tsolotra madagascar

1. boubounezy ( 15/10/2005 14:55)
ary aona ny mba hevitrareo @ resaka tsolotra? indrindra ny any ivato. za zany t@ ande aty ampita dé nisy madama nisava ana lé mpisava reny, dé efa lasa kely ndray za dé nantsony hoe andraso kely, inn no niantsony ana ozy nareo? nisava ny col ny ankanjoko izy zay fotsiny. fa tsy nafaly ana alou lé izy fa otrany hoé lé mpanao aférana diamand reny no fijeriny ana ngamba. tsy adinoko mintsy ny fijeriny ana hatramizao alou é! dé lasa za nanao vacance tany dago 2tona taty arina, io ndray fa izy iany no teo t@ za tonga; niavonako fa nasosotra satry ny teniny t@ko hoe tsy mba misy vondalana anga sady miteny mora be izy no mitsiky2 ery, dé ozy za hoe tsy misy ka! dé eo ny zavatra tiko ho lazaina @ le resaka tsolotra hoe: zany hoe: tsika zany ra tsy manao tsolotra dé tsy manana ny marina a!fa tsy nomeko inn mintsy io ramato io dé réfa andé hiverina taty dé nasainy nosavasavaina bé ny entako nikorotana mintsy fa tsy itandry zareo akory fa nisy saussice gasy tao anaty valiseko zé eo ambany ny masony eo, fa t@ zany tsy mahazo mitondra hena makaty, fa lé détécteur alou nafofona fofona kitoza ozy zareo dé ozy za hoe tsy nitondra hena kitoza zany oa za fa tongolo gasy no henony oronao sy ny détécteurnao iny dé navokako ny tongologasy @ sachet transpaent misy lavadavaka dé natondroko azy hoe ity lé izy. faly ery za fa ninana saussice gasy natao tsaky vo tonga taty miaraka @ fianakavina sy namana héhéhéhéhéhéhé=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))
novalian'i ilafy ny 23/12/2015 21:00
2. jajaf401 ( 15/10/2005 17:31)
le saussice ve nisy fofona kitoza?
mampahatsiaro tononkalon-dRangaha iray zay zany fofona maskita zany; Hoy izy hoe:
f\'inn zany ry lita ah,
hoatry ny mifofon-trondro?
tsy trondro zany ry lita
fa fofon\'ilay maskita ah!

Ny tsolotra aloha de efa integrer any @ gène mihintsy @ olombelona eh, fa ny fahantrana sy ny tsy fahampian\'ny karama de manamafy azy fotsiny. Ka mbola ady mafy ny hanafoanana azy reny eh!
F\'aza atao zavatra tsy hamangiana anay aty antanindrazana eh!
3. Herimiafina ( 15/10/2005 18:53)
Tokony légaliser-na ny corruption dia alefa any amin'ny kitapombolampanjakana.
4. maditra ( 15/10/2005 19:06)
herimiafina> Miova anarana izany corruption izany raha ohatra ka kitapom-bolam-panjakana no ivantanany. Lasa tax na tariff izy amin'izay. :lol:
5. Herimiafina ( 15/10/2005 19:26)
Moratoire angamba no tsaratsara kokoa, aty amin'ny tany mandroso de tena fomba fanao io rehefa misy mila service maika be fa tsy mahandry de manindry saosy de lasa izao.

Lalanan'ny manambola be ny aty e, vola daholo, ze azo hangalana vola rehetra de hidiran,ny fanjakana daholo.

Ny any amintsika nefa de tena natao izay hianteheran,ny fanjakana amin'ny vola avy any ivelany. tssss

Firy marina moa zao ny taux de pression fiscaly any zao?
6. adidy ( 16/10/2005 09:15)
Io no mba térritoire keliny dia asehony mihintsy ny fahefany. Ny tena mandreraka dia ilay karana tena mpanao afera ireny tsy hita akory izay vitany fa ianao gasy ihany no pehany. Ny tena tsy tantiko dia izaho indray mandeha namonjy fahoriana tany mbola tadiavin-dry lerony horina ihany.!!!
7. Herimiafina ( 16/10/2005 13:14)
Ny aty amin'ny tany mandroso koa dia tena manotra mihintsy an, amin'ny tsolotra ara-dalàna io, tonga de miditra any amin'ny kitapombolam-panjakana.

Ny karana any amintsika no mba groupy de pression, ambonin'ny lalàna, toy ny Jiosy any Étsts-unis sy ny japoney any Canada.
8. boubounezy ( 16/10/2005 15:02)
zay ndray no tsy arako:roll:


Herimiafina:

Tokony légaliser-na ny corruption dia alefa any amin'ny kitapombolampanjakana.



9. Herimiafina ( 16/10/2005 15:04)
Heeeeeh, ny fanjakana aty andafy anie ka mivelona amin'io e, hehehehehe :-D:-D:-D:-D

Madoa saosy enao vo tsaboina, vao mahazo taratasy, vao mahazo ze ilainao, heheheheh
10. boubounezy ( 16/10/2005 15:05)
fa niorindry zalah aona? zany ve tsy lé mpanararotra ny favoazany sasany fotsiny?
ty kely tsika gasy e!



adidy:

Io no mba térritoire keliny dia asehony mihintsy ny fahefany. Ny tena mandreraka dia ilay karana tena mpanao afera ireny tsy hita akory izay vitany fa ianao gasy ihany no pehany. Ny tena tsy tantiko dia izaho indray mandeha namonjy fahoriana tany mbola tadiavin-dry lerony horina ihany.!!!



11. boubounezy ( 16/10/2005 15:07)
ka tsika gasy angé tsy afaka ny anao anizany fa aleony ny tenany iany no jerany fa tsy ny fireneny ne ra mbola otrizany fo tsika dé tsy handroso mintsy ny fiainana any


Herimiafina:

Heeeeeh, ny fanjakana aty andafy anie ka mivelona amin'io e, hehehehehe :-D:-D:-D:-D

Madoa saosy enao vo tsaboina, vao mahazo taratasy, vao mahazo ze ilainao, heheheheh



12. Herimiafina ( 16/10/2005 15:10)
Vidina vola ny fahefana no dikany, intelligent mintsy ny malagasy an, mety marina ihany le théorie an'i Xhi sy Mah iny hoe misy dorizina jiosy tsika , hehehehe

mahay mamadika izao zavatra rehetra izao ho dolaka, hehehe:-D:-D:-D:-D
13. estine ( 17/10/2005 06:58)
ny hany fantatrony @ io ry reto de BLANCO NY BIANCO DE 'ZAY =D=D=D=D
14. xxx ( 17/10/2005 11:28)
Marina fa manirikiry resaka tsolotra fa na izany aza mba mi-comprendre ihany ny tena hoe mahantra ilay gasy. Tsy misy vidiny mihitsy angeh ny volanay gasy mihoatra @n'ny anareo mipetraka any ivelany io! Asa angah moa izao fa raha tsy diso za de Ar5000 izao ny Euro2 de mba eritreretonareo @ zany! Angamba izany Euro2 izany tsy mahavita sakafomarainanareo any akory. De mba hitarina kely ny resaka, ianareo ireo ve ho sahy hanome Ar5000 mpangataka iray eo Analakely rehefa mba tonga aty @nay aty e?
15. methode ( 17/10/2005 21:50)
Rehefa risoriso kosa aloha de ratsy e! Vao maika io mampahantra ny Malagasy satria tsy misy vola miditra amin'ny kitapombolam-panjakana intsony!!
16. Herimiafina ( 17/10/2005 22:13)
Ary raha ampidirina amin'ny kitapombolampanjakana izany ry methode?
17. pitchou ( 18/10/2005 18:39)
tssss! iza no mpanotra hanaiky hampiditra izany antsitra po any @ kitapombolampanjakana fa i heri ko!
18. Herimiafina ( 18/10/2005 20:31)
An3, hahitana fika fona io fa asio midemerda kely varaiventy anie ny sainao de hahaita fika enao ny amin'ny fampidirana an'iny any amin'ny kitapombola. heehhehee:-D:-D:-D:-D
19. boubounezy ( 18/10/2005 21:58)
ka tsika gasy angé ra oatra anaovana lé système ny aty ampita dé efa lazaintsika fa mampahantra zany e!
zay oa le hoe ty kely tsika sady tsy mandinika tsara ny fandeany antony fanovana fa aleo fona ty tena


Herimiafina:

An3, hahitana fika fona io fa asio midemerda kely varaiventy anie ny sainao de hahaita fika enao ny amin'ny fampidirana an'iny any amin'ny kitapombola. heehhehee:-D:-D:-D:-D



20. LazaRandri ( 18/10/2005 23:16)
ntsonaleee! kiraro adidas aza taloha nitakian-dry zareo tsolotra ny mamaoka azy ao Ivato. lafo vidy hono ka tokony manomeza kely e. hahaha.
N'IMPORTE QUOI!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5135