Rovan'i Manjakamiadana

1. Fiffi ( 22/02/2006 05:28)
Nandray anjara amin'ny fanarenana ny Rovan'i Manjakamiadana ny vondron'ny menavazana tia tanindrazana tamin'ny 1947 ( VMTTM 47 ) Nanolotra lelavola voaangon'ny fikambanana izy ireo , homeny ny komitim-pirenena ho amin'ny fanarenana indray io vako-pirenena io.Mpikambana miisa 150 eo ao amin'ity VMTTM 47 ity no nanao latsakemboka , fitia tsy ma hetra tamin'izao adidy masina izao.Fitaratra ho an'ny sokajin'olona hafa eo amin'ny firenena ihany no nataon'ireto zokiolona mivondrona amin'ity fikambanana ity izao.Iaraha-mahalala eto amintsika fa anisan'ny sokajin'olona anjorom-bala ihany , na ao anatin'ny sokajin'olona sahirana amin'ny ankapobeny ny ankamaroann'ny zokiolona.Na azo lazaina ho nahavita be teto amin'ny firenena aza izy ireo , amin'ny andron'ny 29 marsa , fitsingerenan'ny tolom-panafahana , 59 taona lasa izay , no mba tsaroan'ny rehetra.Mikasika ny asa eny an-dRovan'i Manjakamiadana , efa amperinasa tanteraka izany dia ny Colas , miaraka amin'ireo fitaovana vaventy sy isan-karazany ampiasainy.Raha ny hoenti-manana dia mbola mila ny fahalalan-tanan'ny rehetra ihany.Tonga amin'ilay fitenenan'Ny Ombalahibemaso hoe "tsy adidiko izaho samirery , fa adidiko izaho sy ianareo" izany hoe adidin'ny rehetra rst ankanavaka manerana ny Nosy mihintsy.
Nalaina tamin'ny gazety Taratra laharana0613
Mpanoratra: Andrianantenaina
novalian'i fijo ny 02/03/2006 20:35
2. vale ( 02/03/2006 11:19)
Tsara kosa izany koa, misy fanantenana.:)
3. Fiffi ( 02/03/2006 18:20)
fa toa hoe efa ela be no tsy nihetsika ny fitaovana ?
4. fijo ( 02/03/2006 20:35)
tsara ary mila famporisihana io ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.5214