Misy afaka manamboatra vam?

1. hery ( 30/12/2005 12:00)
Izany izao no tokony hisy ato amin'ity lohahevitra vaovao ity. Raha misy afaka manamboatra fiarakodia dia afaka miseho sao mba misy azo ifanampiana. Lazao hoe any Dago ianao na any ivelany... dia lazao hoe inona no mety ho vitanao.
novalian'i beloakely ny 29/07/2017 12:01
2. Fiffi ( 30/12/2005 12:08)
Ohatran'ny miheritreritra aho @ ity dinika vaovao ity satria vao namaky aho hoe "teny gasy rano iray" ka tsy ho sarotra be ve ny fomba hanampiana ny namana raha tsy mahay mandika ohatra pièce iray @ teny gasy ? Na izany aza aloha tsara be ilay hevitra
3. hery ( 30/12/2005 12:34)
Ny hoe teny gasy rano iray aloha toa mbola ho sarotra be raha ny traikefa hita hatramin'izao :-) fa ny iezahantsika wah dia mba tsy ho teny vahiny ranoray. Izay azo atao amin'ny teny gasy dia atao amin'ny teny gasy.

Ny resaka hoe pieces sns. dia toa mba misy hita ihany eny Andravoahangy eny hoe Mivarotra Piesy.. izany hoe azo tenenina ih any ilay hoe piesy.
4. Fiffi ( 30/12/2005 14:41)
Dia miandry anareo avy eny andravoahangy ry namana o!:)
5. Ralay ( 30/12/2005 15:15)
Tena toa tsy afaka manoratra ve sa ahoana
6. Ralay ( 30/12/2005 15:18)
Ary soamry nisy blem kely indray teo fa efa nanoratra aho nefa tsy niseho dia nanao test dia niseho indray.
Nilaza aho fa manja ilay lohahevitra momban'ny vam saingy torohevitra no azo atao raha lavitra loatra ny mila fanampina ka alefaso fa afaka manoro izay mba hainnay kely eo ihany izahay e.:lol:
7. fijo ( 30/12/2005 19:04)
ka izao ary e.ny ahy ny olana dia izao.tsy mety mijanona ny vantilatera na dia vonoina aza ny motera.rehefa tratran'ny ambotaka iny no tena hisehoany.
8. Ralay ( 31/12/2005 05:19)
Normale izany ra fijo fa tsy mijanona eo no eo io rehefa mafanabe loatra ny rano"motera" indrindra tratran'izany ambotaka izany fa rehefa mihamangatsiaka izy dia mijanona ihany.
9. fijo ( 06/01/2006 19:31)
ka ny loza anie dia laniny ny batery e.efa nosoloiko ny alternatera,fa mbola miseo ihany le izy indraindray
10. Ralay ( 07/01/2006 02:57)
Soloy ny thermostat fa io koa no mety midekone less dia elabe vao manapaka ilay ventilo. Tokony t@ io aloha no nanombohanlà ny fanamboarana fa io mora kokoa ny vidiny toa izay ny alternateur fa efavoasolo moa izy zany dia ny thermostat no andramo soloina.:lol:
11. fijo ( 07/01/2006 04:55)
ok ,aleo fa andramako ary e
12. kally ( 07/01/2006 17:42)
Ny tômôbilina mihitsy ry Fijo soloina fa ny taona aza efa vaovao kah!
13. adam ( 07/01/2006 18:00)
raha mamona motera i fijo dia marina fa tsetsafiny ny batery fa raha velona ny motera dia ny alternatera no miasa ataovy betabetsaka ny solika e !:idea:
14. hertix ( 08/01/2006 19:55)
tsara ihany ny anoloan'là ny thermostat saingy ny tsara indrindra dia ovaina atao après contact ny branchement'ny ventillateur dia raha vao maty ny motera dia mijanona ny ventillo.
15. zah ( 09/01/2006 12:09)
Akory ny ny ato e! Mety ve ny manamboatra ny transmission (inn koa ty @ teny gasy leaza) manomboka mipoapoaka rehefa avily be ny familiana. Raha mbola kely ny fivilianany de tsy maninn fa rehefa lasa lavidavitra vao mipoakapoaka.
Sa de tsy maintsy hanolo? 405 le fiara.
16. Ralay ( 09/01/2006 12:21)
Arakarak'ise ihany io fa raha ny hevitro aloha dia aleo soloina mihintsy satria matoa izy mipoaka izany dia efa voa izy izay ka hanary an'ise io indray androany any any @ toerana sy ora tsy fantatra :lol: ny fanamboarana hafa indray dia tsy haiko raha misy manamboatra an'izany fa na raha misy aza dia tsy hateza.Any dago angama no misy an'ise raha ny fahalalako ny fanontanian'ise ry zah ka any dia possible foana ny reparation ny systeme D.
17. era ( 09/01/2006 17:20)
arakaraky ny partie voa amin'iny lavalava be iray manontolo iny io , tsy maintsy jerena hoe aiza, dia azo soloina ve sa tsia, misy piece d'origine azo anoloana ny sasany ,rehefa tena tsy partie no voa vao soloina daholo izy mianakavy dia tandremo ity manolo amin'ny échange standart ity eto frantsa fa tsy maharitra (ny FPA no tena mpanao an'io échange io )
18. zandrikely ( 28/01/2006 18:50)
o ry zareo a ra any @ tanana dia aza mividy ireny silenc bloc ireny intsony fa ery @ lalamby ery ampefiloha ery efa misy bandy manao ary tena mateza sy tsara ilay vitandry zalahy eo , ho anizay mbola tsy malala io an , zay aloha efa nanaoteny fa mafy be efa ho 2 ans zao tsy mihetsika nefa vam mandeha isan'andro
19. MOORE007 ( 07/05/2006 08:59)
Ka ny manao adapt isan-karazany efa misy aty Dago fa ianareo any ivelany ve afaka mi-négoce amin'ireo marque malaza mba hanao chaine de montage aty? Sady isika mbola be chômeurs ary mora ny main d'oeuvre.
20. AndryGTI ( 13/11/2006 10:42)
sao de misy mahita fika tsy hampiteté toit ouvrant ? colle tena milay joint etc;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0921