LALAM-PIFIDIANANA : « Mety hampisy krizy raha tsy hahitsy »

1. Fiffi ( 02/02/2006 06:28)
Mbola ifandroritana hatramin’izao ny momba ny hanitsiana na hanovana ny lalàm-pifidianana na tsia .Efa samy naneho ny heviny ny akolafin-kery samihafa.Ahoana ny fijerin’ny Komity mpanara-maso ny fifidianana ( KMF-CNOE)Dinidinika tamin’ny sekretera jeneraly , Atoa Rakotoarison Bruno : « Be dia ben y zavatra tokony hahitsy amin’io lalàm-pifidianana ankehitriny »

Ohatra amin’izany ny tokony hanafoanana ny ordonnance amin’ny fifidianana dia mitovy lent any mpifidy.Fa tsy afaka maka izany ohatra ny any amin’ny kaominina tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana . Ny ezaka dia ny hisoratan’ny ùpifidy amin’ny lisi-pifidianana . Tokony hahitsy ihany koa ny fahazoan’ny mpifidy , ny delegen’ny kandidà , ny mpanara-maso sns , manao fitarainana sy fitoriana avy hatrany , hatrany ifotony na any amin’ny biraom-pifidianana , raha misy hitan’izy ireo fa tsy ara-dalàna. Na voalazan’ny lalàna aza io , misy sakantsakana hatrany. Tokony hazava ihany koa ny amin’ny vola enti-manana ny fampielezan-kevitra , ohatrinona , nankaiza avy …. Toa ny manam-bola no tena jeren’ny mpifidy , fa tsy ny programany ?toa izany koa ny tsy tokony hirotsahan’ny tompon’andraiki-panjakana amin’ny fampielezan-kevitra , ankoatra ny Filoham-pirenena , izay tokony hametra-pialana aloha raha hirotsaka hofidiana . Mbola ho maro ireo andininy tokony hahitsy amin’ny lalàm-pifidianana ankehitriny . Ny fiaraha-midiniky ny rehetra , araka ny tolo-kevitry ny KMF/CNOE no anisan’ny hahazoana manao izany. Mba tsy hifandroritana indray koa izay ho volavolan-dalàna mety hatolotra eny anivon’ny Antenimiera roa tonta mpanao lalàna.Raharaha hafa indray izay.Maro an’isa eny amin’ny Antenimierampirenena ny antoko eo amin’ny fitondrana , izay toa malaina amin’ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana .

Nalaina tamin’ny gazety Taratra laharana 0596
Mpanoratra: R.Nd
novalian'i fijo ny 07/02/2006 21:13
2. Ragadona ( 02/02/2006 08:09)
Ra za manokana alo dia somary hafahafa ihany hoe tamin ny andron dRatsiraka hita ny tsy nampety azy fa hoe tsy maintsy ovana nefa ndray amin izao toa mody arirarira ary deraina ho tsara mihitsy aza
3. Fiffi ( 02/02/2006 15:33)
Ragadona: tena tsy hita intsony hoy aho izay hasiana ny loha indraindray . Mivadibadika foana ny filazan'ny olona :roll:
4. fijo ( 02/02/2006 20:25)
misy zavtra mila ahintsy ao.ka tokony miaraka mivory ny hery rehetra mitady io vahaolana io
5. eprom ( 03/02/2006 05:48)
Ity izao soso-kevitra iray ialana ny toy ny t@ 2002 ireny:
1)Alefa any @ ( na angonin'ny) ministeran'ny ati-tany ny vokatra(pv), de anjaran'ny ministera no mandefa azy @ HCC. Teo aloha de mety ho vokatra 2 samy hafa no azon'ny ministera ( ilay alefa @ radio sy gazety io )sy ny azon'ny HCC .
2)terena ny ministeran'ny ati-tany hamoaka ampahibemaso ny vokapifidianana voarainy isaky ny birao fandatsaham-bato. Tsy voatery tononina @ radio io fa na @ internet aza de mety. Eo no ahafahan'ny tsi11 manao fampitahana manokana ny pv any aminy sy izay mankany @ HCC. Teo aloha de safidin'ny ministera fotsiny io. In11 aza ajanony ny famoahana ny vokatra de atao hoe "tsy ôfisialy anie io eh, miandry ny HCC eh..".
3) Afaka manao fanohanana any @ HCC ny ankolafin-kery rehetra raha hitany fa misy samy hafa ny vokatra any aminy sy any @ HCC. Teo aloha de any anaty PV ihany no ahafahana manao fanohanana. Le PV @ io tsy fantatra na le voarain'ny HCC na tsia.
6. eprom ( 03/02/2006 06:20)
Ireto koa misy fepetra tokony horaisina
Matetika no misy birao nofoanana ny vokatra ao aminy. Hadisoan\'ny olona vitsy no hamerezan-jo mpifidy anjatony. Noho izany :
- Isaky ny misy birao nofoanana ny latsa-bato tao aminy de tsy maintsy misy sazy omena izay nanao hadisoana. Fitsarana hafa no miandraikitra an\'io
- Averina ny fifidianana any @ ireo birao ireo raha mety nanova ny vokatra ny nanafoanana azy.
7. fijo ( 03/02/2006 19:48)
ity farany ity no tsara raha ampiarina;satria manafay ny efa zatra miolika io
8. Fiffi ( 04/02/2006 07:44)
ka hanaiky an'io ve ny andaniny sy ny ankilany ?
9. fijo ( 07/02/2006 21:13)
izay indray raharaha hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2716