Raha namana vaovao

1. hery ( 23/01/2006 09:25)
Raha vao nisoratra anarana eto amin'ny serasera ianao dia ireto mety misy torohevitra vitsivitsy mety hahasoa anao.

1. Fenoy ny mombamomba anao. Tsindrio fotsiny ilay rohy eto ambany
http://serasera.org/namana/izaho

2. Jereo ireo namana vao nisoratra anarana tahaka anao. Tsindrio ny rohy eto ambany
http://serasera.org/namana/?rub=namana/namana&filter=vaovao

3. Mitadiava namana izay mety mahaliana anao. Tsindrio ny rohy eto ambany
http://serasera.org/namana/?rub=namana/namana&asa=hitady

4. Manorata ao amin'ny forum. Tsindrio ny rohy eto ambany
http://serasera.org/forum

Dia andraso fa mbola misy namana hafa hanampy koa eto ambany eto.
novalian'i iray ny 07/03/2006 14:25
2. Fiffi ( 23/01/2006 10:24)
hery: misaotra anao , @ izay mba tsy hanahirana an'ilay namana vao tonga ny fanaovana a'io satria raha vao vatany nisoratra anarana tokoa dia tsy tena hay hoe hay misy an'io mombamomba anao io ho fenohina fa dia nifaly fotsiny hoe zay fa efa tafiditra ho namana aho dia izay. Mahafantatra namana vaovao aho ary mbola tsy nameno an'io mombamomba azy io izy raha tsy mba natoroko hoe fenoy io.:):):):):)
3. rajean ( 23/01/2006 13:13)
(l)
4. petakorona ( 03/02/2006 14:56)
misaotra tompoko
5. pissoa ( 18/02/2006 14:01)
Misaotra o :°)
6. lapino ( 19/02/2006 01:18)
bis :°):°)
7. iray ( 02/03/2006 14:24)
:oops:Manao ahoana o!Tsy maintsy fenoina ve ilay "mombamomba anao" ? Dia mankaiza iny rehefa alefa ? Vaovao be ! Misaotra.
8. booboo ( 02/03/2006 14:32)
Fenoy eeeeee, @ zay mba mifankafantatra bebe kokoa.
9. iray ( 07/03/2006 14:25)
(l)Marina ve izany ry booboo ? Misaotra namaly eeeee !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2215