sigara

1. LazaRandri ( 17/09/2005 03:37)
Rahoviana ny fitondrana vao sahy handrara ny fifohana sigara sy fihinanana paraky anatin'ny tranom-panjakana rehetra?
Aiza ho aiza ny minisiteran'ny fahasalamana sy ny tontolo iainana amin'io resaka io? Sa lava tanana ny tompon'ny orinasa mpamokatra sigara sy paraky?
2. LazaRandri ( 17/09/2005 03:38)
oops! tatsy @ tontolo iainana ito no saika napetrako fa mangataka ny mpiandraikitra hamindra azy. Misaotra
3. pika ( 17/09/2005 05:29)
tsy voatery misy lalana foana vao halala ny tsy tokony atao
mba ho mariky ny fanajanao ny namanao sy ny tenanao dia tsy tokony hifoka sigara ao anaty trano, bus,....
ny handrara azy ireo tsy hifoaka tsy mety izany satria safidy io, io rahateo koa no mampidibola ho an'ny fanjakana fa ilay fifanajana izany no tokony atao
4. sipagasy ( 17/09/2005 08:19)
miala tsiny aloha raha handray fitenenana kely e!

Raha ho an'ny Malagasy aloha any Madagasikara no tiako lazaina dia sarotra izany satria tsy ao anatin'ny fisainana ilay fanajana e! na dia dradradradraina isan'andro aza fa fatra manaja isika malagasy, aty ivelany izao ohatra dia tena raràna mafy ny mifoka sigara eny @ toerana iarahan'ny be sy ny maro, resto, bar, ......... sy ny toerana fiasana ihany koa, tsy hoe safidy akory fa mba sady fisorohana @ aretina no FIFANAJANA ihany koa e!, ka aiza ho aizan'izany isika???? mila ezaka beee mihintsy aloha e!
5. LazaRandri ( 18/09/2005 23:53)
pika:

ny handrara azy ireo tsy hifoaka tsy mety izany satria safidy io, io rahateo koa no mampidibola ho an'ny fanjakana fa ilay fifanajana izany no tokony atao


1) Tena tsy mety tokoa ny mandrara azy tsy hifoka, saingy rehefa manohitohina ny fahasalamana sy ny tontolo iainan'ny hafa dia tokony ho rarana.
i Pika izao ohatra tsy azo rarana tsy hanao maloto, kanefa kosa aoka tsy hanao maloto eo am-bavahadin'Ambohimanga!

2) Rehefa mampidi-bola ho an'ny fanjakana ve dia azo leferina avokoa na inona na inona vokany? hahaha!
6. pika ( 19/09/2005 04:33)
io lay politika e tsy hay hoe maloto fa mitondra ratsy sa madio fa mampidibola
7. palince ( 22/09/2005 09:07)
io ilay hoe raha maty aho matesa rahavako, ny ato ampaosy ihany satria io notena misy saosy, ministera ve :evil:? andra so eo Benoit.
8. pitchou ( 23/09/2005 18:14)
LazaRandri> nandeha taxibr zà ndremande d nisy olona nifoka sigara teo alohako! niteneniko moramora izy we mba aoka re tsy hifoka ato anaty fiara fa tsy vôtery hahazaka sy te-hifoka daholo ny olona, d zà ndray no nanaovany vava be! eny ary wa fa aoka zany samy hanao ny tiany, ny setroka sigaranao mankaty aminay tsy hiteny zahay fa zà d efa ho lasa zao handoa ary ataoko mahazo tsara enao, sady nihôka aho! potoizay d maty le sigara! nampiako ihany we miala tsiny ramose fa tara lôtra ny namonoanao sigara fa efa feno setroka ato anaty fiara, d nandoa aho ary nataoko voa tsara! tena ratsy saina be aho t@zay (marina e!) saingy sahaza azy izay! nitabataba sy nanompa (reny!) fa mbola novaliako ihany hoe ny anao lo ety ivelany azo sasana d bassss, fa ny anay setroka sigara niditra hatrany anaty avokavokay tsy hita ze hanadiovana azy!
zà refa manakany taxi ka hitako wer nifoka sigara le sôfera, na maimbo sigara le fiara d miteny tsotra aho we tsy mety amiko ny servisiny fa zà tsy mifoka sigara
9. Herimiafina ( 21/10/2005 20:36)
Fomban'ny baiaka io ry pitchou ka aza mandeha taxibroussy tsotry fa raopilanina njay andehanana, hehehehe:-D:-D:-D:-D
10. pitchou ( 27/10/2005 18:06)
inn kay heri zany baiaka?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1789