Fanekempinoana

1. ravakamalala ( 05/10/2005 15:40)
Ny fanekempinoana katolika , symbole des apôtres, misy hoe : "...je crois au Saint Esprit, je crois à la sainte église catholique...".

Dia ahoana izany rehefa mandeha ny protestant mivavaka any am katolika?

Tsy hiteny an ilay fanekempinoana? sa ny azy no hataony?
novalian'i Elino ny 17/05/2018 13:03
2. Herimiafina ( 05/10/2005 15:44)
ravakamalala ve Protestanta sa Katolika sa tsy amin'ireo roa ireo?
3. ravakamalala ( 05/10/2005 16:02)
protestant nivavaka tany am katolika, justement, dia nandray missel fa notenenin ilay mompera hoe pejy izao, dia namaky, dia talanjona!
4. Herimiafina ( 05/10/2005 16:14)
F'iza njay no notafihinao tany am-Katolika tany? hihihihihi Sa Mopera mihintsy?:-D:-D
5. ravakamalala ( 05/10/2005 16:40)
tany am katolika vazah io ka, dia azonao antsaina hoe ohatran ny ahoana ny ankamaroan ny mpiangona,

Fa na izany na tsy izany aza efa miha be tanora miangona ny vazaha an!

Dia nivadika ndray lé resaka, fa mba valio ny fanontaniako e!
6. sonwin ( 05/10/2005 19:08)
fa ahona ny an'ny protestant refa eo?
7. sonwin ( 05/10/2005 19:09)
fa ahona ny an'ny protestant refa eo?
8. ravakamalala ( 05/10/2005 19:27)
... mino ny fiangonana masina manerana izao tontolo izao...
9. sonwin ( 05/10/2005 20:07)
ka mitovy ihany ange zany e,ny dikan'ny teny hoe katolika dia "manerana izao tontolo izao"
10. pika ( 06/10/2005 05:13)
na katolika mankany @ protestanta na ny mifamadika @zay tsy tokony asiana olana izay pitsopitsony madinidinika ny atao mibahana ao an-tsaina dia Atra iray no hivavahana
mety mitranga mantsy izany na ho any @ fiangonana secte aza raha asain'ny olona hanatrika batemy na batisa ohatra
11. jentilisa ( 06/10/2005 06:20)
ny antsoina hoe sekta @ ankapobeny tsy miteny fanekem-pinoana izany ka!
12. hery ( 06/10/2005 07:00)
ravakamalala> tsy ilay hoe "katolika" mihitsy no mahasamihafa ny an'ny Protestà sy ny Katolika kah. Samy misy an'io daholo satria katolika = universelle = Manerana an'izao tontolo izao.

Ny mahasamihafa azy dia ilay aorian'io... Ilay hoe "Apostolika".
Ny Fiangonana Protestanta tsy manaiky ho Apostolika (Izany hoe nifandimbiasana avy tamin'ny Apostoly). Izay no isian'ny Papa izay dimbin'i Piera Apostoly amin'ny Katolika.

Ny an'ny Protestanta izany dia izao fotsiny hoe "Izaho mino ny fiangonana Iray, Katolika (manerana an'izao tontlo izao)"
Fa ny an'ny Katolika kosa "Izaho mino ny Fiangonana Iray, Masina, Katolika, Apostolika"

Ilay "Iray" koa tena manan-danja :-)
13. estine ( 06/10/2005 07:13)
tsy de asina olana 'zany ry ravakamalala a:lol::lol::lol::lol: matoa mivavaka @katolika dia manaiky ny foto-kevitra iorenany ka ra hoe mino ny eglisy katolika maninona moa :wink: ary tsy nanaovan'ny protesta hoe mino ny fiangonana protesta ne de hoe na ny protesta na katolika de samy eglisin'i jesoa kaizay no nanaovany hoe mino ny fiangonana masina rehetra angamba io an ...teneno aho ra diso'zany 'retoa=D hihihihihih....;;
14. jentilisa ( 06/10/2005 07:19)
Ny amin'ny hoe apostolika dia miorina amin'ny fampianaran'ny Apostoly no filazan'ny protestanta azy, tsy mametraka ny teny hoe fifandimbiasan'ny Apostoly izy.
15. pika ( 06/10/2005 07:54)
ka tsy hita ry jentilisa fa mbola tsy nandeha tany @ sekta ny tenanay ka tsy mahalala hoe hay moa tsy manao fiekempinoana ry zareo any e
ary ny fahafantarako azy anie efa misy ny rainay sy fiekempinoana firaisampinoana e
ny tanjona iray ihany hanamafy ny finoana
toy ny hoe ny an'ny protestante koa ary misy karazany efa ho firy miovaova isaky ny alahady ny atao ny fiekempinoana 1 na faha 2 ....
16. eprom ( 06/10/2005 08:55)
Raha ny fahalalako azy, ny symbole de nicée no misy hoe \"apostolique\" fa tsy \"ny symbole des apôtres\" . Samy eken\'ny protestanta ireo fanekempinoana ireo
17. jentilisa ( 06/10/2005 09:24)
Misy ny faneke-pinoana atanaziana, apostolika, niseana no anton'ireny any aminy fjkm ireny. Amin'ny ankapobeny dia manaiky ireny avokoa ny fg ara-tantara, misy koa moa ny sybole de la rochelle izay an'ny réformée manokana tahaka ny an'ny loterana izay aogostana kosa...
ny fanekem-pinoana dia nilaina ho hay mba hialana amin'ny hevi-diso araka ny itenenana Azy.
18. jentilisa ( 06/10/2005 09:25)
Misy ny faneke-pinoana atanaziana, apostolika, niseana no anton'ireny any aminy fjkm ireny. Amin'ny ankapobeny dia manaiky ireny avokoa ny fg ara-tantara, misy koa moa ny sybole de la rochelle izay an'ny réformée manokana tahaka ny an'ny loterana izay aogostana kosa...
ny fanekem-pinoana dia nilaina ho hay mba hialana amin'ny hevi-diso araka ny itenenana Azy.
19. onjah ( 09/10/2005 18:24)
Raha tsy diso aho dia tsy mazava aminao tsara ny dikan'ilay catholique eto.
Raha adika @ teny malagasy mantsy ny fanekempinoana dia toy izao izy ao @ Protestanta.
(...).Mino ny fanahy masina aho, ny Fiangonana masina manerana izao tontolo izao,(...)
Tsy hoe Protestanta na katolika no resahana eto fa ny Fiangonana masina manerana izao tontolo izao.
20. jentilisa ( 10/10/2005 13:05)
ilay teny hoe apostolika no tsy voateny hoe!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4753