essence sans plomb

1. mino ( 18/01/2006 05:25)
Mba te hahalala aho, rehefa tonga toko mo le fotoana oe tsy maintsy sans plomb ny essence, dia inona no ovana na soloina ao amin'ny motera .

misaotra anao mamaly
novalian'i mino ny 22/02/2006 06:44
2. rakekely ( 18/01/2006 06:09)
raha ny fahazaoako azy dia toa tsy misy miova ao @ motetra fa ny fatran'ny plomb no mihena eh
3. lantokely ( 18/01/2006 07:06)
raha ny fahafantarako azy dia tokony asiana substitut (solony) ilay plomb.
lasa ohatra ny hoe "tsy ampy menaka" izany hono ny ao anaty motera : mampalamalama ny fikasohan'ny piston sy ny chemise ilay plomb hono.
mandeha ilay motera na sans plomb aza fa mety tsy hateza ohatra ny taloha.
4. Ralay ( 18/01/2006 11:27)
Marina fa tokony asiana additif kely ny SP raha hiova ianao nefa araky ny efa voalazako teo aloha dia efa natao ho solon'ny Super ny SP98 ka tsy misy zavatra ovana ao @ motera.Efa voalazan'i lantokely io koa ny mhazony moteranao.Zaro tsikelikely aloha raha tsy tinao ho tapohana ny moteranao(1/2plein super 1/2 SP) dia ahena tsikely² isaky ny manao plein avy eo.:lol:
5. xxx ( 18/01/2006 11:39)
Ny mba anontaniako de raha efa motera razokiny be aza ve de mbola mety @ le tapohina tsikelikely SP ihany?
6. Ralay ( 18/01/2006 11:53)
Mety foana io fa SP98 no ampiasao fa tsy SP95
7. chipie1 ( 18/01/2006 16:39)
soloy mintsy lé daba e ! amizay tsy sahirana :lol:
8. Herimiafina ( 20/01/2006 03:48)
Any Dago any toa misy an'ireny karazana additif atao anaty reservoir ireny dia mampiparitaka kokoa ny entona lasantsy ao anaty maotera hono ary mampitsitsy lasantsy be sady manadio ny fantsona rehetra no mampihena ny setroka mivoaka! :-D
9. mino ( 22/02/2006 06:44)
Misaotra namaly e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5197