inona zao no mety any mada

1. zandrikely ( 08/02/2006 19:43)
inona zao no heverinareo fa mety zavatra mandeha any mada @ zao , za nihevitra hoe ra maka concession dia mamboly fary anaovana carburant toy ny any bresil , manao ahoana reeeeee na ilay ethanol
novalian'i jackand ny 23/05/2006 11:44
2. fasaly ( 08/02/2006 20:12)
ka ny tany ve no tsy misy e! madagasikara midadasika be kou! fa lay oul no tsy mazoto hiasa angamba amzany:roll:
3. milamina ( 08/02/2006 22:06)
Mpandefa : zandrikely [ Valio ] 08-02-2006 23:43:05
Lohateny : inona zao no mety any mada
inona zao no heverinareo fa mety zavatra mandeha any mada @ zao

de refa tsiriritiny manapaefana ry zandry de afoizo maimaipona :-D tsy misy afatsy misolelaka aminy ravalo iany
4. Lejim ( 09/02/2006 00:59)
Tsara aloha izany fa mila manampahaizana na specialiste mihitsy vao mahatafavoaka azy. Raha mahita ingenieur amin'izany dia vola be. lol
5. fijo ( 09/02/2006 04:23)
hetseo fa hevitra tsara
6. Fiffi ( 09/02/2006 04:55)
dia miandry ny avy @ fijo izany !
hoy milamina "tsy misy afatsy misolelaka aminy ravalo iany ":-w:-w raha manan-kevitra tsara na mitombona tsara ianao dia arosohy ary hetseo ary!
7. rurik ( 09/02/2006 09:24)
evitra tsara fa ny olana any amitsika dia maro ireo olona pitsetsitra ka tsy ho mora ny hanaovana izany.
8. sonwin ( 09/02/2006 10:21)
mhhh
9. Samoana ( 09/02/2006 12:21)
rurik > raha maro ny pitsetsitra de karamaintsika izy hitsetsitra fary e !
milamina> ireo misolelaka koa hilaina mba azahoana tany maimaim-poana !I fasaly izao efa vonona hanome tany:D
Lejim > manantena ilay injeniora entin'lejim izany e !
fijo > maître d'oeuvre @ encouragement !
Samy ahazo ny anjara asany rehefa tsinjaraina hatao tetipohy toy ny mangahazo fa aza mifankalahelo e !:wink:
10. milamina ( 10/02/2006 12:01)
de ny samoana misolelaka aminiza?:lol:
11. Samoana ( 10/02/2006 14:11)
afaka mifampisolelaka isika mitsam raha izay no hilaina hampilamina ny tany e ! Tsy quoi mihintsy:wink:
12. mirana5 ( 10/02/2006 17:47)
oatran'y taloha ihany zany ny tantara tsisy fiovana é, be resaka oatran'Ambositra fotsiny ny mpitondra é:oops:oops::oops: tsy angefany aho oooo
13. zandrikely ( 26/02/2006 19:51)
ary hono indray ary , ra mangataka tany be dia mamboly sy manao usine mpanodina eo antoerana , mety anao ahoana reeeeee
14. rakotoson ( 11/04/2006 02:49)
Manao ahoana zandrikely
Izao dia mitady namana hiompy akamba aty mada aho fa amin'izao dia mbola miasa amina ferme crevetticulture LGA rehefa avy niasa tamin'ny AQUALMA , ministere peche et des ressources halieutique , sortant institut halieutique et des sciences marine université toliara aho ary 8ans d'éxperiences ka mikasa hanao ny ferme manokana ka raha misy vonona anareo aty andafy dia manao 50% 50% antsika amin'ny budget , fa vola be io crevettes io aty mada .
VELOMA
15. soanja ( 17/04/2006 15:03)
Aha mahafantatra an-dry Mr Henry sy ry Jaona ary ry Etienne izany ianao? Volabe tokoa io ka? Any Mahajanga angaha ianao?
16. madera2 ( 22/04/2006 17:54)
tena maro ny zavatra azo atao aty fa ny fitaovana sy ny lalam- barotra no sarotra , ary ny fond entina hiasa koa no sarotra . raha tena azo atao aty izao dia ny fambolena , sy fiompiana fa malalaka aty . ny olana lehibe koa aty mada izao dia tsy fandriam-pahalemana ka tsy voaharo ny vahoaka na dia manana eritreritra hamokatra sy hiompy any ambanivolo any noho ny dahalo fa vahoaka gasy dia mazoto fa ampijaliana satria......... valio
17. jackand ( 05/05/2006 00:54)
ankoatra ny fary koa anie dia azo trandrahana tsara ny Jatropha sady indray mandeha fotsiny no mamboly dia 50 taona vao maty e! sady efa voafehy ny extraction:):!:
18. rapala ( 09/05/2006 19:49)
jackand> inona izany jatropha izany moa?:oops:
19. jackand ( 23/05/2006 11:44)
Ny jatropha dia zava maniry efa ela teto Madagasikara azo anaovana Biodiesel, efa manana anarana tena malagasy toy ny KINANAMPOTSY ATY AMPOVOANTANY; VALAVELONA any atsimo ary Voanongo any amin'ny faritra Alaotra. anisan'ilay atao hoe Oléagineux izy ka manana menaka hatrany amin'ny 65% any ho any.Ka mahasolo Diesel efa nisy fiara nanaovana fanandramana na teto an-toerana na indrindra any europe, tsidiho ny tranokala Jatropha dia ho fantatrao bebe kokoa. na apetraho ihany ny fanotaniaian fa mety afaka mamaly aho .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3018