tsy misy rano

1. xxx ( 15/11/2005 15:33)
mitaraina ny tantsaha any Dago fa tsy avy ny orana ka tsy afaka mamboly vary ry zareo.

izao no nolazain'ny ingenieur iray avy ao amin'ny APIPA (nalaina tao amin'ny L'expresse de Madagascar)

“misy ihany ny rano azo anondrahana ny tanimbary eto Antananarivo saingy ny filàna maika aloha hatramin'izao dia ny fanodinana ny orinasa Jirama. Avily mantsy ny rano avy any Tsiazompaniry mba hanodinana ny milina mpanome herin'aratra (turbine) eny Andekaleka. Tsy vitan'izany ihany fa eo koa ny filàna amin'ny rano fisotro alefa eny mandroseza”.

toa sarotra tokoa ilay fanapahankevitra ... mba ahoana ny hevitrao?
2. Herimiafina ( 15/11/2005 22:24)
Izao le efa nahavoa, ny 30% isanjato mimenomenona foana no havotana voalohany de ny 70% lazaina fa tsy hanin tsy hanina ato minan'ny fatiny.

Ampekaro ny vidimbary any amin'ny ville any mba hodian'ny zanakay hamboly tanimbary aty e.
3. jennifer2 ( 16/11/2005 00:42)
Marina mihitsy zany an'i Hery zany.
Manao ingenieur ambony latabatra fotsiny no be sady ny ankamaroany chomeur. Tsy aleo ve reto midina any ambanivohitra mamboly, sady any zao no mbola madio ny rivotra ianana, mampatanjaka fa ny renivohitra efa maloto rivotra. Za aloha de tena tia ambanivohitra lazaikoa nareo e! Za mbola mianatra fotsiny, fa raha vita eo ny fianarako de hanao projet ho any aho, de mba ahalalana vaovao de manao vacance kely any an-drenivohitra. Ampifamadihana indray ny programme.
4. LazaRandri ( 16/11/2005 00:51)
samy manana projet any ambanivohitra izany i Jennifer sy ny dahalo! hahaha! Ry zareo koa toa sady misy ny eo ambony latabatra no misy sur terrain . hahaha
5. ari.malala ( 16/11/2005 07:57)
tsy miombon-kevitra amin'i Herimiafina sy Jennifer kosa ah e... ny orana mints anie no ts milatsaka e, vokatry ny dorotanety...
6. pika ( 16/11/2005 09:44)
ny rano misy oh fotsiny iny reniranon'ikopa iny tsy navily ilain'ny JIRAMA fa ny mpampiditra rano no taraiky
dia lasa taraiky koa izao ny fanetsana ny vary aloha
ary ny orana dia ny dorotanety betsaka izao no mbola tsy isiany
7. xxx ( 16/11/2005 10:27)
ari.malala, ka io anie ilay olana eh - tsy milatsaka ny orana - ka raha ny hevitrao, ny rano kely ananantsika ve tokony hanarenanan ny Jirama sa tokony hambolena vary?
8. marengarenga ( 16/11/2005 15:13)
miverena ianareo mandehana mamboly hazo
9. Herimiafina ( 16/11/2005 20:36)
Tssssssss, fika fotsiny anie zany hoe tsisy rano izany fa ny sasany amin'ny tokony handray angady lasa any amin'ny ville any daholo e. De tsy ampy ny tànana hanao ny asa any ambanivohitra fa zaza amambehivavy no betsaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2049