GRIPPE AVIAIRE SY M/KARA

1. bichette ( 20/10/2005 08:10)
Salama daholo o ! mba ahoana ny gasy amin'io grippe miely be io ?
novalian'i kally ny 20/10/2005 15:28
2. pika ( 20/10/2005 09:26)
hatramin'izao aloha dia lazaina fa efa eto saingy mbola tsy dia hita taratra ka dia mivavaka mba tsy ho voa e
indrindra @zao gasy efa mafy ady izao
3. jajaf401 ( 20/10/2005 10:54)
Ahoana aloha ny mety ho fisehony?? :-D:-D:-D:-D
4. agoago ( 20/10/2005 11:23)
Hatramin'izao dia tsy dia taitra loatra, efa nisy fivoriana ihany tany fa ny fepetra horaisina mazava tsy fantatray olo sarabebabeny hoe izao.
Koa ilay izy koa toa tsy hita hoe atao ahoana koa, entin'ny vorona mifindramonina hono.Koa izay ilay teneniko hoe isika eto ve (eto gasikara io) mahafantatra ny vorona rehetra avy any Afrika fotsiny ohatra na azia tonga aty amintsika.Raha mahita azy ireny maty dia ahoana no atao.Tokony mba hihetsika ny ministeran'ny tontolo iainana, mpahay tontolo iainana sy ny mpahay vorona amin'io.
Miaraka @ izany ny minisitera miandraikitra ny fiompiana hoe toa izao ny fisehon'ny aretina a@ vorona fiompy na vorona dia.
Ny Ministeran'ny fahasalamana, ry zareo aloha efa manaramaso hatrany ny virus grippe @ olombelona e, miaraka @ Institut Pasteur.
Ny douane, asa raha mbola afaka mampiditra vorona fiompy izao?
Ny fisehony ry jajaf401 dia zava doza.Any A@ vorona no tena mamely ilay virus.Ny olona manana ny virus grippeny izay efa zakan'ny olona tsara.
Io grippe aviaire io, ny fikambanany @ virusn'olombelona no mampitombo ny heriny ka raha mamely izy dia ho maro ny mety ho fatiny, sahala ny grippe espagnole (pandémie fa tsy mba épidemie intsony ny fiantso azy).
Izany no mampamailomailo ny eoropéana a@ izy io ange e.Any europe dia nasaina nividy fanafody aloha ny olona.
5. kally ( 20/10/2005 15:28)
Aiza koa izay miely be eo? Ny aino aman-jery no tena mampiely azy koa!
6. diamondra27 ( 27/10/2005 18:06)
de aza mihinana atody na ze sakafo vita @ atody koa raha izany no izy e!

za lou de mihinana ihany no fantako e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2564