inona ny voninkazo tena tsara atao an-jaridaina?

1. jentilisa ( 01/02/2006 12:29)
Mba lasa ihany ny saiko sao dia misy ny voninkazo manokana mety atao an-jaridaina!
2. booboo ( 01/02/2006 13:15)
tsy misy oe voninkazo manokana fa rehefa voninkazo dia mety aby aby. Anjaranao fotsiny no mametraka azy @ toerana sy vanim-potoana ahafany miaina tsara ( toerana malomaloka, talaky andro, ny karazan-tany ilainy, ... ).

3. diamondra27 ( 01/02/2006 14:01)
misy kosany koa!
aiza enao no mipetraka (pays), de inona ny saison 'zao , fa miankina @ zay kosa e!

4. sonwin ( 01/02/2006 14:14)
Maro ny voninkazo fa ny raozy no tsara indrindra, raha manana karazana raozy miloko samihafa eo an-jaridaina, lafatra!
5. booboo ( 01/02/2006 14:51)
diamondra27 > mino enao fa tena misy voninkazo " manokana " tsara atao an-jaridaina ? ny @ saison iraika fotsiny efa misy karazany booooooooooobaka beeeeeeeeeeee mitsy ! na atao haie na atao bordure na @ pots fotsiny aza défa misy be dia be mitsy !
6. diamondra27 ( 01/02/2006 20:18)
jentilisa aloha no nanontany de izy no novaliako e!

zao an! karazana zaridaina inona no tianao atao?professionnel sa mba amateur?

Firy m² ny ametrahana azy, de atao kilavalava sa boribory sa rocade?

De oviana ni tianao ambolena azy fa misy saison ny fambolena ny fleur fa tsy ataotao foana arakaraka ilay fleurs tianao

Miankina @ zany ny valinteny
7. diamondra27 ( 01/02/2006 20:21)
Misy 'zany ny fleurs tsy mila karakaraina fa refa nambolena indray mande izy de tsy mila fikarakarana intsony: oeillets, ...
Ny sasany indray isantaona ihany no velona: belle dejour, pensée...
Ny sasany indray arakaraka ny saison:dhalia, glaieul,tulipe...
8. fasaly ( 01/02/2006 20:39)
jnetilisa: ny ahy ny voninkazo tiako atao eo anjaridainako dia ny voninkazo maharitra indrindra ny flemabonikazoany ohatra raozy voalzan'i sonwin io, fa raha any dago enao de mino aho fa hamelana foana ny vonikanzo rehetra fa io ny mateza no tsara atao eo anjaridaina otran'ny any amintsika dia ny raozy ihany sinon misy karazana vonikazo hafa koa fa mety tsy haharitra ny felmabonikazo, fa io miakina amizay tianao ihany hoe vonkazo inoa????...
9. xxx ( 02/02/2006 04:27)
Fahafinaretan'ny saina ny mijery ny voninkazo sy mikaraka azy.Araka ny vaninandro anefa no tsara ambolena azy.Ny rose no tompon'ny laka ary ireny no mateza. Raha manana toerana malalaka ianao dia tsara raha asiana kokoa masombika ary toy ireny Palm( plage)ireny. Tandremo anefa ny mividy kokoa ao tana fa raviny fotsiny.Raha mividy kokoa palmier ianao dia jerevo tsara ny vatana kokoa ary ao ambaniny misy fakany. Foulpoint, be mpamitaka, mody manao mampalahelo ny vehivavy mibaby zaza mivarotra voninkazo fonosiny bozaka. Velona amin'ny rano hoy izy dimy vavy mitondra karazana voninkazo kanefa na iray aza tsy nisy fankany.Very aho volako,loza ity fa nasiso ny rano tamin'ny vazo
10. jentilisa ( 02/02/2006 06:52)
izaho ry zareo dia eto Antananarivo a! ny zaridaina indray dia 4x5 eo ho eo ary efa-joro izy io sady voafefy tamboho rindrina. Ahoana ary raha tahaka izay?
11. booboo ( 02/02/2006 10:38)
ny sisin'ny tamboho, tsara atao massif ( tsy haiko hoe inona no tian'ingahy, fa ny anà ireny vivaces isa-karazany ireny no nataoko ), ny eo am-povoany ndray gazon, isaka ny zoron'ilay zaridaina nasiako bac à fleurs avoavo ireny dia voninkazo à bulbes beeeee reny nataoko tao, ny sisiny manaraka ny lalana mankany an-trano ndray rosiers en plate bande ( ilay fohy kely beee mamelana beeee reny fa tsy haiko ny anarany ).
Nasiana vato mamaritra ny massif sy ny ny gazon.

Andefasako sary ve ingahy refa mamelana aby aby zareo ? hihihihihi
12. diamondra27 ( 03/02/2006 08:31)
ireto izany misy karazana voninkazo mba tiako e!

Araka ny tenin’ny be sy ny maro izany moa de ny rose no voninkazo tsara sady manitra . Io anefa de misy rosiers grimpantes, arbustes,tiges, miniatures ary botaniques ka de anjaranao ny misafidy azy hoe: aiza ny toerana tianao ametrahana azy ao anjaridaina.

Raha te-hanao bouquet indray enao de ireto no mety:

Fleurs de semis et bouquets: ageratum,alyssum,antirrhinum, begonia, calendula,clarkia,convolvulus,cosmos,dahlia,delphinium,eschscholtzia,godetia,lavatera, linum, lobelia,phlox,rudbeeckia,petunia, papaver, dianthus, barbatus, oeillets pour jardin, pois de senteur


Raha vivaces indray de ity:

Anemone, aconit, aethionéma, corbeille d’or, boton d’argent, oeil de boeuf, asters, oeil de Christ, myosotis du caucase, funkias, campanules, chrysanthèmes, marguerite, delphinium, cœur de marie, lupin, rudbeckia, pourpre, geranium, gypsophile paniculé, iris, pois de senteur vivace, lavande, croix de jérusalem, pivoine, phlox, primevères, RUDBECKIAS,lis des crapauds, violette cornue

Raha bulbeuses indray de:

Anémone blanda, crocus, cyclamen, dahlias, glaïeuls, jacinthe,Iris, lis, muscari,narcisses, tulipes

De mahaiza mifidy ze tianao fa ny ahy de ireo aloha no tiako e !

de mazotoa mikarakara

13. kally ( 03/02/2006 12:38)
Torohevitra kitsotsotra Jentilisa raha miady @ piesinao:ilay rindrina asio hazo makarakara afaka handadizan'ny voninkazo dia asio vonikazo mandady be hanakona azy : raozy, sarisarim-bomanga na lierres fotsiny 'z tenao.
Na raha tsy tianao io dia manamboara fem-barika ahafahanao manantona pots maromaro mameno an'ilay rindrina,dia izay voninkazo tianao no ataovy ao (jereo na maloka na talaky andro) ilay rindrina.Dia izay vao asianao voninkazo eo ambany(@ tany), ataovy izay mora ambolena aloha @ izao vao manomboka izao : mavo adala be dia be na dahlia na margerity izay tianao...dia ovay miandalana araky ny fitiavanao azy.mazotoa e!
14. Herimiafina ( 13/02/2006 23:05)
jentilisa:

Mba lasa ihany ny saiko sao dia misy ny voninkazo manokana mety atao an-jaridaina!

Betsaka ny voninkazo azo hisafidianana arakaraka izay tianao ho endriky ny zaridainanao.

Ireto misy ohatra:

-Palmier trièdre amakiroa ohatra.
-Manodidina azy asianao ireny Euphorbia kely ireny (karazana songosongo).
==Manana endrika avy any atsimo ny tokotaninao amin'izay.

-Azalée, asia na Glaieuil sy pika manodidina azy eo.
-Mihantona amin'ny rindrina, orchidae maorimaorina kely ambonina pot apanga, tsy mila tany fa lomotra no haniriany.
-Mazava ho azy, misy apanga anaty pot eo ambanin'iny.

sns.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2846