mila torohevitra

1. jon ( 03/10/2005 12:54)
za classe de 1er niala nianatra ka nitady asa !
zo za miasa kanefa mbola maniry ny ahazo bac !
ka inona no tokony hataoko !
mba toroy hevitra ; misaotra mialoha !
novalian'i jon ny 26/11/2005 16:00
2. rebosa ( 03/10/2005 13:21)
manaova cours arcade fa io no misy erak'i madagasikara, rehefa afaka bacc indray dia manaova CNTEMAD : télé enseignement.
Serieux be za manoro anao an !
dia mianara koa tsara fa aza variana mandray vola e : raha tsy mibôsy io tsisy fika.
3. pika ( 03/10/2005 13:34)
betsaka ny afaka mampanao cours @ andro asabotsy sy ny hariva toy io lazain'ny namana io de tohizo @ téléenseignement
dia ny fahazotoana atao bediabe
ny sipa aza atao mampivaky loha
mazotoa
4. vale ( 03/10/2005 15:45)
Miombon-kevitra @ rebosa aho! Mahereza hatrany!
vale.
5. pitchou ( 03/10/2005 19:47)
miasa tapak'andro d mianatra tapak'andro raha mety!
na cours du soir
d rehefa afaka bacc d mianatra no atao prioritaire d manao asa azo atao miaraka @ fianarana ohatra mampanao cours du soir ...
6. Herimiafina ( 04/10/2005 00:48)
Deraina ny faniriana.
Betsaka ny cours azo atao saingy tsy ampy izany rha tsy misy ezaka kely avy aminao.

Voalohany indrindra: mangalà cahier ana ankizy terminale 2004-2005.
Faharoa: manaova cours. Makà exercice be dia be any.
Fahatelo: manokana fotoana ianao hamerenana ny exercice rehetra.
Fahaefatra: any amin,ny volana desambra any dia manomboka mi-traiter sujet bacc amin'izay ianao.

Rehefa manao cours de le profy tsara fanahy ireny atonina ary aza misalasala manontany fa izay no nahatafavoahako tao, fa raha nionona nandika fotsiny dia tsy tafa, fa mila manao exercice kely à part dia omena tsarain-dry zalahy. Na misy zavatra kely tsy azo aza dia anontanio foana.

Mora io bacc amin'ny 2006, minoa ahy ianao fa afaka ianao. Okay.
7. menakely ( 05/10/2005 14:40)
salut,
tsy misy azo kianina izay rehetra voalaza fa marina fa hampiko kely fotsiny raha tena tinao ny mpampianatrao hitsara ny devoire ataonao ivelany cours dia somary tolory zavatra kely indray mandeha fotsiny de efa ampy oh:toka na limonade;kely iny fa hohitanao ny vokany,mba torohevitra azo t@ ireo zoky teo aloha mantsy io,
mahereza!
8. pitchou ( 07/10/2005 13:24)
kay! aza sendran'ny olona tsy mankasitraka izay fomba izay d asa foana! aleo aloha manadihady kely hoe sahala @ ahoana ilay mpampianatra
9. Herimiafina ( 14/10/2005 00:23)
Vita ve ny revision ao ra-jon an?
10. onjah ( 16/10/2005 12:57)
Ny torohevitra angamba dia ny hoe. Ianao ihany no afaka mandamina ny fotoananao satria raha tsy diso aho dia tokony hisoratra "candidat libre" ianao. Tokony hanao "cours" ihany koa, dia mba mijery sy manaraka ny "cahier" n'ireo hanala fanadinana ihany koa. Aza misalasala ihany koa manontany ireo izay mety afaka hanampy anao(havana, namana, mpiaramiasa,sns ), mahazo valiny tsara tsy mahazo valiny tsy maninona
Dia mazotoa ary e.
11. jon ( 26/11/2005 16:00)
misaotra betsaka anareo nanoro hevitra fa voaray soamantsara; iraisina antanandroa ny torohevitra natolotr'areo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6301