film amin'ity taona 2006 ity!

1. jentilisa ( 14/01/2006 09:45)
nahavariana ahy fa tahaka ny niova filamatra izany ny film tontosain'ny vahiny amin'ity taona ity. Saiky film d'animation no hanjaka. Asa noho ny lazan'i Madagascar angamba?
Ao izany happy feet izany, ao koa ny les rebelles de la foret, dia ao koa ny nos voisins les humains. SA ny film d'animation mihitsy no manintona eran-tany amin'izao fotoana izao?
novalian'i jentilisa ny 20/01/2006 06:05
2. lapino ( 14/01/2006 10:46)
Za hoà mba manontany tena hoe iza àry no lafolafo masonkarena kokoa amin-dry zareo, harry potter ve sa Madagascar, raha mitovitovy ihany ny succès-ny?
Dia mety mora mitohy kokoa any amin'ny jeu video koa angamba ny tsenany, na resaka teknika na resaka marketing? Asa aloha ...
3. jentilisa ( 14/01/2006 12:34)
Happy feet izao dia pingoins no tena "mpilalao" ao anatiny! Noheverna manko fa ireo pingoins ireo no tena fototry ny fahombiazan'i Madagascar.
Izany hoe ny mpilalao fototra ao anatin'ireo film d'animation ireo dia biby avokoa!
4. jennifer2 ( 14/01/2006 15:02)
mmmm! ny tena marina toa liana @ zava-boahary ny olona @ zao fotoana zao!
5. jentilisa ( 16/01/2006 13:09)
Ilay zava-boary manao inona sa manao ahoana?
6. lapino ( 17/01/2006 11:30)
Raha jerena izao ilay les rebelles de la forêt sy ilay nos voisins les hommes, dia toa mampiseho ny fifandraisantsika olombelona amin'ny zava-boary, tsy mifampi-comprendre mihitsy. (tafita kokoa ilay hevitra noho ny hoe mifankahazo fa azafady).
7. lapino ( 17/01/2006 11:32)
Ka tsy haiko aloha hoe aiza amin'io no mampisy succès an'ilay film raha izay.

Ilay pinguoins manokana indray tsy dia maharesy lahatra ahy loatra. Marina fa pingoins no vedety t@ Madagascar, fa ilay maha pingoins azy ve sa ny rôle nomena azy tao amin'ilay film? asa ...
8. cutie ( 17/01/2006 12:33)
Ilay pinguoins manokana indray tsy dia maharesy lahatra ahy loatra. Marina fa pingoins no vedety t@ Madagascar, fa ilay maha pingoins azy ve sa ny rôle nomena azy tao amin'ilay film? asa ...

tsy naharaka an'zany njay za :roll:
le role an'le pingoins alou de mampime mitsy e , fa tsy haiko we reo no vedety tao.
9. lapino ( 17/01/2006 17:33)
Ka ilay sasany ange hilazana fotsiny hoe "The New York Giants!" e! :wink:
Dia avy eo Mr Alex hoe: "It's my territory!!" any amin'ny foosa rehefa avy natao hoe "The King Alex!!" any amin'ny gidro. Dia izay andalovan-dry lerony izany izay alehany na mihorohoro aminy na miankina aminy.
(Dia ilay mpanjakan'ny makis hono izany hoe "I'm a clever king!" sady ampanaovina robot!)

Sa tairo àry tsy vedety ilay pinguoins fa sambo e! Mpiantsambo manko e!

Marina kamboko izany cutie fa tsy ny pinguoins no vedety! Messiiii am'le remarque :wink:
10. jentilisa ( 18/01/2006 08:51)
fa efa maharaka ireo film nolazaiko angaha i lapino?
11. lapino ( 18/01/2006 09:50)
Hita fotsiny ilay titre dia nojerevana tamin'ny google ka. :)

Nos voisins les hommes: http://www.ecranlarge.com/bande-annonce-321.php
Happy feet: http://www.ecranlarge.com/bande-annonce-339.php
Les rebelles de la forêt: http://www.ecranlarge.com/bande-annonce-237.php
(Format Quicktime daholo ny video am'reo)
12. cutie ( 19/01/2006 12:57)
le happy feet io zao ohatran'ny tiko jerena.
lasa mi-interesser @ pinguoins njay za zao hatramin'ny film Madagascar iny.
@ ty mba vedety le pingouins, sa tsy zany ry lapino :wink:
13. lapino ( 19/01/2006 14:57)
cutie: sady rezimanta be mihitsy izy ao an! :)
14. cutie ( 19/01/2006 14:59)
lapino , in ny dikan'zany ?
15. lapino ( 19/01/2006 15:08)
ohatra ny rezimanta-na miaramila e! (régiment)
16. cutie ( 19/01/2006 15:15)
ah ok :-D
17. jentilisa ( 20/01/2006 06:05)
hay ve ka hitanareo ny bande-annoncen'izy rehetra e! izaho mba gaga hoe fa rapida koa ianareo izany an! ilay izy aloha tahatahaka ny tiako avokoa ny karazany e! izay no mba nahasarika ahy hanoratra eto!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7274