mitady tononkalo

1. pissoa ( 11/11/2005 15:09)
manao ahoana o -

sao misy mahay kay ilay tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Embona" (nosoratan'i Samuel Ratany) dia novalian'i J.J. Rabearivelo hoe "Tsy embona".

misaotra o
novalian'i tearaha ny 22/09/2010 14:53
2. nikopol ( 11/11/2005 16:23)
Tsy mba zavatra vao
fa hita hatrin'ny ela
ny tahak'izao
Raha ritra ny rano
dia fotaka monja
navelan'ny onja ...

tsy tadidiko tsony pissoa fa ho jereko ny diariko lol

3. pissoa ( 11/11/2005 16:42)
nikopol > haiko io kah (ooops - anananko mantsy eh) --- io ilay hoe "Tsy embona" - fa ilay "Embona" no tsy haiko :)
misotra eh
4. zakilinina ( 19/11/2005 22:10)
Izaho koa mitady ireo tononkalon'ny ngezalahy taloha. Tiako be izy ireny. Ohatra hoe :

"Afakafaka aho mahita
Endrik'olona homehy
Bakobako ngitangita
Feno hatsaran-tarehy."

Misy ihany koa ilay hoe :

"Jereo ny tànanay
....

'Jereo ny volonay
...
Nasiana bigodia"

Iza ary no nanoratra azy ireny ?
5. fiaritiana ( 20/11/2005 21:12)
tena tsy haiko zany ry Pissoa a!dsl
6. bichette ( 22/11/2005 10:27)
zakilinina > tohizo wé lé izy ilay hoe jereo ny ..... tohizo wé aky saotra
7. lanto ( 22/11/2005 13:04)
zakilinina:

Izaho koa mitady ireo tononkalon'ny ngezalahy taloha. Tiako be izy ireny. Ohatra hoe :

"Afakafaka aho mahita
Endrik'olona homehy
Bakobako ngitangita
Feno hatsaran-tarehy."



Tsy mba sosotra na oviana
Na misoritra hakiviana
Faly miramiran-tava
Dia ny volana mazava

...

8. lanto ( 22/11/2005 13:05)
jereo ny tananay
madio tsara ery
sady izay indray
nasina bingodyyyyyyyyyyy
:)
9. fiaritiana ( 22/11/2005 13:44)
raha misy manome
zavatra ho anao
kinga miteny hoe:
mbola misy ve??
ataovy be dia be
ataovy bdb!!

io ny ahy no aiko a!
10. zakilinina ( 23/11/2005 20:56)
Tsy haiko re aky ry Bichette fa misy ampahany kely fotsiny tsy afaka ao an-tsofiko.

O ry Lanto â, izao angamba no izy :

"jereo ny volonay
madio tsara ery
sady izay indray
nasina bingody"

Jereo koa ity tononkalon'i Avana ity fa mipetrapetraka tsara ny gadona sy rima.
Tsy afaka an-tsofiko koa izy ity.

Ireny ka olona kosa!

Tsarovy fa fihodinkodinana
No didy mitondra ny tany;
Fiakarana sady fidinana
Korontana ambony sy ambany.

Ny ketraka mora mivarina,
Miroraka tonga kanosa,
Ny potraka nefa tafarina,
Ireny ka olona kosa!

Dia olo-mandala ny lazany
No sady mitandro ny zony;
Manandratra ilay Tanindrazany
Manondrotra an'io ho ambony.

Mandritra ny andro iainany
Ka mandra-patoriny ho lo,
lzany no hany fisainany,
Fisainana tsy maintsy ho to.

Febroary 1942
Ny avana RAMANANTOANINA
11. fiaritiana ( 24/11/2005 01:08)
tsara tokotrany io tononkalo io an!
12. Rivobe ( 18/01/2006 12:23)
tena tsar lo io tononkal io é mapatsia ny tan ampenarn tam taloh
andras fa handefsk tsar b nareo am manark
13. tearaha ( 22/09/2010 14:52)
ka tsy tao @ boky Isambilo ve no nisy azy io zay e! raha tsy diso aho de kilasy T4 no nanao azy.
14. tearaha ( 22/09/2010 14:53)
ka tsy tao @ boky Isambilo ve no nisy azy io zay e! raha tsy diso aho de kilasy T4 no nanao azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1369