Lohahevitra vaovao - Hoy ny gazety

1. hery ( 21/01/2006 11:19)
Lohahevitra vaovao nosokafana eto amin'ny serasera.org indray ny hoe "Hoy ny gazety". Ato amin'ity lohahevitra ity no apetraka ny famintinana na ny vaovao an-gazety. Ezahina ny hametraka vaovao an-gazety isanandro eto mba ahafahan'ny tsirairay mamaky vaovao ara-potoana.
Fitsipika


  1. Apetraka ny loharano nakàna ny lahatsoratra (anaran'ny gazety, mpanoratra, sns...)
  2. Ny hafatra voalohany dia tsy maintsy nalaina tamin'ny gazety. Eo amin'ny valiny vao misy adihevitra.


http://forum.serasera.org/?rub=dinika/topic&topid=t43d217ac3e168 ary dia lasa indray isika.

2. Fanja1 ( 21/01/2006 12:03)
teny gasy ihany mou zany o?
3. Fiffi ( 21/01/2006 18:05)
Potipotika ilay olona nosen'ny fiara:

Omaly efa maizina dia nisy lehilahy iray nofahon'ny fiara nanandrify indrindra ny fivarotan-dasanty eny @ Score Digue. Izay tena fisehoan'ny loza voalohany tsy fantatra mazava, fa ny tena nahatsiravina t@ izy ity dia toa ohatran'ny notaritin'ilay nandona azy lavidavitra eo @ metatra eo vao tafapetraka . Maizina dia maizina tokoa ny toerana. Tsy hita mihintsy ilay razana raha tsy efa akaiky. Araka izany , maro ny fiara nandalo tsy nahamarika ny fisian'izany faty izanyary dia nitety teo amboniny avokoa. Izany no nahapotika be an'ilay izy. Efa afaka minitra am-polony vao nisy tonga saina nanisy famantarana manoloana an'ilay razana. Lalana fandehanana mafy iny @ Route Digue iny.
Tsy misy hamantarana azy intsony ity niharan-doza ity. Potika ny lohany, toa nivoaka daholo ny tao anatiny ary maromaro ny taolana tapaka. Tena mahatsiravina ny mijery an'ilay izy. Ny olona eny moa tsy misy mahalala azy. Mampahatsiahy ilay loza tetsy Ampasapito t@ herinandro iny ity omaly hariva ity.
4. Fiffi ( 21/01/2006 18:27)
Nalaina avy @ Midi Madagasikara
Mpanoratra: rd

somary tsy namaky ny fitsipika aho fa tonga dia nandefa , ary io izany ny gazety nangalana ny tantara
5. jentilisa ( 23/01/2006 13:20)
angaha tsy mety ilay atao hoe jereo eto ireny?
6. lapino ( 24/01/2006 10:11)
Tsy misy mitamberina ve amin'ilay dinika "Vaovao tselatra" na koa "Tetsy sy teroa"?
7. hery ( 24/01/2006 11:31)
Ny tena tanjona dia izao

Rehefa mampiditra famintinana gazety fotsiny eto amin\'ity lohahevitra iray ity dia azo atao avy eo ny manao fahana RSS izay apetraka amin\'ny toerana iray manokana hamakiana gazety rano fotsiny.

Ny tetsy sy teroa mety resaka hita na re t@ télé sns
8. boubounezy ( 24/01/2006 19:16)
:D tena marina tokou zany fa tena hevitra tsara be! za alou anisany mankasitrak'é!:D:D:D:D:D:D
9. Fiffi ( 25/01/2006 05:36)
Nalaina tao @ " Ao raha "
Nosoratan'i Tsiavahana

Mirongatra ny areti-mifindra avy amin'ny biby:
-Mihamihanaka any amin'ny distrikan'Antsirabe II iny amin'izao fotoana izao ny aretina mifindra azo avy amin'ny biby. Aretina toy ny haromotana , ny pesta , ary ny voavary.
Efa olona maro no voan'izany raha ny vaovao azo. Vokatry ny fiaraha-mipetraka amin'ireo biby fiompy no mahatonga ny fihanak'ireo aretina ireo araka ny voalazan'ny tompon'andraikitry ny fahasalamana any an-toerana. Koa manaitra ny sain'ny tompon'andraikitra mahefa araka izany ny mponina mba handray fepetra manoloana izao loza mananontanina amin'ny fahasalaman'ny mponina izao.
10. fijo ( 25/01/2006 19:25)
hery an,ny olana dia tsy haiko ny manao le hoe jereo eto.
11. vale ( 25/01/2006 19:52)
Hery:Tena hevitra tsara tokoa izany kooooo!
Fiffi: tena mampihorin-koditra izany!:? :?:?
12. vale ( 25/01/2006 19:53)
Fiffi: nisy diso le kisarisarikeliko, hahitsiko eto an ::?:?:?
13. vale ( 25/01/2006 19:54)
odriiiiii, tena tsy mzty hivoaka ara- dalàna mihintsy!!! hihihihih
14. boubounezy ( 31/01/2006 10:44)
tena rara be ra zany fiseonjavatra doza be zany no tena mampalaelo, dé ireo mpitondrafiara zay nitety ny fatiny io oul io, no sady tsy natsikaritra hoe otrany misy dôdana ao ambany ao ve? ary mampalaelo kou ny tsy fahampiny jiro aty madagasikara fa mananaraotra dôly ny mpanao ratsy retsa.:roll::roll:
Potipotika ilay olona nosen'ny fiara:

Omaly efa maizina dia nisy lehilahy iray nofahon'ny fiara nanandrify indrindra ny fivarotan-dasanty eny @ Score Digue. Izay tena fisehoan'ny loza voalohany tsy fantatra mazava, fa ny tena nahatsiravina t@ izy ity dia toa ohatran'ny notaritin'ilay nandona azy lavidavitra eo @ metatra eo vao tafapetraka . Maizina dia maizina tokoa ny toerana. Tsy hita mihintsy ilay razana raha tsy efa akaiky. Araka izany , maro ny fiara nandalo tsy nahamarika ny fisian'izany faty izanyary dia nitety teo amboniny avokoa. Izany no nahapotika be an'ilay izy. Efa afaka minitra am-polony vao nisy tonga saina nanisy famantarana manoloana an'ilay razana. Lalana fandehanana mafy iny @ Route Digue iny.
Tsy misy hamantarana azy intsony ity niharan-doza ity. Potika ny lohany, toa nivoaka daholo ny tao anatiny ary maromaro ny taolana tapaka. Tena mahatsiravina ny mijery an'ilay izy. Ny olona eny moa tsy misy mahalala azy. Mampahatsiahy ilay loza tetsy Ampasapito t@ herinandro iny ity omaly hariva ity.
[/quote]


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.243