Miaraka amin'ny vadin'olona

1. xxx ( 23/06/2005 17:03)
Resaka vavolombelona ity... misy angamba amintsika ato miaraka amin'ny vadin'olona, na efa manambady fa minia miaraka amin'olona hafa. Manana ny antony hanaovana an'izany ireny olona ireny kanefa tsy afaka manazava fa tonga de tsy misy mpihaino. Ka raha misy ato... de afaka manazava eto ve izy? Tsy maninona na xxx aza raha manahirana.
Potsiro ny fery ao anatinao ao...
2. fijo ( 23/06/2005 21:49)
za tsy misy fery anaty ary tsy miaraka amina vadin'olona nefa kosa tsy manameloka izany,satria tsy antery io fa ifanarahana
3. xxx ( 24/06/2005 05:01)
Za efa manambady ary miaraka amina vadin'olona.Ny vadiko nifanaraka izahay fa hifampiteraka fotsiny noho ny bika amantarehy hanatsara taranaka saingy ankehitriny miaraka amina vadin'olona aho satria tsy noho izy manambady no niarahako taminy fa azoko any aminy avokoa ny affections ilaiko rehetra.Tsy mampisaraka azy @ vadiny aho fa tena miaraka aminy kosa anefa satria mifankatia izahay,mifanampy @lafiny maro na de tsy imason'ny olona aza.
4. yonikafopl ( 24/06/2005 10:01)
:-w:-w:-w

5. sipagasy ( 24/06/2005 10:50)
izaho koa dia mitovy hevitra @ là ry fijo kannn, nga moa teo nisy nanery sa ahoana??? safidy izany ka samy efa lehiba mahay ny tokony hataony avy ny tsirairay, io koa anie ilay hoe vadiko enao rehefa mbola ao anatin'ny trano fa rehefa mivoaka ny trano enao tsy ahy intsony???? dia ahoana indray io???
6. chipie1 ( 24/06/2005 11:24)
sipagasy > resaka vavolombelona ity fa tsy ovana ny fanontaniana ka ? :wink::-$
7. zakilinina ( 24/06/2005 12:01)
Fahotana ! Fahotana ! Fahotana lehibe !
"Aza mangala-badin'olona !"
8. xxx ( 24/06/2005 12:18)
tena marina fa fahotana ilay izy fa misy ihany ny hilana azy fa ilay ao an-tokatrano koa anie mba mila miova kely tsindraindray ê! tsapanao hoe tena hafa ihany ilay vady rehefa voadona avy @alehanao! fa efa tsy blèmko intsony fa efa nisaraka ê!andramo fa misy mahatsara ihany fa tsy atao matetika ê!
9. xxx ( 24/06/2005 12:30)
raha ny fahafatarako koa aloha dia raha ny virtoaly mety fomba fampiresahana fotsiny ,maro ny mapiresaka eto fa tsy hanatateraka aloha e!maro ny zavatra mety lazaina raha tsy mifankahita ,sady na mapiresaka aza aho vadiko vadiko ihany
10. mandrindra ( 24/06/2005 15:40)
sahala amin'ny fotoana fialantsasatra ihany io, rehefa mandavataona iny ianao miasa dia mody ao antrano foana dia torovana, rehefa tonaga ny andro fialantsasatra dia lasa misintaka ny trano ianao maka rivo baovao. Misy ny mahay miaramisintaka mikopaka ilay afo mba hiredareda indray. Misy indray ny mila misintaka manokana.
Io indray tsy misy hoe fahotan'itsy na fahotan'iroa. Matoa misy manao kibo antsena ao antokantrano dia mety ho tsy te hikaly ao antrano intsony ny iray na ny sakafo aroso no efa tsy manja.
11. Hugues ( 24/06/2005 15:59)
sarotra b ny mieritreritra hoe hiaraka @ vadin'olona, satria mantsy ny tena dia tsy tompony fa mangalatra, mazava hoazy izany fa tsy afa-po mihitsy ary mitebiteby andro aman'alina matahotra sao tratran'ny tompony, na ny tena manambady tratran'ny vadin-tena, manahirana ihany. Ka raha azo atao re fadio ny maka vadin'olona, ary raha ny eto @ntsika de mbola maro ny tsy manambady na ny lehilahy izany na ny vehivavy, tsy aleo ve maka an'ireny tsy isian'ny tebiteby.
12. xxx ( 24/06/2005 17:20)
Resaka vavolombelona wah ity... tsisy fanindriana hoe fahotana wawawa -aza mitsara akory -... tsy manana fotoana hilazana ny ao ampony mihitsy ny olona rah tonga dia pepoina hoe fahotana! fahotana!... dia avela ho very zany raha izany?

De ze tsy miaraka amin'ny vadin'olona na tsy vadin'olona miaraka amin'olon-kafa koa aloha aleo hangina kely fa tokony misy sujet we maninona enao no tsy mampirafy de lazao any ny antony.

13. zakilinina ( 24/06/2005 21:59)
Ka izao mantsy anaka : tsy mety raha ny zavatra mamoafady toa izany no atao fialam-boly sy homehezana ka hanaovana vavolombelona. Rehefa nifanaiky teny amin'ny alitara masina ianareo roa fa ho aina no fetra dia tanteraho io fa voady. Ny fangalaranao fihinana any ivelany dia manalabaraka an'i vadinao, toa milaza fa tsy mahavita azy izy. Tahin'Andriamanitra re ianao anaka, aza manao izao intsony !
14. yonikafopl ( 25/06/2005 01:19)
:-w:-w:-w:-w
15. xxx ( 25/06/2005 08:38)
zakilinina> raha heverinao fa fialamboly ny eto dia diso toerana ianao... any amin'ny hatsinkana no misy fialamboly fa ny eto dia fianarana fiainana ary ilainay izany... enao angamba efa tonga lafatra ka tsy mila anzany intsony.

Zaho tsy miteny hoe izaho no manao an'izany fa misy kosa ireo olona izay manao an'izany ary manana ny antony na dia tsy dia voatery ho tsara aza. Ireny antony ireny no ilaina ho fantatra mba ahafahana mamaha ny olana.

Efa manomboka hita ny fomba fisainanao aloha amin'izao.. le olona tsy mahasahy mifandray amin'ny mpanota sao ifindrany angamba. Ahoana no fomba hanavotanao ny olona latsaka anaty rano raha tsy manala akanjo enao dia miroboka mamonjy azy? Eny e... raha tsy mahay milomano aloha de aleo tokoa mipetraka satria sao maty ao... fa misy olona mahafoy ny ainy hamonjy ny hafa... tahaka an'ilay iraikalahy nofantsihana iny... izay tsy nampaninona azy mihitsy no natao oe mandeha any amin'ny vevavy janga sy tendakanina sns...

KA aleo tokoa enao sy ny fahamasinanao razaky mitokatokana sao ifindran'ny lotonay eo... ho hita eo ihany hoe iza no ho tonga aloha any andanitra... enao ve sa ny vevavy janga hihihihi
16. xxx ( 25/06/2005 08:53)
ka indraindray kosa anie misy tsirony ilay mangalatra e!!!, mmhh vavy za io ann,!!!ilay ao an-trano milay fôna aloha fa ilay mba maka rivotra koa tena mmhhh tsara koa e!!!
17. dadabe ( 25/06/2005 17:56)
:*shhhhh ny ahy rangah bebe ihany de ampy a
avy aty cherie a(yonika io a):*:*
18. akamatiana ( 26/06/2005 01:21)
:Ddadabe hummmm zany an :-w:-w
19. dadabe ( 26/06/2005 09:00)
andraso klou fa misy resaka tokony hovalina io ambony io kle
xxx > tsy hitako mihitsy izay fahadisoan'i zakilinina raha nananatra anao izy ,nefa ity ianao toa tena tonga de miakatra be kle :-@
20. suesse ( 26/06/2005 10:33)
Raha lehilahy ianao no miaraka @ vadin olona dia tsisy olana amiko"VEHIVAVY N-dondrona sy ketrina" ny vehivavy mizara ny tenany am´nolok´afa hivelan ny tokatrano rehefa tsy mety ny tokatranonao dia aleo manao carte s table misaraka dia manorona vao2 indray na koa hatao tenerana @vadin ny tena izay mety ho hetaheta ny tena tsimisy ao an-trano.
Raha vehivavy indray ianao no mangalatra ny vadin olonak´afa dia tsotra ihany no teniko aminao 29 andro ny ho an´ny pangalatra fa iray andro ny ho an´ny tompony io 1 andro io dia tsy ho zakanao.
Sokafy ny masonao tsy hitanao ve fa milomano ao anaty rano-potaka ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1696