin’ny toerany ity Nosy ity.
(1): Manao izay tsy hampivoatra.
(2): Ireo izay niezaka hatrizay (Fanjanahan-tany, Repoblika I, Repoblika II ary Repoblika III) tsy ananantsika Malagasy indrindra ny fahaleovantena ekonomika.
(3): Na hamoizana ny « aina » aza.
(4): Ireo izay malahelo ny tongolon’i Egypta.

Nalaina avy aminn'ny gazety Madagascar Tribune
Mpanoratra: Andry R.




















novalian'i fijo ny 02/03/2006 20:26
2. bozimanga ( 23/02/2006 10:04)
zany ve??????????????????
3. xxx ( 23/02/2006 13:16)
Nahazo seza in1 an huuummmm.Zay to mbola mijaly fona ko , otran`ny vome mijaly ary.:-D:-D:-D
4. Fiffi ( 23/02/2006 16:20)
f'ita wa ry xxx eh ? :(
5. fijo ( 28/02/2006 21:50)
minoa fotsiny ihany ka
6. Fiffi ( 02/03/2006 18:20)
minoa an'iza hono ry fijo ?
7. fijo ( 02/03/2006 20:26)
minoa ahy ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5683