Mitady fiaraha-miasa indrindra ny ao Soisa na Frantsa na...

1. jentilisa ( 27/10/2005 09:08)
Ato angamba no azo ametrahana ity zavatra kasaiko atao ity. Somary manahirana nefa nataoko noho ny ilako azy maika tokoa.

Nampanafatra boky tamin'ny alalan'ny Librairie Saint-paul aho tamin'ny volana jolay ary noheverin-dry zareo fa ho tonga io boky io amin'ny faran'ny volana septambra na fiandohan'ny volana oktobra! Nony nandalo tany aho tamin'ny fotoana voalaza dia tsy nahazo valiny ry zareo ka malahelo milaza fa tsy ho tonga ilay boky. Mety ho tahotra ny halafony no mahatonga izany!

Amin'izao fotoana izao dia eto aho no manoratra sao misy afaka mifanampy ka tahaka izao no hanaovana azy. Vidiana any ( Frantsa na soisa na Izay mety ao Eoropa ao) ilay boky ( 75 CHF no vidiny izay manakaiky ny 650.000 fmg na 130.000 Ar amin'izao fotoana izao). Dia alefa amin'ny adiresy soratako rehefa mifanoratra isika na amin'ny ray aman-dreninao izay nandefa koa. Dia ry zareo no mitady ahy amin'ilay adiresy holazaiko na izaho no mankany tsy maninona. Tsy alefa paositra tsotra satria elabe ireny fa ireny mahatonga haingana ireny (oh: EMS, DHL,...). Dia aloako ny vidiny sy ny sarany aty Dago...na raha misy mahita hevitra hafa tsy maninona fa nokasaiko ho azoko tamin'ity taona ity io boky io.

Dia manorata re amiko raha azo atao...
toy izao ny momba ny boky:
L'Apocalypse de Saint Jean,
Pierre Prigent no nanoratra azy nivoaka tamin'ny taona 2000, Labor et Fides ao Rue Beauregard 1
CH-1204 Geneve no namoaka azy
508 pages
ISBN: 2-8309-0114-2

ny mampiely azy ao Frantsa sy belzika dia le Cerf
29 Bd Latour Maubourg 75340 Paris cedex07

Dia misaotra mialoha ho antsika rehetra e!

tonga dia toy ny manome fanampiana ny ray aman-dreny koa isika amin'io fandoavako azy aty io.
2. ds ( 28/10/2005 12:02)
Misy ao Frantsa io Boky io.
Kajy tsotsotra
vidiny : 45,43 eur ( ~ 117391 MGA)
sarany chronopost : 102,04 eur ( ~ 263671 MGA)
na DHL : 129 eur ( ~ 333336 MGA)
3 andro raha haingana indrindra ary 6 andro raha ela
indrindra ny ahatongavany aty Antananarivo.
Ka sao dia tsy mahaleo ny sarany ny hafainganam-pahatongavany.

ds


jentilisa:

Ato angamba no azo ametrahana ity zavatra kasaiko atao ity. Somary manahirana nefa nataoko noho ny ilako azy maika tokoa.

Nampanafatra boky tamin'ny alalan'ny Librairie Saint-paul aho tamin'ny volana jolay ary noheverin-dry zareo fa ho tonga io boky io amin'ny faran'ny volana septambra na fiandohan'ny volana oktobra! Nony nandalo tany aho tamin'ny fotoana voalaza dia tsy nahazo valiny ry zareo ka malahelo milaza fa tsy ho tonga ilay boky. Mety ho tahotra ny halafony no mahatonga izany!

Amin'izao fotoana izao dia eto aho no manoratra sao misy afaka mifanampy ka tahaka izao no hanaovana azy. Vidiana any ( Frantsa na soisa na Izay mety ao Eoropa ao) ilay boky ( 75 CHF no vidiny izay manakaiky ny 650.000 fmg na 130.000 Ar amin'izao fotoana izao). Dia alefa amin'ny adiresy soratako rehefa mifanoratra isika na amin'ny ray aman-dreninao izay nandefa koa. Dia ry zareo no mitady ahy amin'ilay adiresy holazaiko na izaho no mankany tsy maninona. Tsy alefa paositra tsotra satria elabe ireny fa ireny mahatonga haingana ireny (oh: EMS, DHL,...). Dia aloako ny vidiny sy ny sarany aty Dago...na raha misy mahita hevitra hafa tsy maninona fa nokasaiko ho azoko tamin'ity taona ity io boky io.

Dia manorata re amiko raha azo atao...
toy izao ny momba ny boky:
L'Apocalypse de Saint Jean,
Pierre Prigent no nanoratra azy nivoaka tamin'ny taona 2000, Labor et Fides ao Rue Beauregard 1
CH-1204 Geneve no namoaka azy
508 pages
ISBN: 2-8309-0114-2

ny mampiely azy ao Frantsa sy belzika dia le Cerf
29 Bd Latour Maubourg 75340 Paris cedex07

Dia misaotra mialoha ho antsika rehetra e!

tonga dia toy ny manome fanampiana ny ray aman-dreny koa isika amin'io fandoavako azy aty io.



3. jentilisa ( 28/10/2005 14:10)
Misaotra be dia be an'i ds nikaroka ny hamaly ahy tamin'ity zavatra iray ity. Tena ankasitrahana indrindra,tompoko, ny nataonao na dia nilaza ny sara rehetra aza dia efa zava-dehibe tamiko tokoa. Teo amin'ny 1.500.000 frs na 300.000Ar no noeritreretiko holaniana kanjo mbola nisy heriny ilay izy ka hitsako tsara ary aho.

Voatery hampitondra olona angamba nefa mbola raharaha hafa koa izay saingy mbola mamerina hatrany ny fanampiana izay nataonao.
Andriamanitra anie hitahy (raha mino an'Andriamanitra ianao fa miala tsiny be dia be aho raha tsia kosa).
4. jentilisa ( 28/10/2005 14:19)
Ny antony nanoratako teto moa dia noho ny tsy hahatongavan'io boky io mihitsy fa mety hisy haka raha paositra tsotra no atao. Na mahatratra herintaona mbola tsy hita ihany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0879