FILM GASY

1. xxx ( 16/01/2006 14:22)
hono oa rizareo, fa manin kay ny film gasy no tsy mba misy ol mifanoroka zany mihintsy na oe ol manao fitiavana , nefa amiko reny no mba anisan'ny mampanintona ny rehetra! Mandaingà ndray zay milaza fa tsy voasinton'ireny eo hihhiiii

novalian'i Roch ny 12/04/2006 21:04
2. xxx ( 16/01/2006 16:32)
ka tsy mahazo mifanoroka fa sao latsam_pitia eo
3. Herimiafina ( 16/01/2006 16:59)
Ka lafo be ny manakarama olona segondera asiana manao fitiavana hanoloana ireo mpilalao tena izy knou, hehehehe:-D:-D:-D:-D
4. tsangana ( 16/01/2006 20:16)
Inona moa no tena zava-dehibe ny tantara sa ilay manoroka sy ny .........
Mahita olona mifanoroka ve isika eny an-dalambe ?eto Madagasikara no resahiko.
5. Nickovy ( 17/01/2006 06:39)
Fa azo itarafana ny maha Malagasy antsika koa io eh! Zava-pady ny ny resaka sex eo amintsika ka tsy aderadera etsy sy eroa ary raha ny fahafantarako azy dia tsy fomba malagasy loatra ny mifanoroka fa rivo-baovao nentin'ny vahiny. Ny tanjon'ny mpanao sarimihetsika Gasy angamba dia ny haneho ny maha Malagasy? Na dia nalaina tahaka avy amin'ny sarimihetsika tandrefana aza ny ankamaroany. Tsy haiko eh!
6. pika ( 17/01/2006 08:41)
koa izay no maha gasy azy ko :-D:-D
ny tantara amiko no tena zava-dehibe sy ny fomba entin'ny mpilalao hanehoana izany tsy dia ho toy ny tantara antsehatra be loatra fa tsy izay hoe mifanoroka
fiainana efa hita an-davan'andro izany
7. rurik ( 17/01/2006 08:58)
sady zavatra tsy nahazatra ny gasy zany , ny gasy nany we tiko ianao aza tena sarotra ny ilazana azy ,
ohatra ny ray amandreny tena vitsy angamba raha hisy aza ny milaza @zanany we tiko ianao fa aseo @fomba fihetsika fona le izy .ka na @ film aza dia izay no fomba ataondry zareo.izay no maha gasy ny gasy.
8. kool ( 17/01/2006 09:25)
ny gasy letsy b hena-maso sady tsy efa tsy nahazatra mihitsy izany
9. jentilisa ( 17/01/2006 09:47)
Fa tahaka ny tsy tena marina ilay tantara rehefa tsy misy mifanoroka sa...?
10. dodo ( 17/01/2006 09:54)
:cry:mividina film X gasy raha te hijery gasy manao an'reny e!efa misy nge zany e!fa aleo ny ho an'ny valala be mandry alo tsy hisy an'reny fa mino ah tsy mbola zakan'ny sain'ny malagasy zany.:idea:
11. Kadoda ( 17/01/2006 10:36)
Aoka etsy mihitsy fa aza mampidi doza amin'izany. Manalabaraka ny gasy sy ny mpilalao azy izany fa aza mitady ny mamoafady eo.Izao ihany no tsara:D
12. IDEALY ( 17/01/2006 11:25)
ka raha tena misy izany zakantsika ve fa tsy hande ny resa -be etsy sy eroa ; sady le film ko anie mety tsy misy resaka momba n'izany fa ohatra miady no misy de hifanoroka na hanao izany lazainao izany ve ?
sady tsy ny tantara ve no zavadehibe eh , sa zany ?
13. lapino ( 17/01/2006 11:34)
Izay àry fa mivoaka ilay resaka mamoafady tatsy ambadika :wink:
Raha izaho koa aloha, aleo ihany mba misy dôzina "pudique", farafaharatsiny mampisy "recul" amin'ireo kolotsaina tandrefana fotsiny aza e!
14. jentilisa ( 18/01/2006 08:58)
Io izany dia tahaka ilay film taloha tsy misy mipipy izany mhitsy fa rehefa nisy ny nanamarika izany dia nasian'ny frantsay ny azy e! Sa tsy tadidinareo ve?
15. ambivotra ( 14/03/2006 13:21)
Saka malaho sy avozo, izany no mba tian'ny film gasy, ny film karana koa tsy mba misy mifanoroka izany, ny film sinoa tena ankavitsiana mihitsy vao misy mifanoroka anefa dia maro mpankafy ireo karazana films ireo, sa dia mba ampitoviana lenta amin'ny film amerikanina ve ary raha izany dia tokony maromaro koa ny cascades
16. Roch ( 12/04/2006 21:04)
Film gasy ve? gidra rano fotsiny, mampatahotra rano fotsiny, misy mody maty, raha mitohy izao de lasa hoe "vetaveta rano fotsiny", na ny zavatra tantarainy aza tsy misy zavatra azo akory fa lany andro @ fihetsiketsehana fotsiny, ny tena olana dia tsy mba misy "originalité", fa alatahaka fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.408