Farihin'Anosy

1. hery ( 11/05/2005 06:52)
Sady endriky ny tanàna no fanariana maloto. Sady toeram-pitsangatsanganana no fieren'ny jiolahy. Zany no hita eo Anosy. Inona no hevitra virtoaly hitanareo tokony hanaovana an'io Anosy io? Amin'ny carte postale mantsy toa mba tsara ihany.
novalian'i pitchou ny 26/05/2005 20:56
2. sasa ( 11/05/2005 07:16)
ye tsara jerena tokoa fa mampahonena satria tena maloto; io raha tsy ny fanjakana sy ny besinimaro no miara-manao ezaka tsy madio mintsy satria ao doly ny rano maloto no mivarina; nefa koa mbola misy maka trondro tsindraindray rehefa tsy tratran'ny polisy ry zalahy
3. kally ( 11/05/2005 07:27)
Ary tsy mety angaha raha mba ovaina toeran-kafa ny fivarinan'izao rnao maloto izao no dia eo am-povoan-tanàna sady tsy misarona nefa rano maloto?Mba atao farihy madio Anosy e!
4. rurik ( 11/05/2005 07:47)
ka ny fanjakana mihintsy no tokony handray ny andraikiny @io .satria raha ny enoko aloha fa tsy haiko na marina na tsy marina fa hoe rano maloto avy any @hopitaly hono no mivarina ao. ka ny ahy dia ny fanjakana aloha no tena tokony handray ny andraikiny izay vao ny tsirairay.
5. booboo ( 11/05/2005 12:39)
tsy ny rano maloton'ny hopitaly ihany no mivarina ao fa zay rehetra mety ho rano(orana...) avy @ iny haute ville iny ihany koa. Ny canalisations rehetra t@ fanjanahan-tany dia manaraka io lalan'ny rano io fotsiny sady io no akaiky indrindra sy stratégiques kokoa @ famoriana azy eo @ toerana iraika ihany.
6. kally ( 11/05/2005 14:12)
ka izay no ataoko hoe atao inona angonina eo am-povoan-tanàna eo io fa maninona ny fanjakana raha manao fanariand-rano vaovao?Natao aiza daholo ny volan'ny hetra alaina @ solika sy vary lafo be io?Mody izao tsy misy vola izao foana mantsy no ampandriana adrisa ny gasy nefa mahavidy 4X4 firy ets.Izany hoe miverina @ farihin'Anosy ihany isika.
7. methode ( 11/05/2005 16:38)
Ka tsara kosa ange raha sady endriky ny tanana no fanariana maloto e! Fanariana ny rano maloto rehetra no nanaovana an'io araka ny fahalalako azy!!! Ny amin'ny renivohitra amin'ny firenena maro koa ahitana toa an'io!!! Raha hoe lakandrano tsotsotra fotsiny tsy hahazaka ny rano avy amin'ny trano sy ny toeram-piasana rehetraao Tana ao!!! Rehefa madio ny manodidina dia izay no tsara fa raha ny hanadio an'io dia ataoko fa mbola nofinofy hatramin'izao aloha!
8. booboo ( 12/05/2005 14:01)
sady inona moa no anaran'ilay zava-maniry fahita eny @ tatatra na ôtra zany mora miparitaka be ireny (ngôza nôza zay ny raviny)? tena tsy tadidiko mihitsy. Sady ireny tena manadio rivotra beeeee mihitsy. Na mbola maloto ara lé rano ny rivotra manodidina tsy maloto beeee loatra. Tsy haiko na mbola misy an'ireny na nesorina aby aby ?
9. kally ( 12/05/2005 16:47)
tsikafonkafona ve izany ry Booboo?
10. booboo ( 13/05/2005 05:59)
ié !!!!!!
11. dadabe ( 15/05/2005 11:11)
maninona ny tsikafona?
12. booboo ( 16/05/2005 05:59)
terrible beeeeee raha "hihinana" gaz karbônika.
13. rhevinilsen ( 16/05/2005 12:39)
mbola nofinofy zany hoe hanao centre d'epuration zany ka hahadio (recyclé) ny decharge n'ny renivohitra.
Sady toa moramora kokoa ny manao tatatra d'evacuation noho ny hoe hanao centre d'épuration.

14. rhevinilsen ( 16/05/2005 15:06)
Tena mampalahelo fa ny karazan-zavamananaina antsoina hoe olombelona no tena manimba sy manapotika ty tontolo iainana ty. na ny valala ve handoto hoatr\'izay!
asa aloha fa mananika ny 6 lavitrisa ny isany amin\'izao
15. ravatorano ( 17/05/2005 07:04)
ny ranon \\\' Anosy aloha dia mahavariana tokoa amin ny halotony eh tena marina ny volazanareo ery ambony fa dia mivarina eo dhl ny rano rehetra na ny madio na ny madiodio na ny maloto rehetra avy any ambony any;
ny tsikafokafona aza vao mipetrarka eo dia esorina fa manimba ny maso raha b loatra fa tsy fantatry ry zareo ny asany amin ny fanadiovana ilay rano hiohihih
aka atao aoana ary fa izay aloha no izy.
Izy io koa dia mila draguéna alaina ny tany loto eo fa efa tototra anie io farihy io izao eh efa manomboka maribvo kely hany ka na eny ampivoanay aza zarana misy toerana mandifotr olona iray.
16. pitchou ( 23/05/2005 20:09)
ka le farihin\'Anosy sy Behoririka sy Masay aloha ny hamarinana ny rano maloto rehetra eto tana ville @izao! fa iza aza no mahita vahaolana hafa ankoatra an\'ireo? aoka aloha tsy hisy hiteny ny rano mandeha sahala @ Ikopa sy ny sahala @zany fa zava-doza be raha izay no atao! Tena marina ny lazain\'i ravato hoe tokony draguer-na le izy! Anosy aloha toa atao ihany tsindraindray? sa ahoana?
Ilay tsikafokafona indray marina fa manadio rivotra fa toa henoko koa hoe mandritra le rano haingana loatra rehefa be loatra, moa no sady manentsina le canalisations mivarina ao! satria raha izay dia ho raharaha indray ny resaka raha dibo-drano maloto iny quartier n\'i Mahamasina sy Anosy iny!8O

ny ahy izao ny mahalasa saina ahy dia le rano mitsika midina d mahazo ny nappe phréatique nefa betsaka ny olona mampiasa vovo tsotra eto
17. naritsimba ( 24/05/2005 13:07)
Sambatra ny farih'Anosy fa na dia iangonan'ny rano maloto aza, hodidinin'ny hazo malahelo dia onenan'ny Anjely mandrakariva.
18. rhevinilsen ( 24/05/2005 17:02)
naritsimba:

Sambatra ny farih'Anosy fa na dia iangonan'ny rano maloto aza, hodidinin'ny hazo malahelo dia onenan'ny Anjely mandrakariva.


sambatra koa enao zay hitako mampiaraka eny amin'iny sisiny iny isaky ,ny @ 5 sasany hariva
19. pitchou ( 26/05/2005 20:56)
ary rhevinilsen kay mitsongo dia an'i naritsimba an! sa mitondra labozia? :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3316