Mpangalatra ny orinasa MADACOM

1. xxx ( 24/01/2006 14:25)
Tsikaritra tato ho ato fa manararaotra be mihintsy ny orinasa Madacom. Ho an'ny olona tsy maharaka an'izany aloha dia voa mihintsy e! Matoa ny tenako manoratra izao taratasy izao dia efa tratra. Ary tsy in-dray ihany fa im-betsaka. Tafahoatra loatra marina e! Ohatra amin'izany: crédit de 10 000f lasa 5200f après 50 secondes d'appel. Atsipiko aminareo izao teny izao mba hieritreretanareo tsara. Asa na tsapanao izany na tsy. Fa mbola ho tratra ihany ianao. Ny fantatro fotsiny aloha dia ny hoe: MPANGALATRA NY MADACOM!
2. dadabe ( 24/01/2006 15:15)
:°):°)
3. vale ( 24/01/2006 15:25)
hummm! tena tsy rariny kosa izany!
4. fisher ( 24/01/2006 15:45)
Ie.'za zao nandefa sms, nefa ny ahy soa cool d je possède sms gratôsy. d nefa manotany credss aho d tonga d miena b nedala.
Tsy izany ihany fa na mbip aza d angalaran'drazalh.
5. vale ( 24/01/2006 16:51)
8O grrrr!:twisted:
6. yonikafopl ( 24/01/2006 18:32)
ie, ny fianakams mikonainaina mihintsy we mi bip de mihena ny credit, na mandefa msg indroa de tonga de vitaaaaaaaaaa
7. Herimiafina ( 24/01/2006 20:01)
Tsy maintsy mba mangalatra izy mba hahazoany benefice satria tsy orin'asampanjakana ka mitsinjo ny intérêt-ny vahoaka mialoha fa ny azy ihany aloha, sady eo ihany koa ny situation d'oligopole amin'ny telephonie mobile any Dago any, tssss:twisted:
8. Vahinala ( 24/01/2006 21:06)
Toa tsy ny madacom ihany no manao an'izany fa ny antaris koa ko, asa aloha e fa efa hatramin'izay mihitsy zany.
9. Herimiafina ( 24/01/2006 21:30)
Na ny cartes ampiasaina aty andafindriaka hiantso any Dago any aza manao toa an'io koa, milaza ny operateur fa manana crédits 40mn ohatra kanefa rehefa tena mandeha ny appel de chronometrer-na de eo amin'ny 30mn mahery eo ihany.

Ny mety ho antony araka ny fahatakarako azy dia ny resaka Precision tsy ampy eo amin'ny satellite. Approximativement no ni calculer-na ny transmission par satellite sns, de misy facteur be dia be tsy voakajy toa ny vitessin'ny ondes eny amin'ny habakabaka ambony arakaraka ny toetr'ansdro sy ny pression athmosphérique, sy ny caractéristiques ny fils rehetra ary ny performance ny recepteur, hany ka plus ou moins ny faharetana (crédit) omena ny mpanjifa.
10. lapino ( 24/01/2006 21:39)
Vahinala: efa ela izany Antaris izany no tsy henoko :wink:
11. jennifer2 ( 24/01/2006 22:26)
orange indray ary e!
12. Vahinala ( 24/01/2006 22:30)
lapino koa za ve mahalala koa tssss :evil::-*:-*
13. methode ( 25/01/2006 09:27)
Efa hiova ho celtel indray ny Madacom izao dia asa izay ho fandehany fa raha ny aty Afrika aloha dia be ny abonnés fa toa voafetra ihany ny réseau. Betsaka no milaza aty fa sarotra ny ahazoana ny any France avy aty raha Celtel. Raha miantso avy aty koa aloha any Dago dia mihena avy hatrany ny Crédit raha vao misy réponse automatique, ohatra hoe fandraisana anao amin'ny répondeur, na dia mbola tsy maheno ny bip fanombohana akory aza ianao.
14. Herytae ( 25/01/2006 10:06)
Tena marina mintsy io fa za kou matsikaritra an'zany! Tsy mbola nanao calcul aho alouh fa hita hoe speed loatra dia lany foana ny crédit atsofoko. Tsy ohatrin'ny taloh. andraso fa kôtiko tsara hoe!
15. methode ( 26/01/2006 20:53)
Tokony hampafantarina andry zareo any angamba io! Asa ahoana ny fomba ilazana azy!!!
16. Herytae ( 27/01/2006 08:41)
Mbola mitady fika tsika de hanao antso avo!
17. jentilisa ( 28/01/2006 06:57)
Izaho indray vao intelo niantso tsy lava akory (latsaky ny iray minitra ny roa ary telo minitra ny iray) dia lany sahady hono izany nampidiriko...tena tezitra aho fa saiky hanandrana imason'ny mpanao gazety mihitsy, dia vao androany indray orange indray ity: niantso aho fa tsy nahazo olona, tsy mbola nisy ilay teny iny mihitsy fa tonga dia niheny ny credit e! tahaka ny tsy menatra mihitsy. Ny tahaka izao no tsara asiana hetsika fa tsy izay resaka politika ady seza any!
18. jentilisa ( 28/01/2006 06:58)
Ary adinoko ny niteny hoe 5000 ariary ilay credit-ko
19. Vahinala ( 28/01/2006 20:40)
Ny mahagaga ahy indray dia ny havako any Mada mimenomenona daholo hoe mandefa sms aty amiko foana nefa za tsy mamaly mintsy amzay toa hoe mampiditra crédit 5000Ar hono mandefa sms in2 dia jifaka, ny olana anefa d za tsy maharay anizany mihitsy tsy haiko ny antony, raha za anefa no mandefa dia voarain'ireo soamantsara. Ny sms tsy tody aty amiko nefa ny crédit andry zareo hono zany toa mihena foana, ataoko angamba fa tsy olana avy aty amiko zany satria ny ahy tonga tsara any ihany fa eo amin'ny madacom no misy blème.
20. hertix ( 29/01/2006 06:20)
tena tsy milamina mihitsy aloha ny ao @ MADACOM ao e! ORANGE mba azoazo ihany. Raha mandefa sms @ madacom enao @ 20:30 ohatra, ny ampitson'iny vers 8:00 vao voarain'ny destinataire le izy. Za efa im-betsaka no tratran'zany. Fa tsy haiko indray aloha na mitombina ity na tsia fa niantso tany France aho vers 19:30 t@ recharge 5000Ar pendant 5mn et qques secondes de 72Ar ny ambiny. Zany hoe ~1000Ar/mn
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2515