Izay nahafinaritra anao ?

1. lanto ( 17/08/2005 12:43)
Iza no mpanoratra mba mahafinaritra anao tao amin'ny vetso ? Ny antony ? Mba zarao aminay hoe sy izay tononkalo mba nanaitra e !
Azo atao koa hoe inona no tsy dia tianao tao :-)

2. kally ( 17/08/2005 14:36)
Betsaka ny nahafinaritra ahy tao ao ry Ny Eja, ry Lanto ry Yonika sy ny be dia be tsy ho voatanisa eto samy nanana ny nahafinaritra azy.=D
Saingy singaniko manokana sy tena nanaitra(l) ahy ny "vetson"'i Nikopol, hafa noho ny fahita andavanandro, ao amin'ilay itiavako azy mihitsy.Tononkalo tsy mamantam-bonona ary tsy natao ho vakiana anaty minitra vitsy fa saintsainina elaela ,dinihina isan-teny indraindray ahazoana ny tiany hambara (Apolonia,Ilay alina farany ets), dia misaotra anareo rehetra manana talenta.
3. chipie1 ( 17/08/2005 16:00)
betsaka no nafinaritra tsy ho voatanisa ngamba fa mba manisy komentaire kely eny ambaninlé tonokalo eny refa nisy fietsempo :lol:
mankasitraka o!
4. lanto ( 17/08/2005 18:52)
kally> misaotra e !
chipie> ka izay indrindra ange ! Ireo efa mpamaky ihany no mamakt eo, na koa izay mpanoratra efa fantany ihany no alehan'ny sasany. Raha misy an-dalana nahafinaritra na mpanoratra hitanao niavaka dia mba zaraina eto sao mba mahaliana ny hafa e !

Zah koa aloha ohatra an'i kally, mahafinaritra ahy ny sasa-soratr'i Nikopol, saingy tsy azo vakiana maikamaika :-) I Ny Eja indray mahay milaza zavatra amin'ny fomba tsotra, teny tsotra nefa tsara lahatra.
Mbola hiverina eo ihany aho hilaza izay itiavako ny hafa ....

5. kally ( 18/08/2005 07:01)
Ie! mety tokoa io hevitr'i Lanto io satria efa be dia be izy ao dia tsy hary ho voavaky daholo fa izay nahita marina mba manketo hoe mba jereo ange ao amin'izao fa misy mahafinaritra.Na dia samy manana ny mahafinaritra azy aza:lol:
6. xxx ( 18/08/2005 07:34)
Raha afaka mijery ianareo de ny tononkalo nosoratan'i Joh koa misy mahafinaritra sady mampisaintsaina ny sasany e!
Mazotoa o!!!
7. nikopol ( 18/08/2005 17:50)
Misaotra kally sy lanto an ! ny ahy misy asa-soratry i miarantsoa sy andriary ankafiziko fa miala amin'ny mahazatra. tsy ary voatanisa fa misy koa mpanoratra tiko : ny eja, dadarabe, hasiniony, lanto d tsiky dia ampy ... sy ny sisa hafa : fiaritiana, pissoa dia maro hafa koa ...
misy tiko hafa fa tsy ho tadidiko eto daholo a:-*
8. chipie1 ( 20/08/2005 15:12)
ny asasoratry i fiaritiana sy andriary betsaka tena tiako , ny an'i nikopol lalina ny tononkalony (sasany) tsy de azoko loatra , na dia nisy novakiako imbetsaka aza ... :-P ,tsy ho ary voatanisako eto aby fa dia santionany ireo aloha araka ny efa voalazako tetsy ambony!
mankasitrako !=D
9. Bocassa ( 31/08/2005 07:12)
Ny mahafinaritra indrindra? > i TSILOKO Mahadiny. Jereo ange ireo tononkalo nosoratany e!
10. lanto ( 31/08/2005 07:52)
Misaotra anao Bocassa, tena mahafinaritra daholo tokoa ny tononkalony :)
11. nikopol ( 31/08/2005 08:02)
ie ny itiavako ny tononkalon'i Tsiloko Mahadiny dia hafa sady mivelatra ny votoatiny
chipie tsy lalina izany ka , nosoratana tamin'ny alina fotsiny :lol: aza analana akia za an ! :-D

12. minoucsh ( 19/09/2005 14:14)
Ny tononkalon'i Johan no manintona ahy, toa ireo zavatra iainako no lazainy matetika! mety hoe izy mbola tanora mitovy amiko angamba no mahatonga izany!
ny tononkalon'i Fiaritiana koa tsara!
zay fa mazotoa ry reto ah :lol:
13. nyeja ( 20/09/2005 06:15)
faly aho efa mahafinaritra anareo ny sangan'asanay e dia mba manana ny tiako koa aho eto ohatra i fiaritiana izay singaniko manokana sady omeko bizoroka be dia be an
14. palince ( 22/09/2005 08:54)
to mahafinaritra daholo fa ny an'n "zefalah"no somary mapiomehy kely rehefa manoratra. angamba naka ny anarany izy eee.
15. johan ( 23/09/2005 13:43)
ary maninona ho aho no tsy misy mihintsy miteny hoe
ny sangan'asako no tiako eh :lol: =))
za aloha mahita hoe tsara daholo eh!=D
16. mignone ( 26/09/2005 16:37)
johan > ka ho anay tsy manoratra zany dia ahoana ?
17. johan ( 03/10/2005 11:44)
mignone : d'efa samy eto zany tsika eh! samy mankafy d'efa manja.
18. bichette ( 03/10/2005 15:16)
johan > ka samy manetry tena koh ! :wink::wink:
mignone > na tsy manoratra aza anie rehefa mahay mankafy, misento amin'ny tononkalo sy vetso sy zavatra ohatran'ny izany anie dia mahafinaritra e ! dia azo lazaina fa manana talenta ihany koa . misy manko olona tsy mi s'interesse mihintsy aminĂ  zavatra , ireny no mampalahelo:wink:
19. fiaritiana ( 14/10/2005 23:40)
misaotra be dia be an i Eja sy ny namana rehetra, bzoroka be dia be no omeko anareo!!
misaotr Chipie asy minoucsh an!!
20. fiaritiana ( 14/10/2005 23:41)
ny ahy aloha hitako fa tena manana aingam panahy ny gasy e, ary tsy very amin ny firenen kafa
misaotra daholo o
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4745