ahoana ny hevitrao momba ny fahamasinan'ny fanambadiana ?

1. mamissou ( 17/09/2005 19:06)
Mirongatra be ity asa fanakorontanana tokantranon'olona ity. Tsy lahy tsy vavy fa toa samy manao ary tsy mifidy sokajin'olona mihitsy fa h@ mafy ady ka h@ talen'ny orinasa, na mpivavaka na tsia eny fa na dia lohandohan'ny mpisorona ao am-piangonana aza. Mahamenatra, maharikoriko, mampatahotra. Rivotra avy aiza marina izy io ? Inona no antony ? Sa lamaody ?
Mba hevitr'olona matotra tsara aroso e! Merci!
2. sipagasy ( 18/09/2005 14:11)
miarahaba anao aloha,

fa nahoana moa no hoe mahamenatra,maharikoriko,mampatahotra???? ataoko angamba fa raha mifankatia dia tsy hisy izany, fa na ankehitriny na tany @ faha testamenta taloha aza dia nisy ny fisaraham-panambadiana, sy fandravana tokantrano ka ataoko angamba fa tsy ho lamaody kosa ilay izy fa tena fiainana, ka asakasakao izay tsy mahazaka ny onjam-piainana e!.
Ny antony hoy ianao??? tsy misy ny antony mazava fa ny tsirairay io, izaho kosa aloha raha ohatra ka olona tsy mifanara-tsaina amiko intsony aleoko misaraka e!!! deraiko ireny olona fena 50 taona & ny maro koa nivadiana ireny, fa tsy natao ho an'ny rehetra kosa ireny e!!!!! mba jereo ny fiainana mandalo fa tsy hoe ho faty an-kazo-tokana foana akory!!!!! hihihih!!!!!! miala tsiny aho annn
3. Nickovy ( 18/09/2005 14:34)
Antony maro no mahatonga fikorontanan'ny tokatrano. Eo aloha ny tsy fahampian'ny fitiavan'ny mpivady. Maro ohatra ny tovovavy na tovolahy voatery manambady satria mihevitra fa lalana tsy maintsy aleha io ka sao dia tara loatra. Maro ihany koa ny tsy mihomana tsara fa sendran'ny fitia afo mololo fotsiny dia mihazakazaka. Misy indray ny voatery satria bevohoka ohatra ka na dia vao amam-bolana aza no nifankafantatra dia tsy maintsy aroso ny raharaha. Ao ihany koa ireo izay tsy mahatoky tena loatra saingy menamaso sy voafatotry ny taranaka dia izay. Maro noho izany ny antony ary tsy avy aiza akory io fa avy amin'ny tsirairay ihany. Avy amin'ny fiarahamonina ihany koa ka anjarantsika ny mitandro ny hasin'ny fanambadiana. Ny mpivady no manamasina ny fanambadiany fa tsy i Pastera na Mompera akory. Tompon'andraikitra daholo isika koa samiamandray ny anjara tandrify azy.
4. sipagasy ( 18/09/2005 15:56)
fa rehefa tsy zaka ihany koa any aoriana any ilay fiarahana dia aza mampijaly tena miaritra trefla ao na iza na iza nanamasina ny fanambadiana, mialà tao ary tohizo ny fiainana....... hihihi
5. vale ( 18/09/2005 17:06)
Amiko alo, alohan'ny handraisana fanampahan-kevitra @ hanamasinana ny mariazy (any am-piangonana io) dé tokony handinika tsara satria tsy fomba fotsiny io fa fomba masina eo anatrehan'A/tra ka tsy tokony atao vazivazy! Raha tsy izay dé manam-bady tsotra any @ Mairie! Tena marikoriko tokoa ny hoe manao voady eo imason'ny tany sy ny "lanitra" nefa...!
6. sipagasy ( 18/09/2005 17:16)
ka atao ahoana nefa fa fiainana daholo iuzany na maharikoriko aza e!!!!! fa aiza ianao kosa aloha no miaina e! sa tsy ety an-tany??? mandia tany anie ka mety solafaka e!, miloloha lanitra ka mety solafaka koa.
7. Herimiafina ( 19/09/2005 04:22)
Masina ny fanambadiana, tsy misy discussion ny amin'izay.

Saingy ny tsy tokony hadinontsika dia NOMENA SAFIDY ny olombelona fa tsy noterena hanaraka ny lalanan' Andriamanitra, ka izay no nahatonga antsika niteny hoe: ''Nakamban'Andriamanitra, nosarahan'olombelona''. Safidy izany ilay fisarahana.

Ka ny vahaolana omeko dia ity avy hatrany: ''Matoa ianao misaraka dia satria tsy ampy étude, tsy ampy fitandremana, tsy ampy fanadihadiana hoe tena mety amiko ve ity olona iharahako ity no sady mety aminy ve izaho?'', dia avy eo vao tena mahafantatra ny momba azy dia leo dia miady dia misaraka satria hoe tsy mahatanty intsony ny nataony, sns, be ny antony e.

Fa ''Matoa koa ianao tsy ampy fanadihadiana talohan'ny norosoanao dia satria TSY MASINA AMINAO izany ilay fanamabadiana fa dia nataotao fahatany toy ny fombafomba''.

Ka noho izany, raha tena manaja tokoa ny fahamasinan'ny mariazy izany ianao dia tokony ho hentitra dia hentitra tokoa teo ampisafidianana mba tsy hisy intsony ny hoe diso safidy, sns.
8. pika ( 19/09/2005 04:26)
ilay hoe fanakorontanana angamba ahitsiko kely matoa mikorotana dia efa izy ireo no te hikorotana
raha tena mifankatia mantsy arakaraky ny misy tsy tia na manenjika no vao maika mampifaningotra sy manaitra ny ambipo tsy hisaraka
ny antony indray dia betsaka samy manana ny azy
ny matetimitranga dia fanambadiana ratsy fototra fa nahorina teo ambonin'ny fasika taitra fotsiny dia lasa(bevohoka dia ,io no mba naka,ity toa mba manana,...) aty aoriana vao tsapa fa hay tena tsy ilay grand amour
9. vahiny2004 ( 19/09/2005 10:06)
Herimiafina >>> marina daholo ange izany ry Herimiafina fa mahay manafina koa ny olona sasany e, misy toetra tsy asehony anao na tsy hitanao mihintsy raha tsy ao anaty tokatrano ... dia eo ianao vao zendana !
10. naritsimba ( 19/09/2005 10:08)
samia mamisavisa e!
11. deghany ( 19/09/2005 13:40)
Herimiafina:

Masina ny fanambadiana, tsy misy discussion ny amin'izay.

Saingy ny tsy tokony hadinontsika dia NOMENA SAFIDY ny olombelona fa tsy noterena hanaraka ny lalanan' Andriamanitra, ka izay no nahatonga antsika niteny hoe: ''Nakamban'Andriamanitra, nosarahan'olombelona''. Safidy izany ilay fisarahana.

Ka ny vahaolana omeko dia ity avy hatrany: ''Matoa ianao misaraka dia satria tsy ampy étude, tsy ampy fitandremana, tsy ampy fanadihadiana hoe tena mety amiko ve ity olona iharahako ity no sady mety aminy ve izaho?'', dia avy eo vao tena mahafantatra ny momba azy dia leo dia miady dia misaraka satria hoe tsy mahatanty intsony ny nataony, sns, be ny antony e.

Fa ''Matoa koa ianao tsy ampy fanadihadiana talohan'ny norosoanao dia satria TSY MASINA AMINAO izany ilay fanamabadiana fa dia nataotao fahatany toy ny fombafomba''.

Ka noho izany, raha tena manaja tokoa ny fahamasinan'ny mariazy izany ianao dia tokony ho hentitra dia hentitra tokoa teo ampisafidianana mba tsy hisy intsony ny hoe diso safidy, sns.


hendry elah!!! manaiky a ka!! hehehehehe

12. Herimiafina ( 19/09/2005 14:48)
deghany::lol::lol::lol::lol: Merci ary e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1688