Kodiadiam-borona

1. hery ( 27/09/2005 11:48)
Inona kay no fanafodin'ny kodiadiam-borona ry reto? Ongotana ilay izy fa mbola miverina foana... nojereko tao anaty tany tao :-) dia tena misy vodiny mihitsy ary miha lalina hatrany.
Sao de mahita fika nareo?
2. ari.malala ( 27/09/2005 12:14)
in le kodiadiam-borona? :)
3. hery ( 27/09/2005 12:29)
ohatra an'izao izy rehefa mameno tanàna
4. zakony ( 27/09/2005 12:39)
atao fototsakafo hono izay zavatra tiana ho fongorina hoy Francis Turbo, sady ilay izy marikivy io mahasolo voamadilo tsara :lol:

Raha mahita raviny 4 hono dia porte chance, hehehe, izaho anefa efa imbetsaka no nahita

vazivazy iny f'izao, raraho menaka vidange dia hitanao fa maty teo daholo ireo (marihina f maty daholo na inona na inona maniry eo fa tsy hoe ilay kodiadiamborona ihany
5. zakony ( 27/09/2005 12:43)
porte chance
[URL=http://img394.imageshack.us/my.php?image=hery1259kd.jpg][IMG]http://img394.imageshack.us/img394/2909/hery1259kd.th.jpg[/IMG][/URL]
6. mignone ( 27/09/2005 14:54)
marikivy ny tsironio fa za efa nihinana taminy mbola kely !
7. bichette ( 27/09/2005 15:02)
za koa efa nihinana tam mbola kely
8. dadasy ( 27/09/2005 16:26)
asiana kodiadia miakatra izy de maty ho azy:lol:
9. fijo ( 27/09/2005 20:39)
aty io rahery sa any mada?raha aty dia misy fanafody mamono az eny amin'ny mpivarotra momba ny zaridaina eny
10. belo ( 28/09/2005 10:51)
aza rarahana menaka vidange izany kosa fa lasa simba ny tontolo iainana.
ny mety angamba dia ongotana isaky ny manam-potoana.
11. Nananie ( 28/09/2005 13:21)
Ongontana hatr@ fakany ra izany. Na mividy sokatra. Ny sokatra tao aminay mpihinana an'ireny.
12. Herimiafina ( 04/10/2005 04:11)
Ny fanafodin'izy io dia herbicide séléctif tadiavina, mety 2,4-D izany na deshormone.

Fa asao tsara fotsiny le tany dia manjavona hoa zy eo izy rehefa ny voninkazo no maniry alohany e.

Hanin'omby izy ireny ary tena mabolena mihintsy any amin'ny faritra sasany any Dago.
13. Solitikabe ( 18/10/2005 04:50)
Io Deshormone io ve Raherimiafina tsy mamono Hormone. Tsy mety atao fanafody tsy fampiterahana ve io?
14. LazaRandri ( 18/10/2005 05:19)
hery,
tsotra be! tsy mila fanafody mandany vola sy manimba tontolo iainana ianao fa izao fotsiny ihany:

Asio soratra hoe "ny alika no mamany eto". Herinandro io dia maty hatramin'ny fakany!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1793