tia sarimihetsika ve isika gasy?

1. jentilisa ( 18/01/2006 08:56)
tokony ho tsy fanontaniana intsony izany saingy tsy be loatra ny miresaka izany ato amin'ny serasera.

Mba manontany ary aho hoe inona ny film tena tianareo hatramin'izay nahitanareo film voalohany indrindra? Dia inona ny antony itiavanareo azy?

Ny ahy izao ilay robin des bois nataon'i Kevin iny no tena tiako satria sady fitiavana no politika no fivavahana!

Dia miandry anareo e!
novalian'i cutie ny 04/02/2006 19:49
2. lapino ( 18/01/2006 10:05)
N'enà aloo film mampmé no tena tiako e! Sarlô sy Misitery biiin ireny. Dia ankoatra an'izay ny dessins animés an'i Tex Avery.

Dia rehefa be resaka loatra koa ilay film dia tsy mamely.
3. jentilisa ( 18/01/2006 11:37)
Ary isika ilay ankizy tompon'ny taona 2000 mihitsy ve no tia izany déssins animés tex avery sy ny film mampihomehy sa mba betsaka mitovy feeling fotsiny ny olona ankehitriny?
fa angamba kosa tsy tia manga mihitsy ianareo ohatra!
4. lapino ( 18/01/2006 15:21)
Za mino fa be tia tex avery daholo ny generation taorian'ny nivoahan'ireny. Sady tsy ho lany manja vetivety mihitsy ireny sarimihetsika ireny. Ohatra an'izany koa Sarlô. Fa ny ankoatra an'izay no samy manana ny tiany.

Tsy dia tia manga tokoa aloha za amin'ny ankapobeny, fa na izany aza nisy tsy dia ratsy ihany izy ireny, ohatra ny chevaliers des zodiaques ireny. Sa ve tsy manga ireny?
5. jentilisa ( 19/01/2006 06:59)
ary dia isika mirahalahy irery ve no miresaka eto? sa tsy manintona ity lohahevitra ity?
6. lapino ( 19/01/2006 07:22)
Sa izay no fomba hamaliana ilay fanontaniana ery amin'ny lohateny? :-D:-D
7. pissoa ( 19/01/2006 07:34)
Ary toa ianareo mtsam irery no ato :-w:-D:-D:-D

Izaho tia film, be loatra aza angamba. Tiko daholo afa-tsy ny film tsy azon'ny zaza tsy ampy taona jerena :°) sy le film romantika be ireny, grrrrr

Tia comedie, dia film misy ady toy ny "Troy", "Brave Heart", "The Last Samurai" ...

Tiako be koa ny film rehefa maty ny star le ao aminy :-D (ankoatra ny Titanic - grrrr)
8. lapino ( 19/01/2006 09:38)
Pissoa izany tia JP Belmondo fa lery maty foana! :-D:-D
9. pissoa ( 19/01/2006 10:00)
Ie - tiko be mahitsiny :-D:-D:-D

Ka mankaleo be anie ry lapino e, rehefa misy film izao ... ohatra hoe Arnold Schwarzenegger :-D:-D Raha vao manonboka ny film dia efa haiko fa misy mitehatehaka be amin'ny farany (matetika) :-D dia miandry an'le evenements perturbateurs kely ao antenatenany fotsiny no atao :-w

Izany hoe tsy mba misy suspene intsony. Rehefa misy manambana basy ny Star dia haiko efa lany bala ilay manambana azy (matetika) :-w

Na izany aza tia film foana aho an - noho ilay evenements mpanakorontana kely!
10. lapino ( 19/01/2006 11:27)
Film-n'i Arnold izany ve tsy efa ela e? Efa manomboka mivoatra miala amin'izany ny film am'zao raha ny fahitako azy. Ilay Pirates des caraïbes ohatra izao ...

Kanefa na izany aza tsy ho foana io, fa ohatra ny efa reflexe-n'ny mpanao tantara izany.

fa na efa fantatra aza ange ny hiafaran'ilay tantara, ilay fomba hahatongavany any no mahaliana e. Na indraindray izay originalité amin'ny fototra ijoroan'ilay tantara. Ohatra izao terminator, planète des singes, ... dia izay mety ho eritreritra manidin'ny mpanao tantara any momba ny hoe raha misy guerre nucléaire.

Indraindray aza mety ho tsy ny tantara akory no tena mahaliana amin'ilay film, fa zavatra hafa. Ny film-n'i Jackie Chan sy Jet Li ohatra na tsy araka hatramin'ny voalohany aza maha-te-hijery foana. Indraindray koa hijerena ny "dernier cri" amin'ny mizansenn fotsiny koa. Na VA :-D:-D
11. cutie ( 19/01/2006 13:00)
ny ahy le film misy suspens reny no tiko , le tsy tonga de hay ny farany.
ohatra: "bon voyage", "the fast runner", " crouching tiger hidden dragon "
de le film misy dance reny koa :)
12. pissoa ( 19/01/2006 15:53)
lapino - efa ela mihitsy fa iny fotsiny no tonga tato antsaiko :)

Izaho anie tsy manda hoe mahafinaritra ny mijery film e, izaho tia mijery foana ... fa ny tsy tiko fotsiny indraindray dia misy peta-toko be loatra ny film!
13. jentilisa ( 20/01/2006 06:15)
tena tsy arako indray ny film peta-toko lazain'i pissoa! raha ny an'ny gasy aloha misy hitako ihany! ny an'i jackie Chan tokoa dia mahafinaritra foana! ilay misy fihmehezana tokoa angamba ny tena mahafinaritra e!
ny an'ny arnold kosa tsy voatery hisy ady fa na ilay mpampianatra ohatra na ilay lehilahy bevohoka dia mahafinaritra koa anie ireny e!
ny an'ny alain delon koa anie maty rôle foana! nefa ratsy ve?
14. lapino ( 20/01/2006 08:57)
Mbola tsy misy hitako daholo ny film-n'i cutie!
I cutie izany tia an'ilay film "danse avec le loup"? :wink:
15. jentilisa ( 21/01/2006 06:32)
ireny koa mba film mahafnaritra ka!
16. cutie ( 23/01/2006 16:48)
lapino [ Valio ] 20-01-2006 12:57:40
Lohateny : Re : tia sarimihetsika ve isika gasy?
Mbola tsy misy hitako daholo ny film-n'i cutie!
I cutie izany tia an'ilay film "danse avec le loup"?
Miverina ery ambony

refa film dance rehetra e , de tiko daholo :-D
17. jentilisa ( 25/01/2006 06:34)
dance rehetra an! na ny miady na ny tsy miady izany?
18. cutie ( 26/01/2006 12:55)
miady na tsy miady ahona fa tsy azoko??
19. jentilisa ( 27/01/2006 13:09)
ny karate na taekondo anie misy "dance" koa e
20. diamondra27 ( 27/01/2006 18:14)
Ny ahy indray de jereko doly: action, drôle, humour,drame, fantastique, dessin animé, paranormal,espionnage, NINJA, ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3138