tetik'asa misy vola

1. nyeja ( 13/02/2006 13:50)
salama isika rehetra
namorona tetik'asa vaovao ny tenako, fanabeazana ny zaza malagasy hahalala bebe kokoa an'i madagasikara, "question pour un champion malagasy "natao amin'ny fiteny malagasy sy frantsay izy ity ary efa nataoko tamin'ireo sekoly eto an-toerana, KALAZA no anaran'ity tetik'asa ity ary manome asa ny tanora, tsy mora anefa y manao zavatra rey olona fa tsy vitan'ny hafanam-po ho fitiavana ity tanindrazana malala ity fa maro be ny zavatra atrehana, raha misy namana liana amin'ity tetik'asa ity dia azonao atao ny manoratra mivantana amiko .
misaotra mialoha ary mirary soa Ny eja
novalian'i chipoli ny 28/02/2006 13:36
2. fiaritiana ( 13/02/2006 15:42)
tena anisan ny mahatalanjona tokoa ity tetik asa ity, zà rahateo moa tia question pour un champion rahateo na dé tsy dé mahay firy aza, fa mba saika hanontaniako hoe fandaharana an i Madagasikara ve izy io sa???
Misaotra anao Ny Eja:-*:-*
3. naritsimba ( 14/02/2006 04:48)
tsara fa tohizo e
Mampirisika an'i nyeja ho tody hatramin'ny farany
4. njhaak ( 14/02/2006 08:30)
Manahoana e! ahoana moa no ahazoako vaovao momba ilay izy ,tsara ilay izy fa ny tiako apetraka dia ny hoe: afaka manoratra @ -ko ianao milaza ny andinindinina, misaotra tompoko.
5. nyeja ( 18/02/2006 12:11)
misaotra an'i fiaritiana nankahery, valiako ny fanontanianao
aty madagasikara no anaovana ny kilalao kalaza, momba an'i gasikara avokoa ny fanontaniana rehetra ao anatiny ary ny tanjona kendrena moa dia ny hahaizan'ny malagasy ny momba ity tanindrazany ity.
misy fanomezana asa ho an'ny tanora ity tetik'asa ity satria ny faniriako dia atao toy irony activite para scolaire ny kilalao ho an'ny ankizy eny an-tsekoly ny antony dia tsotra, mifandray amin'ny lesona izay ataon'ny ankizy any ampianarana ny kilalao kalaza ka noho izany dia azo ampiharina tsara amin'ny fianarana sady fialamboly .
afaka mamaly izay fanontanianareo ny tenako tompoko
6. chipoli ( 28/02/2006 13:36)

Mahafinaritra sy fomba fitaizana ny zaza malagasy ho tia ny tenindrazany ity tetikasa ity.
Liana sy te handray anjara amin'izany aho koa mba azoko fantarina ve ny contact mba ahafahantsika mifandray sy ahazoako fanampina fanazavana ahamatotra ny asa

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0482