fihaonana tao amin ny EPP Ampefiloha tamin ny 28 mai lasa te

1. ravatorano ( 31/05/2005 05:54)
Ry namana hajaina isany
Vita soa aman tsara ihany ilay fivoriana natao ny 28 mai lasa teo tao amin ny EPP Ampefiloha ary dia isaorana an 'Andriamanitra izany .
Ny namana nanatrika tazo moa dia tsy amin ny maha A.G an'ilay fivoriana fa dia nahagaga fa raha ny hafatra azo dia maro no nilaza ho tonga nefa ny mifanohitra an izany no niseho.
Ireo avy ary ny zavatra nodinihina tao :
1-Fizarana ny statut namana.serasera madagasikara ary fandinihana an izany miaraka amin ny soso-kevitry ny mpivory.
Io sata fototrar izay hijoroan ny fikambanana namana serasera io dia voafehin ny lalana hitsivolana 60.133/03 octobre 1960.
Ny teny filamatra ao amin io statut io dia ny hoe FINAMANANA-FIFANAJANA-FIFAMPITAIZANA.
2-Firesahana ny zavatra efa vita sy natao tamin ireny fihaonana marobe ireny ary anisan 'izany ny niantrehana ny faha dimy taonan ny namana sezrasera tao INTH Ampefiloha
3-Ny tatitra momba ilay "opération soupe" izay natao teo amin ny 67 ha.
4-ny tetik'asa ho atao aoriana (projet divers)
5-Samihafa.
Ireto avy ny namana nanatrika tao :
notron, glou, voahirana, mcz, diosezy, lo_, sariaka, capitou, perfect, patou, avylavitra, pinous, naritsimba, heryLo, arimalala, arimalala_, mimich, mangomboka, rdylan, mozart, Aidan .
Tonga nantrika io fivoriana io koa i kitjo sy Ikaretsaka izay namana mipetra anyu Singapour moa fa tonga mandalo eto antanindrazana ary isaorana betska izy ireo
Ny famitinako ny hevitra nasogadina teo dia toy izao :
Lany izany fa hapetraka ara panjakana ny statut namana serasera madagasikara
Lany koa fa alohan izay dia hanaovana amendement io statut io izay samy nomena avokoa moa ny mpivory teo ary halefa mail na hafatra any amin ireo mikarakara izany nyu sosokevitra.
Mba hahatomombana zany dia mila mameno taratasy izany izay hilatsaka ho mpikambana.
Fanazavana kely momba izay dia izao : ilaina io fiche d inscription io amin ny fametrahana ilay statut eny amin ny minisiteran ny Atitany nefa tsy ho voatery hanao izany daholo izay tsy te hiala ilay virtoaly akory fa namana serasera ihany izy .
Mba ahafahana miroso haingana amin ny fanatanterahana ny fametrahana ny statut dia natsangana ny birao vonjimaika :
ny filoha:glou_ , ny filoha lefitra : mimich
mpitantsoratra : arimalala sy arimalala_
mpitahiry vola : voahirana
mpanolotsaina 1 naritsimba 2 mcz; 3 lo_
ary 4 i ravatorano.
Teo amin ny samihafa dia nipetraka ny fanontaniana hoe maninn marina ny namana rahan misy fiantsoana toy izzao maro ny milaza ny ho tonga nefa dia tsy nipoitra akory ???
fanontaniana mipetraka io nefa azo valiana hoe maro amitsika no tena mivirtoaly ihany aloha ka tsy omena tsiny eh.
Farany ny vola azo tamin ny operation soupe dia nifanarahana fa tsy hokitihina mihitsy fa dia heverina aza ny hampitomboina azy mba hahafahana manao asa mivaingana .
Izay ary no tao aloha fa dia isaorrana anareo nazoto namaky ity tatitra lavabekelyt ity

ravatorano

(nasiana espaces ny anarana fa manimba takelaka :-) )

Nahitsin'i hery
novalian'i Blackman ny 31/05/2005 14:27
2. ravatorano ( 31/05/2005 06:03)
Tena ialako tsiny be dia b ary fa nisy hadinoko.Araky ny fanapaha kevitrey ny be sy ny maro ary dia natao filoham boninahitra hny fikambanana namana serasera madagasikara i hery=D=D=D .Ny antony mazava be toy ny masoandro b lohantaona satria izy no anisan ny nipoiran ity tranokalma ity ka raha tsy nanao izany izy tsisy izao ary isika koa indray no andry iankinan io tranokala io.
Misaotra eh
tsiky iray di ampy !
:D
ravatorano
3. lo ( 31/05/2005 06:26)
fanitsiana kely fotsny azafady :
ny mpitantsoratra : arimalala sy ari.malala
misaotra antsika e
4. hery ( 31/05/2005 07:11)
Dia misaotra betsaka anareo namana serasera any Dago izay nahatanteraka iny A.G. iny. Ary miarahaba manokana an'ireo birao indrindra i ny filoha glou_. Mirary soa ho an'ny tetikasa rehetra izay inoako fa hozarainareo aminay amin'izay mety hifanampiana.
Araka ny nolazain'i ravatorano dia ilaina ny fisoratana anarana tsy virtoaly mba ahafahana miditra lalindalina kokoa amin'ny fanorenana fikambanana ara-dalàna, koa amporisihana isika rehetra vonona ka tsy manana olana amin'izany.

Dia misaotra e. Tsy adino kou i kitjo sy ikaretsaka tonga tany :-).
5. Angie ( 31/05/2005 12:53)
Tena tsara lay teny filamatra e:
Finamanana- Fifampitaizana- Fifanajana.
Ary lay teny famaranna ataon'ny gahy lehibe foana:
Tsiky dia ampy.
Dia mirary soa ny namana rehetra tsy ankanavaka e: na ny tranainy na ny vaovao na ny virtoaly na ireo nofo aman-drà e.
6. Blackman ( 31/05/2005 14:27)
Salul Daholo misaotra anareo rehetra izay mikarakara ity zavatra ity ari hisaorana koa isika rehetra izay tonga nanatrika sy namolavola ny zavatra rehetra izay natao ary mbola ho hatao .
ny tenanay moa dia olona kely be hadidy ka dia elana tsiny raha tsy hafaka fa ny hany tiako hambara dia izay tapakareo rehetra dia ekenay daholo fa ny @ manaraka hiezaka hiany ny ho avy
misaotra anareo rehetra ny namana Blackman ihany .
Six daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3611