Tokony haka droit d'auteurs? :-)

1. hery ( 22/06/2005 06:06)
Resaka sendra nandalo tao amin'ny serasera ilay hoe tokony mba hisy droit d'auteurs ho an'ny gasy tamin'ny nampiasan'ny dreamworks ny anarana "Madagascar" tamin'ilay sarimihetsika (na sary nahetsika) farany teo.

De hozy Adrien Ratsimbaharison namaly azy.


Ialana tsiny fa ny tenanay dia tsy manana fotoana loatra hamakiana sy hamaliana ny hafatra rehetra mandalo eto @ serasera. Na dia izany anefa dia mihevitra izahay fa fitaovana lehibe ahafahana mifanakalo hevitra sy manaraka ny vaovao avy any an-tanindrazana sy avy @ Malagasy eran-tany (diaspora) ity serasera ity. Ka dia izany no iezahana amakiana ny hafatra mandalo eto araka izay azo atao (rehefa vita ny asa aman-draharaha isan-karazany). Ary dia mino izahay fa tsy ny tenanay ihany no manomboka ho leo an' ireny hafatra sy fanontaniana izay tsy mitombona loatra momba ity film "Madagasacar" ity. Singanina amin' izany ny fanontaniana sy ny tsikera tsy misy farany alafen' ireo Malagasy malahelo (mba tsy hilazana hoe "jaloux") fa nampiasain' ny olona natao lohantenin' ilay film ny anarana hoe "Madagascar".

Tsotra dia tsotra ny hafatra mba tianay hampitaina momba ity raharaha ity: Milaza ireo olona malahelo ireo fa manana droit d' auteur na droit d' invention na patent na marque depose na trade mark momba ny fampiasana ny anarana hoe "Madagascar". Raha marina tokoa izany inona no manakana azy ireo tsy hitory ny Dreamworks nanao ny film, dia @ izany dia mba mahazo vola @ royalities na droit d' auteur na droit d' invention @ io film io?

Nefa raha marina tokoa ny fisian' izany droit d'auteur na droit d' invention na patent na trade mark momba ny anarana hoe "Madagascar" izany tsy tokony ny Arabo na ny Espaniola na ny Portogey namorona sy mampiasa voalohany ny anarana hoe "Madagascar" ve no tokony hanana ny droit exclusif @ izany fa tsy ny olona monina t@ ilay toerana aty aoriana?

Fa ny tena tsy mampitombina an' ity resaka droit d'auteur/d' invention na patent na marque depose na trade mark ity dia izao: priopriete publique io anarana io, mitovy @ anaran' tany sy vahoaka rehetra tsy ho voatanisa eto, ka manana droit daholo ny olona rehetra hampiasa an' io. Efa an' arivo taona no teo io anarana io ka maninona raha mba nampiasain' ireo Malagasy malahelo ireo hatao lohantenin' ny film na boky na zavatra hafa mba noforonin' izy ireo?

Ho fehiny: Ampy izay ny momba ny vola azon' ny Dreamworks! Aza dia malahelo loatra fa mba mamorona zavatra hafa raha mahay!

Izay indray aloha fa @ manaraka indray manoratra raha manana fotoana ho laniana,

Adrien Ratsimbaharison
novalian'i zakony ny 27/09/2005 14:46
2. nikopol ( 22/06/2005 10:18)
Tsy hitako mihintsy ny hahafahana miteny fa ratsy ho an’i madagascar io film io.

Voalohany aloha fiction fotsiny io fa tsy documentaire.

Faharoa na ho an’ny mahita na tsy mahita an’io film io dia azo lazaina fa miveriberina matetika amin’ny alalan’ny pub momba io film io ny teny hoe “madagascar”.

Izany hoe misy probabilité maromaro kokoa ny hijanonany amin’ny “Inconscience collective”. Ny situation misy, vitsy dia vitsy ny mahalala ny fisian’izany Madagascar izany erak’izao tontolo izao (ohatran’ny fahalalan’ny gasy hoe misy ve zany sultanat de brunei zany ohatra). Ao aorinan’io film io, dia maro kokoa ny hahafantatra ny fisian’ilay teny hoe “Madagascar”.

Raha misy produits roa ohatra ka ny iray “made in madagascar” ny iray “made in inconnu” dia probable kokoa ho an’izay manana reference “madagascar “ ao andohany ny hisafidy ilay “made in madagascar”. Valable izany na folo na roapolo taona aty aoriana aza. Tsy voatery eo no eo ny effets.

Ny fanontaniana hoe tokony handoa droit d’auteurs amiko dia resaky ny nahita fianarana be loatra. Fanontaniana théorika ho an’izay mila fampiasana saina sy mampiasa fo.

Raha te hanao zavatra ho an’i Madagascar dia tokony hanao fotsiny fa ny “plus” entin’io film io ho an’ ny madagascar dia betsaka nohon’ny “moins” ary dimension ngeza.

tsy namaly ilay resaka teto za fa tohin'ilay resabe tary amin'ny serasera io :lol:
3. xxx ( 22/06/2005 13:43)
Misy ny malagasy na tsara na ratsy ny zava-misy dia tsy mahay afatsy ny mitsikera...

tsy hita ihany izay anaovana azy.

kitjo
4. maditra ( 22/06/2005 15:14)
Zah koa aloha tsy dia mahita izay zavatra mampalahelo amin'ilay film e! Mampiomehy ilay izy, ho an'ny zaza kely (efa nijery zah an, dia izay ny opinion-ko, sao dia misy tezitra eo indray), ary tsy dia misy dikany firy ny tantara fa dia "I like to move to move" ny zavatra mba nahafinaritra. Sady efa mba ni-invite-na d'honneur koa ange ny filoham-pirenena nijery an'ilay film, na dia mbola tsy nivoaka aza ilay izy tamin'izay. Angamba raha nisy an'izany droit izany dia mety efa notakin'ny filoha. hihi
5. welie ( 22/06/2005 15:18)
Tsy azoko mintsy kou lé oul alou we maninn no hoe mila droit d'auteurs! Pffffffff.......
"Madagascar" (io mot io mintsy) akory tsy nisy ni breveter hoe ahy io ka tsy azon'oul hafa ampiasaina... Tsss... Hitako ridicule be le izy. :-P

Zà manokana aloha dia tena faly noho ny fisian'io film io e! Dé refa mbo misy manotany we avy aiza de faly ery sady mizesta kely we "Madagascar"... :-P Dé ny oul amin'io tonga dé efa misy référence (mitovy lazain'i nikopol kely malala io :-) ) we "hay ve Madagascar e!" etc...

Dé zay re re oul fa aza mitsikera fona fa tsss... Mbô faly fa misy film hoe "Madagascar"... :-P

Lalalalalereuuuu... :-P Bizou kely alou dé azafady @ le fiteny gasy mivilana io fa lasa lohantsaty ny tenako e! :-P
6. sorom ( 22/06/2005 15:28)
Io njay le fiarin'amboalahy antitra!!! Eo ialahy (ataoko ialahy na itena mihitsy aza!) tsy manao n'inona ho an'ny tanin'ialahy, koa rehefa misy mampiasa amin'ny tsara ny Anarany dia mitomany ialahy fa hoe an'ialahy!!!

Tsssssssss!!!!!

Avelao letsy hampiasainy fa manasoa ny Tany ihany izany a! Soa fa fantatra ny fisian'ny hevitra sy ny olona tompony...

Misaotra Hery amin'ny fitondrana an'io hevitra io avy any ambadika ho ren'ny vahoka a. Mba an'iza njay zao io? tsssssss

:-@ ^:^
7. nikopol ( 22/06/2005 17:32)
welie kely malala an ! :-*
8. welie ( 22/06/2005 20:57)
nikopol> :-*
9. DotMG ( 28/06/2005 08:40)
Tsy vao ny DreamWorks koa ange no nibizina ilay voambolana hoe Madagascar fa efa nialoha lalana azy ny Guns 'n Roses sy ny McDo e!

Ny olako kely dia ilay détail anankiray tao anatin' ilay tantara. Jereo ny hevitra napetrako ao @ lohateny hoe MADAGASCAR.
10. DotMG ( 01/07/2005 12:07)
Sady ny vahiny ange mahalala fomba e! Tsy mila takiana any aminy izany "droits d'auteur" izany fa izy mahalala hoe tsy mahafantiantoka antsika ny mba manipy tain-tsaosy ho an' ireto gasy ireto, dia iny nomeny dimanjato arivo dolara iny ny fikambanana iray hanatsarana ny tontolo iainana sy fizahantany eto Madagasikara.

(Niniana tsy nadika ilay hoe droits d'auteur fa vao mainka mahamenatra be ny hilaza hoe zon' ny mpamorona, nefa isika aza tsy namorona ny hoe Madagascar akory, araka izay efa voalaza etsy ambony).
11. hery ( 02/07/2005 06:16)
oups... iza no nahazo an'izany ry DotMG?
12. kitjo ( 06/07/2005 10:13)
Misy olona tsy maintsy mahita filam-banony foana..

DotMg> manontany toa an' i Hery koa za
13. dadabe ( 09/07/2005 13:26)
:cry::cry:zah tsy kopy
14. zakony ( 27/09/2005 14:46)
izao aho vao mahita ity ka ho valiako kely

Nanome vola tokoa ny Dreamworks ho an'ny Madagasikara tamin'ny nanaovana io film io. Ary amina Million $ izany. tsy dia azo atao ny manonona anaran'olona fa izao no azoko lazaina : nanome vola ry zareo hampandrosoana ny fitandrova ny tontolo iainana eto madagasikara. Lehiben'ny fikambanana tsy miankina misahana ny Tontolo iainana eto amintsika no niresaka tamin'izy ireo tany hoe tokony mba hanome vola anie ianareo hampandrosoana ilay Madagasikara (tsy reska droit d'auteurs fa fangatahana fotsiny tsotra izao), dia nanome ny Dreamworks...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1854