an-dafy...

1. niainaharison ( 13/09/2005 08:47)
normaly rehefa hoé voalohany antanin'olona enao tsy maintsy misedra olana kely, na de ny hoé fiovan-tany sy ny tontolo iainana fotsiny aza...
matetika anefa ny taona voalohany ihany no tena mafy...
rehefa avy eo enao mahita namana eny ihany rehefa tia mifanerasera amin'ny olona fa tsy miavonavo ohatry ny "olona sasany"...
ankehitriny de 7 izahay no ankizy mpinamana gasy aty amin'ny faritra misy anay...(ny iray moa efa nody)...fa reo mbola nijanona
kosa de tena vao maika tsy mifankafohy...ary de ankehitriny aza lasa quartier iray ihany no ipatrahana, ary misy ny mifanao ambony ambany amin'ny immeuble!
satria nahoana no tafaraka tahaka izao? satria tsy nisy nifampiavonavona tany amboalohany, ary nihezaka ny hamaha zay olana mahazo ny iray aminay...
manimanina ny any amin'ny tanàna vé? raisina ny gitara de lasa ny vazo? na manao vary amin'anana party..na manao composé party...sns!!!!
Misy moa ireo ray amandrenin'ny sasany aty ihany koa, ary de tena lasa solon'i dada sy neny any antany lavitra any mihitsy!
fehiny: tokony tsy hifampiavoanavona rehefa aty antanin'olona aty fa tokony hifanampy!misy de misy tokoa mantsy ireo malagasy miavonavona...tsy hoé angé voatery hanampy olona "ara-bola" é! na de ny fanohanana ara-moraly sy ny fanorona izay tokony hatao de efa zava-dehibé!
Eo ihany zany rehetra izany fa zao koa : hafa ihany zany hoé REVY any Mada zany é! LA JOIE DE VIVRE SE TROUVE A MADAGASCAR!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
maro ny tandrefana manonofy ny hipetraka any Mada!!!koa nahoana isika no hanao valalan'amboha?????????
tadiavo ny mahasoa sy ny mahafinaritra, fa aza adino ny tany niaviana....
Tsara raha mandeha aty daolo ny zaza gasy rehetra, na de hoé fotsiny aza pour la culture, mba mahita zany hoé ahoana ny any ivelany any izany...mba ahafahany mampitahy koa é! le voyage forme la jeunesse!!!!!!!!mba misedra olana kely koa é!fianarana daolo anie izany é!
PS:manina lava ny namako rehetra aty Mada zaho....hafa ihany ianareo rehetra ry zareo a! hafa ihany ny "lalao" aty amin'ny tanàna....mamy an!...Manana ny maha izy azy isika, tena tsy tokony ho menatra eo anatrehan'ny tanora tandrefana!!!!!!!!isika mbola mahay "miaina" lavitra noho izy ireo!!!!
veloma mandrapihaona indray ary!
2. xxx ( 13/09/2005 11:28)
Dia samy manana ny hanitra ho azy tokoa an. Izaho koa aty an-dafy fa dia tsaroana ery Dago rehefa misy fety ireny e(krismasy taom-baovao, fetim-pirenena sns). Na mahantran'ny tena aza io tiavina sy tsaroana hatrany e. Marina mihitsy ilay voalaza fa dia misy ny sasany rehefa tonga aty an-dafy, zara raha mamaly rehefa arahabaina, dia lasa manao fombam-bazaha mitsy :fiteny sns, tany Paris no nahitako an'io. toa mampisalasala aza ny hoe hiarahaba vokatr'io. Ny olona anie rehefa tonga aty an-dafy efa mba manana ny trano ijolohany izy fa tsy mirenireny e. Manana ny mba maha-izy azy izy, fa mba aoka re tsy hifampihafahafa e. Mba tsara anie ny mifandray tsara aty an-tany lavitra aty e. Mba ho tazonina hatrany ilay ra malagasy : fihavanana sy fifankahazoana am-po... fa tsy hoe samy mandeha amin'ny fiainany. Izay aloha fa mba tsetsatsetsa tsy aritra iny e.
3. zandrikely ( 13/09/2005 13:56)
marina zany , ary ny mahasosotra dia ny sasany aza anie eny ivato mba arabaina fa mba hoe samy gasy zany dia miavona e , tsy misy toy ny miray hina anie e , fa indraindray ny olona sasany rehefa hitany fa tsotra enao @zay atao rehetra dia manararaotra , fa fiainana daholo zany
4. xxx ( 13/09/2005 13:58)
ny olona eny ivato ve ry zandrikely dia tokony hifampiarahaba daolo ?:-D:-D
5. sipagasy ( 17/09/2005 09:00)
de ny ery behoririka koa izany tokony hifampiarahaba daholo raha ny ei ivato tokony hifanpiarahaba e! hihih
6. fasaly ( 20/09/2005 18:23)
ka tsy mahalala fomba izany olona harabaina izany nefa tsy mamaly fa miavona e! babakoto be zany amiko
fangah mahafaty ny mamaly fiarahabàna, izaho moa ry zandrikely no harabainao eny fa sady mi lancé sourire be mintsy aho no mamaly hoe bonjoul njy!!!...
tena tsy azoko mintsy hoe: inona no tokony hiavonana alony e! izaho kou alony tena alerjika an'ireny mintsy e!:evil:
7. fijo ( 20/09/2005 21:25)
bizour fasaly.
8. fasaly ( 21/09/2005 15:28)
ah bejoul fijo ela zany less eto ndray zany tsika sam virja an! :lol:
9. kally ( 21/09/2005 17:04)
Marina io tenin'i Fasaly io, na aiza na aiza ianao rehefa misy miarahaba( na sôsantisety, na Andavamamba,na Ivato, na Amsterdam..) ny fahalalam-pomba angamba dia ny mamaly, tsy asiantsika resaka betsaka iny e! reveo manja dia milay ho azy.

Tonga soa Fasaly, aiza ilay voan-dalana noresahintsika?
10. fijo ( 21/09/2005 22:36)
eo nareo roa samy nitondra voan dalana izany an.
11. kally ( 22/09/2005 15:42)
Ny antsika sy Fijo efa nalamina tary Antsirabe tary ny fizarana voan-dalana fa aleo aloha i Fasaly indray no anaovantsika angaredona hakàna voan-dalana.:lol:
12. fasaly ( 22/09/2005 18:30)
bonjoul kally! nanao ahoana ny vokansy?? nafinaritra ve??
ny veromanitra ny ny ravimboafotsy no nentiko ao sao tsa tenareo knou! ireny mantsy hono mampatory tsara raha sotroina alohan'ny hatory kou!
de ny koba voandro sy ny sakay mifangaro vototo, ny lasary manga, mety ho tenter ve nareo sa?......
13. kally ( 23/09/2005 16:23)
Aia mampilendalenda kia Fasaly a! andrasako eo @ boulevard Anspach androky fa atero eo ary:lol:
14. fijo ( 23/09/2005 20:29)
kay le,izay aho dia noana sahady naheno le resaka
15. methode ( 24/09/2005 10:00)
Refa miarahaba kosa ny olona de tokony valiana na ao Analakely aza e! Fa tsy voatery hiarahaba raha tsy fantatrao ilay olona! Raha izy no miarahaba dia tokony hamaly.
16. fasaly ( 24/09/2005 10:43)
kally , fijo:
raikitra andraso ao zà fa ho avy e! tsy hadino ny motsakiky!
methode: lojika be mintsy anie zany, e! fa lay miavona anie de le tsy mamaly mintsy na harabaina aza e!
17. boubounezy ( 18/10/2005 22:08)
za aky efa sendra ny reny mintsy tany nice a! dé arabainjy @ teny gasy izy dé lazainy fa izy tsy gasy no tsy mahay miteny gasy dé tratra be zao lé famaliny fa gasy izy tsy menatra, sipa 2 izy t@zay dé
ny anadahiko zany miasa manao chauffeur lé petit train reny dé misy mpanao gazety nanao intervew anazy, dé nolazainy fa réunionnais izy fa novakiko lé gazety, fa niteneniko mintsy fa tsy menatra no sady tsy fère @ maha gasy azy. dé tay arina izy rzfa misy manao intervew dé lasa niteny fa gasy. fa nimenomenonako mintsy ka!! za alou nationaliste be fa zé manambany gasy sany ataoko mireatsa mintsy!!

fasaly:

kally , fijo:
raikitra andraso ao zà fa ho avy e! tsy hadino ny motsakiky!
methode: lojika be mintsy anie zany, e! fa lay miavona anie de le tsy mamaly mintsy na harabaina aza e!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1634