sesitany: oeil du diable!

1. jentilisa ( 20/02/2006 07:36)
asa raha efa henonkenonareo fa namoaka sarimihetsika i Spy D. Raha amin'izao fotsiny ka nahita ny bande annonce amin'ny alalan'ny clip dia hita fa ho tsara io tantara iray io. tsy ho tahaka ny fahita hoe gasy no manao azy...io no sarimeihetsika gasy mety ho tiako, fa ny hany kilemany dia amin'ny teny frantsay ilay zavatra. Izay indrindra no manamarika hoe tsy nataony ho an'ny gasy ihany ny zavatra navoakany fa hanafika ny tontolo iraisam-pirenena mihitsy. Mety tsy hitsanga-menatra ny gasy! tombatombana ihany moa ny ahy!
2. Fiffi ( 20/02/2006 08:13)
hoy jentilisa: "dia hita fa ho tsara io tantara iray io. tsy ho tahaka ny fahita hoe gasy no manao azy...
fa angaha moa ry jentikisa ratsy daholo ny ataon'ny gasy? fa angaha raha gasy no nahavita izany dia hatao hoe" hoe gasy no manao azy" ? fa ahoana kosa aza eh? mahavita zavatra manja be nie ny gasy eh!
3. jentilisa ( 20/02/2006 09:12)
Izany hoe resaka no atao eto. Matetika ny sarimihetsika gasy dia mandeha be loatra amin'ny fihetseha-po! ka na ilay tantara mampalahelo be na izay mampihomehy fotsiny; hany ka lasa mitovitovy be izany ilay zavatra mivoaka.

Manaraka izany tsy hoe rehefa manana camera sy ny fitaovana hafa dia mahazo manao io sarimihetsika io avokoa. Aiza koa resaka 30 miniotra eo an-tongom-parafara ve no hojerenao maninona raha atao tantara amin'ny radiƓ avy hatrany? Ny gasy anie be ny mahay milalao fa ny mbola mahataraiky azy dia eo amin'ny fanatontosana sy ny montage...raha ny fijeriko azy io. Ilaina ihany ireny tantara mba misy toy ny focus ireny toy ny mametraka hoe ilay aoriana no jerena fa tsy ilay eo aloha! sao lava loatra ny zavatra lazaiko fa izao fotsiny ihany. Jereo ny clip navoakan'i Spy D, dia ho hitanao hoe mampilendalenda ve ny hijery azy sa tsia? izay no nahatong ahy hanoratra.

Hevitra ity hoe: aleo koa miofana teatra tsara ka izay mivoaka avy any no miditra sehatra sinema fa mahakamo koa anie ny mihaino ilay olona manao tsianjery masiso tsy miaina e!

Raha ireny tsiky tsidika ami'ny tv plus ireny koa mahafinaritra koa! miaina tsara!
4. aladin ( 20/02/2006 10:20)
izaho aloha nahita ilay clip ary hitako fa tena milay le izy e! tsy haiko aloha na gasy na tsia ny trano famokarana nanao ny horonantsary fa dia hita ho mahafehy tsara ilay taranja. tsy hoe koa akory hoe rehefa gasy dia ratsy fa tsy azo lavina kosa hoe mbola vitsy ny horonantsary gasy no mahatoraka ireny. asa raha izaho zatra mijery film vahiny marobe fa dia mahita ho kianina be amin'ny filma gasy. izany angaha no antsoina hoe "amateur" ny mpilalao miakanankana na tsy mahay mihaina ilay sehatra fa toa manao tsianjery araka ny alazain'ijentilisa:-D, ny effets speciaux dia mbola tsy ao sns e! asa raha tsy fahampiana fitaovana na traikefa na kitoatoa tsotr'izao. misy mantsy ny trano famokarana no mahavita mamoaka horonantsary iray ao anatin'ny roa volana monja ke ny avoakany avy eo dia tsy afaka hitaha velively amin'ny horonantsary vahiny izay aman-taonany vao tontosa.Mbola mila hezaka e!!
fa raha hiverenana ilay spy D dia ny sombiny aloha dia hitako fa tsy mena-mitahy amin'ireo horonantsary tsara mihitsy e! mampilendalenda marina;-);-);-)
5. ravakamalala ( 20/02/2006 11:37)
aiza no mba ahitana an ilay clip? misy ve am aterineto?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2073